Netizen Report: Manohintohinana ny fahalalaham-pitenenana indray, nandany lalànan'ny heloka antserasera ny parlemanta ao Ejypta

Kamiaon'ny tafika sy ny miaramila ao amin'ny Kianja Tahrir, Kairo, Janoary 2011. Sary avy amin'i Ramy Raoof tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena, sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.

Nankatoavin'ny parlemanta Ejyptiana tamin'ny 5 Jiona ny lalànan'ny heloka an-tserasera handidy izay azo sy tsy azo atao eo amin'ny sehatry ny sivana an-tserasera, ny tsiambaratelon'ny tahiry, ny fijirihana, ny hosoka sy ireo hafatra atahoran'ny mampahefana fa manaparitaka “foto-kevitra mpampihorohoro sy mahery fihetsika”.

Manome zo ho an'ireo manampahefana mpanadihady mba “handidy ny sivana amin'ny tranonkala” ny lalàna raha hita fa mampiantrano votoaty  “manohintohina ny filaminam-pirenena na manelingelina ny fiarovam-pirenena na ny toekarem-pirenena” ny tranonkala iray.

Mamorona foto-dalàna matanjaka kokoa izay ahafahan'ny manampahefana manenjika ireo feo manivaka na tsikera ara-politika ihany koa ny lalàna. Raha malaza amin'ny fanivanana tranonkala sy sehatry ny filaminam-pirenena ny governemanta Ejiptiana, dia tsy misy ny lalàna manan-kery izay mifehy mazava ity fomba fanao ity hatramin'izao.

Tamin'ny volana May 2018 fotsiny, nosamborin'ny manampahefana noho ny antony tahaka izany ireo bilaogera marobe sy mpikatroka media sosialy malaza.

Ny 23 May, nidiran'ny polisy an-keriny ny tranon'ilay mpanao gazety sady bilaogera Wael Abbas ary nosamborina izy. Mbola tsy fantatra ny toerana misy azy, saingy nalain'ny manampahefana ny solosainy, ny findainy sy ny bokiny manokana, araka ny fanambarana navoakan'ny tambajotra Arabo ho an'ny Zon'Olombelona (ANHRI). Nanameloka ny fisamborana ity tambajotra ity, nanoritsoritra izany ho “fakàna an-keriny”, satria niditra an-keriny tao an-tranon'i Abbas ny manampahefana, nanampina ny masony ary nisambotra azy mangingina raha mbola  akanjo fitondra matory no teny an-kodiny.

Raha afaka namoaka teny fohy tao amin'ny kaontiny Facebook i Abbas izay nilaza hoe: “Samborina aho,” tsy mbola nisy fanambarana ofisialy navoakan'ny manampahefana Ejiptiana momba io tranga io. Nisy mpanao gazety Ejipsiana iray, fantatra amin'ny fifandraisana akaiky amin'ny manampahefana, nanome tsiny an'i Abbas noho ny famoahana “vaovao diso” momba ny hetsika miaramila tao amin'ny faritra Sinai ao Ejipta.

Vao andro vitsivitsy talohan'izay, nosamborin'ny manampahefana Ejypsiana ny bilaogera hafa, mpikatroka zon'olombelona sady mpisolovavan'ny asa, Haitham Mohamedein. Voampanga ho nanao heloka bevava marobe izy, anisan'izany ny “fampiasana aterineto hitarihana fanoherana ny fanjakana” sy ny “famporisihana hanao fihetsiketsehana”. Notanana nandritra ny 15 andro izy raha nanadihady ny zavatra ataony ny manam-pahefana.

Nosamborina ihany koa noho ny “fampielezana vaovao diso tamin'ny Facebook momba ny toe-draharaha ara-toekarena sy ara-politika ao amin'ny firenena ary mikasa hanohintohina ny fitokisana ny fanjakana Ejiptiana” i Shadi Abou Zeid, izay efa niasa tamin'ny famokarana fampisehoana malaza manesoeso mampiseho karazana saribakoly be tabataba antsoina hoe Abla Fahita. “Any am-ponja izy amin'izao fotoana izao, tazonina 15 andro ary miandry ny fiampangana azy ofisialy.

Vehivavy Nizeriana very asa noho ny sioka mitsikera

Very asa ny vehivavy Nizeriana iray miasa amin'ny biraon'ny famotsoran-keloky ny filoham-pirenena rehefa nitsikera ny filoha lefitra Yemi Osinbajo sy ny vadin'ny Filoha Muhammadu Buhari tao amin'ny Twitter. Nofaritan'ny birao ho toy ny “loza mitatao ho an'ny fiarovam-pirenena” ny siokany ary voaroaka teo ambanin'ny lalàna mifehy ny asam-panjakana izay mamaritra ny “fanambarana diso manohitra ny manampahefam-panjakana” ho toy ny fahadisoana goavana.

