- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fiovan'ny toetrandro aty Afrika: Feo avy any Kenya sy any am-pielezana

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fahasalamàna, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihina fa tamin'ny 19 Aogositra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navoakan'ny The Economist [1], NPR [2] sy ireo vaovao hafa ny ampahany tamin'ny adihevitra momba ny fiovan'ny toetr'andro aty Afrika. Ato amin'ity lahatsoratra fanokafana ho an'ny vaovaon'ny tontolo iainana ity dia mamaky sy mandre ireo feo roa isika, ny iray avy any amin'ny kaontinanta Afrikana amin'ny alalan'ny bilaogy ‘Kenvironews [3]‘ , sy ny feon'i Dr. Pius Kamau, dokotera any Denver. Ireo feo ireo no mitondra antsika mankany Afrika atsimon'i Sahara, ao Kenya, izay ahitana ny fiovan'ny toetrandro misy fiantraikany amin'ny fambolena sy ny fahasalamana.

Mifantoka amin'ny adihevitra momba ny fifandraisana misy eo amin'ny fiakaran'ny hafanana any amin'ireo toerana izay antonony teo aloha ao Nairobi, sy ny fiverenan'ny tazomoka indray ny bilaogy momba ny tontolo iainana sy politika ao Kenya [4].

The third assessment report, published in 2001, by the Intergovernmental Panel on Climate Change, paid special attention to highland malaria. The report states that due to the life-cycle of the mosquito and its role as host of the malaria parasite, “at low temperatures, a small increase in temperature can greatly increase the risk of malaria transmission” and “future climate change may increase transmission in some highland regions, such as in East Africa”.

The resurgence of ‘highland malaria’ in several African countries has become controversial issues in debates about health and climate change.

However, the IPCC report continues, “there are insufficient historical data on malaria distribution and activity to determine the role of warming, if any, in the recent resurgence of malaria in the highlands of Kenya, Uganda, Tanzania, and Ethiopia”.

Nijery manokana momba ny tazomoka any amin'ny faritra avo ny tatitra tombana fahatelo, navoakan'ny Vondron'ny Fiombonamben'ny Governemanta momba ny Fiovan'ny Toetrandro tamin'ny taona 2001. Nilaza ny tatitra fa “rehefa ambany ny maripana, dia mety hampitombo ny mety ho fifindran'ny tazomoka izany rehefa miakatra kely” ary “mety hampitombo ny fifindran'ny tazomoka any amin'ny faritra avo sasany, toy ny any Afrika Atsinanana” noho ny fahatongavan'ny vanim-potoanan'ny moka sy ny anjara asany amin'ny fitondrana ny tsimokaretina tazomoka .

Lasa olana mampiady hevitra tamin'ny adihevitra momba ny fahasalamana sy ny fiovan'ny toetrandro ny fiverenan'ny ‘tazomoka any amin'ny faritra avo’ any amin'ny firenena Afrikana marobe.

Na izany aza, nitohy ny tatitra avy amin'ny IPCC fa “tsy ampy ny lahatahiry ara-tantara momba ny fielezan'ny tazomoka sy ny asa atao mba hamaritana ny anjara andraikitry ny fiakaran'ny maripana, ohatra tamin'ny fiverenan'ny tazomoka any amin'ny faritra avo any Kenya, Oganda, Tanzania ary Ethiopia.

Ao anatin'izany ny hevitr'ireo mpitsabo avy amin'ny ambanitanànan'i Kibera (sary etsy ambany) ao Nairobi izay manome ny fomba fijery manan-danja araka ny zava-misy ara-kolotsaina ‘ao an-toerana’ tao amin'ny adihevitra.

kibera rooftops [5]

Whatever the causes, and the scientific wrangles, medical staff working in Kibera are having to tackle malaria. “Malaria is the leading disease we face,” says George Gecheo, clinical officer in Kibera’s Ushirika clinic. Nurse Dorah Nyanja, who works in Senye Medical Clinic in the slum’s Soweto Market, adds: “I am treating more people per day for malaria than any other condition.”

Na inona na inona antony sy ny adihevitra ara-tsiantifika, mila miady amin'ny tazomoka ny mpiasan'ny fitsaboana miasa ao Kibera. “Ny tazomoka no aretina lohalaharana atrehintsika”, hoy i George Gecheo, tompon'andraikitra ao amin'ny hopitalin'i Ushirika ao Kibera. Nanampy i Dorah Nyanja, infirmiera miasa ao amin'ny toeram-pitsaboana Senye any amin'ny Tsena Soweto any ambanitanàna hoe: “Olona maro kokoa no tsaboiko isan'andro amin'ny tazomoka noho ny aretina hafa.”

Nofaranana tamin'ny filazana ny fomba nataon'ny Minisiteran'ny Fahasalamana amin'ny fisorohana sy fitsaboana ny tazomoka ny lahatsoratra.

Niresaka momba ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro any amin'ny toeram-pambolena kafe izay an'ny fianakaviany any Kenya i Dr. Pius Kamau,  Kenyana any am-pielezana monina any Denver, tao amin'ny fandaharan'ny onjam-peo maraina [6] NPR . Azonao atao ny mihaino ilay  fanehoan-kevitra  ‘Rehefa tonga ny hain-tany dia maty ny fambolena Kenyana [7]‘. Nametraka ny fifandraisana feno misy eo amin'ny fahazaran'ny fiainana maoderina ao amin'ny tontolo mandroso – ny kafe vao mafana an'ny Starbucks, ny solika ampiasaina amin'ny SUV [fiara tsy mataho-dalana] – ary ny fiantraikan'ireny fahazarana ireny amin'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny fanimbana ny toeram-pambolen'ny fianakaviany ao Kenya ny fanehoan-kevitr'i Dr. Kamau. Fanehoan-kevitra mahaliana izay mandinika ny olana mikasika ny safidin'ny any am-pielezana ny amin'ny tontolon'ny fampandrosoana, ny vokatry ny etona karbonika ary ny vokatr'izany ho an'ny tanindrazany. Nanamarika izy fa tsy maintsy ilaina ihany koa ho an'ny am-pielezana ny mandray fepetra amin'ny fiarovana sy ny fampihenana ny fiantraikan'izany amin'ny tontolo iainana.