- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Tatitra momba horohorontany tany Sumatra tao amin'ny Twitter

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Horohorontany tamin'ny maridrefy 7.2 no namely an'i Aceh sy Sumatra Atsimo ao Indonezia tamin'ny Zoma vao maraimbe. 34 KM ary ambanin'ny ranomasina miala ny nosy Simelue ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Sumatra no misy ny foiben'ny horohorontany.

Navoakan'ny governemantan'i Thailandy ny fampitandremana ny mety hisian'ny Tsunami.

Maskuncung [1] : Earthquake in #aceh, electricity down.. Im sad to hear that.. Thank God no tsunami there

funkynektaria [2] : apparently there's five aftershocks around north sumatera and aceh after earthquake this morning #fb #aceh #indonesia #earthquake

Maskuncung [1] : Horohorontany ao #aceh, tapaka ny herinaratra… Malahelo aho mandre izany.. Misaotra an'Andriamanitra fa tsy misy tsunami tao.

funkynektaria [2] : toa nisy setriny dimy manodidina an'i sumatra avaratra sy aceh taorian'ny horohorontany androany maraina #fb #aceh #indonesia #earthquake

Ilaina ny Twitter rehefa misy horohorontany ao Indonezia, fitaovana hamoahana vaovao izy ary koa mba hanairana ny hafa mikasika izay loza voajanahary satria matetika tsy mandeha ny tranonkalan'ny Sampan-draharahan'ny Famantarana ny Toetrandro noho ny fibosesehana be loatra ao aminy.

hSammir [3] : Seperti biasanya, ketika
#gempa besar terjadi, situs #BMG #Indonesia tidak bisa di akses. MEMALUKAN!!!!

Araka ny mahazatra, rehefa misy horohorontany goavana mitranga, tsy azo idirana ny BMG. Manahirana!

Nanatri-maso horohorontany anisan'ny mandravarava indrindra tao anatin'ny taom-polo ny vahoakan'i Sumatra. Tamin'ny andron'ny totohondry tamin'ny taona 2004, namely ny faritany farany andrefana ao Indonezia, Aceh ny tsunami goavana ka nahafatesana olona an'aliny sy namela mponina 1500 ho tsy nanan-kialofana. Mbola miaina anaty tahotra ny mponin'i Aceh hatramin'izao.

LaidHu [4] : @helmiiii gempa di aceh dirasakan jga ya di medan.. Kasian saudara2 di aceh,apalagi bnyak banget gempa2 susulan #aceh

Tsapa eto Medan ihany koa ny horohorontany tao Aceh. Any amin'ireo rahalahinay any Aceh ny saiko, indrindra rehefa nandre fa marobe ireo setrin'ny [horohorontany] tao aceh.

Na dia efa nihena aza ny fampitandremana momba ny tsunami, mbola miomana amin'ny tranga ratsy indrindra ny mponina.

leksa [5] : Msh saja ada yg merasa liat tanda2 tsunami, berlari2 menjauhi laut, membuat suasan panik #gempa

Mbola mahita mariky ny tsunami ho avy ny sasany, nihazakazaka niala ny morontsiraka izy ireo, niteraka fikoropahana ity horohorntany ity.

Nandefa Tafika an'habakabaka (Air Force) Cessna mba handrakitra an-tsarintany izay faritra rava sy hitatitra fitaovana fanavotana ny governemanta Indoneziana.

Araka ny filazan'ny tranonkalan'ny BMG [6], enina no isan'ireo setriny tao Sumatra ary nitranga tao amin'ny nosin'ny hanitra Indoneziana tao Moluccas tamin'ny zoma hariva ora ao an-toerana ny hovitrovitra tamin'ny maridrefy Richter 5,5.