Tantara tamin'ny 14 Jona 2018
Bilaogera Alzeriana voaheloka folo taona an-tranomaizina, mampiseho indray ny fanafihana ny fahalalaham-pitenenana

Talohan'ny nisamborana azy, nanangom-baovao ny fitokonanana manohitra ny fepetra henjana, ny hetsi-panoherana mitaky ny fanomezana asa, ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nataon'ireo manampahefana Alzeriana i Touati.
Netizen Report: Manohintohinana ny fahalalaham-pitenenana indray, nandany lalànan'ny heloka antserasera ny parlemanta ao Ejypta

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena, sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 4 ka hatramin'ny 10 Jiona 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 4-10 Jiona 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena 200 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha-2 ao amin'ny lisitra? Brezila. Ary ny laharana faha-40? Mozambika.
Maraoka: Ireo Arabo mpiangaly Rock
Araka ny mahazatra isan-taona rehefa amin'ny fotoana tahaka izao ao Maraoka, andianà fety sy hetsika ara-kolontsaina no manamarika ny fanombohan'ny fahatongavan'ny asara (andro mafana). Fivoriana fanao isan-taona izy ireo, izay manintona mpanakanto miha-maro hatrany, eo an-toerana sy avy any ivelany ihany koa.
Ny fiovan'ny toetrandro aty Afrika: Feo avy any Kenya sy any am-pielezana
Mifantoka amin'ny adihevitra momba ny fifandraisana misy eo amin'ny fiakaran'ny hafanana any amin'ireo toerana izay antonony teo aloha ao Nairobi, sy ny fiverenan'ny tazomoka indray ny bilaogy momba ny tontolo iainana sy politika ao Kenya.
Indonezia: Tatitra momba horohorontany tany Sumatra tao amin'ny Twitter
Horohorontany tamin'ny maridrefy 7,2 no namely an'i Aceh sy Sumatra Atsimo ao Indonezia tamin'ny Zoma vao maraimbe. 34 KM ary ambanin'ny ranomasina miala ny nosy Simelue ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Sumatra no misy ny foiben'ny horohorontany.