Nalaina an-keriny, nogadraina ilay mpisolovava ny zon'olombelona Azerbaijani

Nalain'ireo lehilahy manao fitafiana tsotra ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona, ​​Emin Aslan, andro vitsivitsy taorian'ny nidirany indray tao amin'ny tanindrazany, rehefa avy nahavita ny fianarana nahazoany diplaoma momba ny lalàna tany Etazonia. Nandritra izany fotoana izany, nanjary mavitrika tampoka ny kaontiny Facebook – izay efa tsy nisokatra nandritra ny volana maro. Toa nampiasaina ihany koa ny findainy, na dia tsy nampiasa ny findainy aza i Aslan taorian'ny fiverenany tany Azerbaijan. Andro maromaro taty aoriana, nanambara ireo manam-pahefana fa notanana i Aslan, ary notazonina any am-ponja mandritra ny 30 andro noho ny fiampangana azy amin'ny “tsy fankatoavana ny polisy”.

Zarain'ny Facebook ny angon-drakitrao mba hananganana ‘traikefa tahaka ny Facebook’

Nametraka fifanarahana momba ny fizarana angon-drakitra tamin'ny mpanamboatra finday sy fitaovana tahaka ny Apple, Amazon, Microsoft ary Samsung ny Facebook, izay manome alalana ireo orinasa ireo hiditra amin'ny angon-drakitra marobe an'ny mpiserasera sy ny naman'izy ireo ary tsy mila fankatoavana mazava avy amin'izy ireo, araka ny tatitra navoakan'ny New York Times. Afaka maka vaovao sasany ireo mpiara-miasa amin'ny Facebook, tahaka izany ohatra ny satam-pifandraisan'ny mpiserasera, ny finoany, ny firehana ara-politikany, ny zava-mitranga, ankoatra ny angona hafa. Ho setrin'izany, nanamafy ny Facebook fa ny API izay novolavolaina ho an'ireo mpanamboatra fitaovana dia nilaina mba hamoronana “traikefa tahaka ny Facebook” ao amin'ny fitaovan'izy ireo, ka nanasonia fifanarahana ireo mpiara-miasa fa tsy hampiasa ny angon-drakitra [lahatahiry] amin'ny tanjona hafa.

“Tsy mahafantatra ny fanararaotana ataon'ireo orinasa ireo izahay”, hoy ny Facebook, saingy nilaza koa izy fa nihena ny fidirana amin'izy ireo ary efa nifarana sahady ny fiaraha-miasa 22 tamin'ireo. Manontany misimisy kokoa momba ny andraikitry ny Facebook amin'ny fiarovana ny fiainana manokana (tsiambaratelo) taorian'ny raharaha Cambridge Analytica tamin'ity lohataona ity ny tatitra, raharaha izay nampiasan'ilay orinasam-pitrandrahana ny lahatahiry tao amin'ny Facebook mihoatra ny fetra voalaza tamin'ny fifanarahana voalohany.

Niala tamin'ny fandaharana fanadihadiana sary drôna ny Google taorian'ny fihetsiketsehan'ny mpiasa

Nanambara i Google fa tsy hanavao ny fifanekena nataony ho an'ny Project Maven, tetikasa iray mampiady hevitra izay hanome fahaizana artifisialy ho an'ny Departemanta Amerikana misahana ny Fiarovana mba hanampiana amin'ny fanadihadiana sary nalain'ny drôna. An'arivony amin'ireo mpiasan'ny Google no nanao fanangonan-tsonia mangataka amin'ny orinasa mba hanafoana ny fifanarahany amin'ny tetikasa, ary ampolony no nametra-pialana ho fanoherana.

Miantso ny handinihana ny ho avin'ny nomerika ao amin'ny G20 ny fiarahamonim-pirenena

Nanoratra taratasy misokatra miantso ireo governemanta mpandray anjara amin'ny fihaonambe G20 ao Arzantina ny firaisan'ny fiarahamonim-pirenena miasa amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny teknolojia mba hiantoka fa “ny fiarahamonina nomerika voakasika dia manohana ny tontolon'ny fahasalaman'ny aterineto ary mametraka ny vahoaka ho lohalaharana”. Niresaka indrindra mikasika ny lanjan'ny fahazoana miditra amin'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana TIC, ny zo hiaro ny fiainana manokana sy ny angon-drakitra (lahatahiry), ny fahalalaham-pitenenana, ny heloka an-tserasera sy ny fitomboan'ny fifaninanana eo amin'ny tolotra nomerika izy ireo.

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.