Tonizia: Bilaogera manohitra ny fanagadrana mpianatra

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)
logo etudiants

Nahatonga ireo bilaogera hanao fanentanana fanohanana miantso ny famotsorana azy ireo ny didim-pitsarana nomena ny vondrona mpianatra Toniziana amin'ny sazy an-tranomaizina manomboka enim-bolana ka hatramin'ny telo taona noho ny fikarakarana sit-in tao amin'ny oniversite hitakiana ny zon'ny mpianatra vehivavy hanana trano hipetrahana.

Natsangana ny vondrona Facebook, antsoina hoe No to Students Imprisonment (Tsia amin'ny fanagadrana mpianatra) sy ny bilaogy: Free Jailed Tunisian Student (Avohay ny mpianatra Toniziana nogadraina). Nanoratra momba ity tantara ity ny bilaogera Toniziana.

Foetus manazava hoe:

Tunisian Students were jailed from 6 months to 3 years for protesting against the housing problem they are facing. I completely disagree with this sentence, the trial is a political trial that was disguised. Please spread the word and protest against the tunisian dictatorship.

Nogadraina enim-bolana hatramin'ny 3 taona ireo mpianatra Toniziana noho ny fihetsiketsehana manohitra ny olana fiatranoana atrehin'izy ireo. Tsy manaiky mihitsy ity sazy ity aho, fitsarana ara-politika ankolaka. Azafady, aelezo ny teny ary tohero ny didy jadona Toniziana.

Carpediem nibilaogy momba ny olana ary nilaza hoe:

Quoi de plus légitime et normal quand on est jeune, étudiant et doté d'un minimum de conscience que de se sentir concerné par l'amélioration des conditions de logement et d'études des dizaines de milliers de jeunes tunisiens inscrits à l'université. Et quoi de plus pacifique comme action de protestation que d'organiser des sit-in dans une résidence universitaire pour faire entendre ces revendications?

Et pourtant…Ce qui est considéré sous d'autres cieux moins répressifs comme une demande légitime et un engagement plutôt sain est systématiquement puni par de lourdes peines de prison en Tunisie, ce pays qui continue de se targuer d'être à l'initiative du programme onusien “2010, année internationale de la jeunesse”…Quelle hypocrisie!

Aiza no hahita ara-drariny sy ara-dalàna kokoa raha tsy mpianatra tanora manana fahatsiarovan-tena kely ianao ary mahatsiaro voakasiky ny fanatsarana ny fepetran'ny fampianatranoana sy ny fampianarana ho an’ ireo tanora an'aliny. Aiza no hahita fihetsiketsehana milamina kokoa noho ny fikarakarana sit-in ao amin'ny toeram-ponenana oniversite mba hahenoana izany fitakiana izany.

Kanefa…Ny tsy faizina an amin'ny toeran-kafa, ho fitakiana ara-drariny sy firotsahana madio, anefa dia saziana an-tranomaizina ao Tonizia, firenena izay manohy milaza fa niavian'ny fandaharan'asan'ny Firenena Mitambatra, Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora 2010″….Tena fihatsarambelatsihy!

Au Quotidien nanampy hoe:

Parce que leur place n'est pas en prison, parce que leurs activités syndicales sont un droit absolu, parce que nous refusons l'emprisonnement pour les opinions politiques,les blogueurs Tunisiens se mobilisent pour soutenir et venir en aide aux étudiants détenus!!
Un groupe de soutien aux étudiants détenus a été crée sur Facebook, rejoignez-le!!

Satria tsy any am-ponja ny toeran'izy ireo, satria zo feno ny hetsika sendikaly ataon'izy ireo, satria tsy manaiky ny fanagadrana noho ny hevitra ara-politika izahay, mifanentana ny bilaogera Toniziana mba hanohana sy hanampy ireo mpianatra nogadraina!! Nisy ny vondrona fanohanana ny mpianatra natsangana tao amin'ny Facebook, miaraha amin'izy ireo azafady!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.