- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Fahatezerana manoloana ny didim-pitsarana italiana ho an'ireo Toniziana mpanamory fiaramanidina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Italia, Tonizia, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tsidika, Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosazian'ny [1] fitsarana Italiana 10 taona an-tranomaizina ireo Toniziana roa mpanamory ny fiaramanidina Tuninter Flight 1153 [2], izay nianjera tany an-dranomasin'i Sisily tamin'ny taona 2005 ary namoizana ain'olona 16. Notsipahin'ireo bilaogera Toniziana ny fanapahan-kevitra, izay nilaza fa tokony deraina ny ezaka mahery fo nataon'ireo mpanamory fiaramanidina tamin'ny fanavotana ireo mpandeha 23 hafa tao anatin'izany.

Some thoughts from Tunisia [3] [Ar] mahita fanavakavahana tamin'ny didim-pitsarana ary nanoratra hoe:

لو كانوا ايطاليين او فرنسيين او انقليزيين وامريكيين او غيرهم يعني غربيين وليسوا عرب لتمّ الاحتفاء بالطيّارين الذين تمكّنوا من انقاذ 23 شخصا من مجموع 39 كانو على متن طائرة تحطّمت في عرض البحر بعد نفاذ وقودها دون ان يتمّ التفطّن لذلك في الوقت المناسب جرّاء عطب فنّي!!! ولتم نعتهم بالابطال…!!لكن اسمائهم ليست آلان ولا دافيد ولا جون بول بل شفيق الغربي و علي الكبّير لذا فعليهم دفع الثّمن في نظر القضاء الايطالي !! والتّهمة في نظر هذا القضاء المتعسّف هي انّهم لجؤا بسبب خوفهم الشديد بالانشغال بالدعاء والاستغاثة بالله بالدعاء في وقت كان يتعين عليهم فيه القيام بإجرآت الطوارئ لتجنب تحطم طائرتهم حسب ما جاء في تسجيلات غرفة القيادة. وهو عين الافتراء حسب ما تبيّنه تّسجيلات الصندوق الاسود التّي تبيّن ان الطياريين بذلوا ما في وسعهم لانقاذ ما يمكن انقاذه (طلب هليكوبترين، اجراء الهبوط الاضطراري قرب باخرتين لاعطاء فرص نجاة اكبر…) !!

Raha Italiana, Frantsay, Anglisy na Amerikana, izany hoe Tandrefana fa tsy Arabo izy ireo, dia mety ho noderaina! Mpanamory fiaramanidina nahavita nanavotra olona 23 tamin'ireo mpandeha 39 tao anatin'ny fiaramanidina izay nianjera tany anaty ranomasina izy ireo, nianjera ny fiaramanidina rehefa lany gazoala, izay tsy afaka nohamarinin'izy ireo ara-potoana noho ny olana ara-teknika!! Tokony nosokajiana ho toy ny mahery fo izy ireo…!!

Saingy tsy Alain, David, na John Paul no anaran'izy ireo. Shafik Al Gharbi sy Ali Kbeyer no anaran'izy ireo. Noho izany, ho an'ny fitsarana Italiana, tokony hizaka ny vokana izy ireo!! Nampangaina izy ireo satria nisafidy nivavaka tamin'Andriamanitra mba hanampy azy ireo tamin'ny fotoana tokony tsy maintsy nanaovan'izy ireo dingana vonjimaika mba hisorohana ny fianjeran'ny fiaramanidina, araka ny fandraketam-peo tamin'ny cockpit. Saingy lainga ireo araka ny nasehoan'ny fandraketana tamin'ny boaty mainty. Marina fa nanao izay ho afany ireo mpanamory fiaramanidina mba hanavotra izay azo avotana araka ny nasehoan'ny fandraketana (nangataka angidimby roa izy ireo ary nanao fiantsonana vonjimaika teo akaikin'ny sambo roa mba hanome vitana hanavotana ireo mpandeha …) .

Articuler [4] [Fr], koa naneho fihetseham-po tahaka izany:

Le tribunal italien de Palerme a prononcé lundi 23 mars 2009 son verdict dans l’affaire du crash de l’ATR de la compagnie aérienne tunisienne Tuninter.
Le verdict de la justice italienne a été très sévère et représente une véritable première ! Jamais, par le passé, les responsables administratifs d’une compagnie aérienne n’ont été condamnés à des peines de prison ferme. En prononçant des condamnations allant jusqu’à dix ans de prison, la justice italienne inflige aux responsables tunisiens des peines comme s’ils étaient de véritables chauffards éméchés sur la route. Et encore, on s’interroge si les ivrognes italiens du volant écopent de peines aussi lourdes !

Tamin'ny Alatsinainy 23 Martsa, namoaka didim-pitsarana momba ny raharaha fianjeran'ny fiaramanidina ATR [5] an'ny zotram-piaramanidina Toniziana, Tuninter ny fitsarana Italiana ao Parlemo. Henjana dia henjana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana Italiana ary hita fa sambany tokoa! Tsy mbola nisy teo aloha tompon'andraikitra amin'ny zotram-piaramanidina voasazy higadra. Amin'ny fanomezana sazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina, nanasazy ireo Toniziana ny fitsarana Italiana araka ny fiheverana fa mamo izy ireo raha nitondra ny fiaramanidina. Koa mipetraka ny fanontaniana raha iharan'ny sazy henjana toy izany ny Italiana mamo eo am-panamoriana!