Maraoka: Ireo Arabo mpiangaly Rock

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny mahazatra isan-taona rehefa amin'ny fotoana tahaka izao ao Maraoka, andianà fety sy hetsika ara-kolontsaina no manamarika ny fanombohan'ny fahatongavan'ny asara (andro mafana). Fivoriana fanao isan-taona izy ireo, izay manintona mpanakanto miha-maro hatrany, eo an-toerana sy avy any ivelany ihany koa.

Tsy manivaka ny tamin'ity taona ity.

Rock God by Bring Back Buck

“Rock God” avy amin'ny Bring Back Buck tao amin'ny Flickr

Toa miroborobo miaraka amin'ireo tarika Rap, Rock, Fusion ary tarika Heavy Metal efa mahazo vahana mahazo mpijery mihitsy aza ny ny sehon-kira.

Manoritsoritra ny fitomboan'ny lazan'ny karazan-kira hip hop vaovao ao amin'ny fitondram-panjaka, sy niresadresaka tamin'ilay mpiangaly rap Maraokana Amerikana, RS-LOU ny Moroccan Board, vavahadim-baovao iray natao ho an'ny Maraokana Amerikana sy mitatitra momba ireo lohahevitra maro mifandraika amin'i Maraoka:

Moroccan Hip Hop as a music genre has gained much popularity among the youth in recent years in Morocco. You now have recognizable names such as Casa Crew, H-Kayen, AlFaress, Fnaire, and the list goes on. There is also a group of artists that operates from outside of Morocco. RS-LOU is such example.

Ny Hip Hop Maraokana amin'ny maha-karazana mozika azy dia nahazo laza teo amin'ny tanora tao anatin'ny taona vitsivitsy tao Maraoka. Mahafantatra anarana maromaro ianao ankehitriny toy ny Casa Crew, H-Kayen, AlFaress, Fnaire, ary mitohy ny lisitra. Misy ihany koa ireo vondrona mpanakanto miasa any ivelan'i Maraoka. RS-LOU ohatra.

Mibilaogy ao amin'ny Huffington PostMohsin Mohi-Ud Din, mpiangaly mozika sy mpikatroka mitarika ny tetikasa Fullbright any Tanger, avaratr'i Maraoka, mahita fa “manao Rock ny Arabo” ary nohazavainy ny fomba nahatonga azy ho any amin'ny faritra tsy mahazatra:

I witnessed a crazy show by the Moroccan Metal band called WANTED in the Cinema Rif. The place was packed. Young Arabs wearing crazy hoodies and Korn and AC/DC t-shirts, rocking out.

The young Arab rock fans here are no different from the routy, bored, confused teen rockers in America. Yet, there is something really cool and special about seeing a girl wearing the conservative head covering (Hijab) who throws up the universal Metal/Rock sign with her hands!

Nanatri-maso fampisehoana adaladala nataon'ny tarika Metaly Maraokanina antsoina hoe WANTED tao amin'ny Cinema Rif aho. Feno ny  toerana. Nifalihavanja sy nanao akanjo bà misy satroka sy t-shirts AC/DC ireo tanora arabo, mihovitrovitra rock.

Tsy dia misy fahasamihafana amin'ny tanora mpiangaly rock be tabataba, leo sy mikorontana ao Amerika ireo tanora Arabo mpankafy rock eto. Na dia izany aza, mahafinaritra sy miavaka ny mahita tovovavy manao voaly nentin-drazana (Hijab) manao ny famantarana manerantany Metal/Rock amin'ny tanany!

Tsara ny manamarika fa efa rava tamin'ny taona 2003 ny sehatra metaly mavesatra Maraokanina, raha nanagadra ireo mpiangaly mozika 14 ho satanisma sy fanevatevana ny silamo ny fitsarana tao Casablanca. Niteraka fihetsiketsehana teo amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ity fanapahan-kevitra ity ary nanery ny manampahefana mba hanaisotra ny fiampangana. Hita fa manomboka miverina ny seho metaly miaraka amin'ny taranaka vaovao Maraokanina ny metaly mavesatra.

Tany am-piandohan'ity taona ity, fanadihadiana mitondra lohateny mazava hoe “Tiako ny Hip Hop ao Maraoka” no nametraka ny feony nandritra ireo andro sy taona maro, araka ny tatitra nataon'ny bilaogy From Warp to Weft:

Featuring Moroccan Hip Hop artists like DJ Key, H-Kayne, Fnaïre, MC Bigg, Brownfingaz, Mot de Passe, FatiShow, this film delves into the “thoughts and dreams of the true future of the Arab world– it's youth.”

Mampiseho ireo mpanakanto Hip Hop Maraokanina tahaka an'i DJ Key, H-Kayne, Fnaïre, MC Bigg, Brownfingaz, Mot de Passe, FatiShow, ity horonantsary ity dia milomano ao anatin'ny “eritreritra sy nofinofin'ny tena hoavin'ny tontolo Arabo – ny tanora.”

Fanamarihana: Tamin'ny fotoana nandraisana ity lahatsoratra ity, nitatitra ny sampam-pahalalaham-baovao fa olona 11 raha kely indrindra no maty ary 30 no naratra tamin'ny Asabotsy alina, 23 aprily, nandritra ny fampisehoana mozika tao Rabat tamin'ny Fetiben'ny Mozika Mawazine, rehefa nirodana ny fefy vy iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.