- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Loharano 5 ho an'ny Olontsotra Mpanao Gazety

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2014)

Raha mbola tsy naheno ny momba ireto ianao, indro misy lisitranà loharano vaovao (ny ankamaroany) izay mety hahatonga anao hieren-doza sy ho azo ianteherana kokoa…

Screen shot 2014-04-14 at 14.30.34

1. Fitaovana SaferJourno: Loharano Niomerika ho an'ireo Mpampiofana momba ny Haino Amanjery [1]

Vao navoakan'ny Internews [2] vao haingana ity PDF afaka sintonina malalaka  ity (Creative Commons), izay mitodika amin'ireo mpampianatra ary maodely tsara koa ho an'ireo izay mikasa ny hianatra fotsiny ny fomba hahalasàna ho mpanao gazety hieren-doza kokoa. Ifantohan'io fitaovana io ny: fanombanana ny loza mety hiseho, fiarovana amin'ny rindrambaiko mpisompatra sy fiarovana fototra, fiarovana ny angon-drakitra, fikarohana azo antoka, fiarovana ny imailaka, ary fiarovana ny finday.

2. Mitatitra momba ny Krizy amin'ny lafiny Maha-olona [3]

Ity boky azo sintonina maimaimpoana avy amin'ny ReliefWeb [4] sy ny Internews ity dia fitarihana sy torolàlana ho an'ireo mpiasa, mpitatitra, ary mpampianatra amin'ny sehatry ny maha-olona ho fanampiana azy ireo hampitombo ny fifandanjàna anatin'ny fanaovana tatitra. Ahitàna fanazarana ho an'ny fampianarana maro izany sady manana fizaràna manazava ireo valinteny matetika mitranga ao anatinà krizy amin'ny lafiny maha-olona, ary miresaka momba ny fiarovana sy ny fandriampahalemana.

vh

3. Torolàlana momba ny Fanamarinana [5]

Zava-baovao hafa nivoaka ity boky azo sintonina maimaimpoana nosoratanà mpanao gazety fara-tampony sy ireo media mpiara-miasa ity, manazava ny fomba andaminana ny votoaty avoakan'ireo mpampiasa anatinà toejavatra vonjimaika. Hazavaina ao anatiny ny antony maha-zava-dehibe ny fanamarinana – sy ny fomba fanaovana izany- isan'izany ny fanamarinana ny lahatsoratra, sary ary lahatsary.

4. Checkdesk avy amin'ny Meedan [6]

Tetikasa andalam-pivoarana mila jerena: Manampy amin'ny fampiroboroboana ny fanamarinana ho an'ny famokaram-baovao tarihin'olontsotra ao Afovoany Atsinanana ny Meedan, izay manamboatra ‘‘fitaovana fanoratana bilaogy mivantana tarihin'olontsotra [7] ankehitriny, tohananà andrana famoahana ny Checkdesh, ho an'ny gazety tsy miankina mpitarika ao Egypta, Al-Masry Al-Youm [8]” – ary hitarina tsy ho ela any amin'ny firenena sy toerana fanontàna hafa.

Screen shot 2014-04-14 at 14.31.265. Hetsipanentanana Ho An'ny Zon'ny Vehivavy: Fitaovana Fikatrohana ho an'ny Fampahalalam-baovao [9]

Avy amin'ny Tactical Tech [10], navoaka tamin'ny 2013 izy io fa mendrika ny haverina topazana maso, mamelatra ny fomba fanaovana hetsipanentanana tsotra amin'ny fomba niomerika sy malalaka. Anatin'izany ireo Fototra (mpamaky, hafatra, tambajotra…), Paikady (mitantara, mampihetsika, misintona ny saina, mifantoka amin'ny finday, printy, haino amanjery sôsialy, sns), Fitaovana, ary Ohatra. Mifantoka amin'ny zon'ny vehivavy daholo ny zava-drehetra.

(Mifandray amin'izany koa: Lahatsoratra vao navoakan'ny Witness mifantoka amin'ny fitaterana momba ny herisetra ara-nofo ary [11]ny torolàlana amin'ny fomba fanatanterahana izany [12])