Miarahaba ny rehetra! Ity ny mikasika ny Lingua volana May 2018.
Tamin'ny fitambaran'io volana io, namoaka lahatsoratra 580 isika, nahasarika mpitsidika 294.219 ary jeripejy miisa 357.439. Nahatratra 265.041 ny mpankafy ny pejy Facebook iombonana Lingua, ary mpanjohy 275.160 tao amin'ny Twitter.
Ity ny topi-maso mikasika ny fandehan'ny tranonkala rehetra tamin'ny volana lasa.
Songadina
- Nisy ny fiovana teo amin'ny fitantanana ny Lingua Birmana, Rosiana ary Arabo
- Namoaka ny fitadiavana ireo mpandika teny amin'ny fiteny Soedoa, Romaniana, Poloney ary Pashto isika. Miangavy anao mba hanaparitaka ny teny!
- Jereo ireo fandikanteny be mpitsidika indrindra tamin'ny volana May.
- Mankalaza ny faha 10 taonany ny Lingua Rosiana!
Ireo nitarika tamin'iny volana iny:
Posts
Malagasy 206
Espaniola 99
Rosiana 60
Frantsay 51
Grika 37
Tsidi-pejy
Espaniola 131.933
Frantsay 41.275
Portiogey 39.996
Japoney 27.944
Shinoa T. 21.231
Arabo ar 129.885
Shinoa 42.222
Espaniola es 19.740
Frantsay fr 17.516
Amharic am 8.907
Shinoa 183.055
Arabo ar 44.041
Bangla bn 7.813
Espaniola es 7.694
Frantsay fr 5.639
Misaotra anareo ry Lingua! Misaotra anareo fa zava-dehibe ho an'ny GV inareo! Ianareo no tsara indrindra ?
Aza adinoina ny manaraka ny Lingua ao amin'ny Twitter, Facebook, ary Google+! Zarao amin'ny namanao sy ny tambajotra azafady ny taratasy fangatahana hanatevin-daharana ny Lingua. Mandika teny amin'ny teny ampolony maro isika!