(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Miomana amin'ny fifidianana filoham-pirenena i Tonizia amin'ny 25 Oktobra 2009. Nanomboka tamin'ny 11 Oktobra ny fampielezan-kevi-pifidianana, saingy tsy ny antoko politika sy ny mpanao politika rehetra no afaka nandray anjara tamin'izany. Iray amin'izany antoko izany ny Attajdid (Ny Fanavaozana), izay tsy tazana tamin'ny sora-baventy momba ny fifidianana ny afisin'izy ireo. Nosakanana tsy hanomboka ny fampielezan-keviny ihany koa ny antoko. Ary tsy izany ihany, nosivanin'ny manampahefana tsy misy antony maharesy lahatra ny gazetin'ny antoko “Attariq Al Jadeed” (Lalana Vaovao), araka ny fanazavan'ilay bilaogera Sofiene Chourabi :
Etsy andaniny, hita na aiza na aiza ny sarin'ny kandidàn'ny antokon'ny fitondrana – ny filoha Toniziana Zine El Abidine ben Ali -, ary indraindray amin'ny fomba tsy ara-dalàna. Nipoitra imbetsaka tamin'ny fahitalavitra ihany koa izy mba hampiroborobo ny fampielezan-keviny, ary tsy azo atao anefa izany araka ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana. Kisses from Tunisia nanoratra momba izany ary nampiseho sary misy ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana sy ny sarin'ny kandidàn'ny antokon'ny fitondrana manao fampilezan-kevitra ho an'ny antokony ao amin'ny fantsona fahitalavitra tsy miankina.