- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Tsy noraharahian'ny fitsarana ny fitoriana manohitra ny sivana amin'ny facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nolavin'ny fitsarana Toniziana ny raharaha [1] manohitra ny sivana amin'ny Facebook, fitoriana izay napetrak'ilay [2] bilaogera sady mpanao gazety Ziad El Heni tamin'ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana [3] (ATI).

Manoratra amin'ny teny Arabo, nitatitra ny Journaliste Tunisien [1], izay nametraka ny fitoriana hoe:

أصدرت الدائرة الثالثة بمحكمة ناحية تونس برئاسة السيدة وريدة الغربي حكمها برفض الدعوى المرفوعة ضد الوكالة التونسية للانترنت بسبب حجبها موقع “فايس بوك” الاجتماعي العالمي.
الحكم الصادر في القضية عدد 68787 بتاريخ 25 نوفمبر 2008 الجاري، التي رفعتها ضدّ “عمّــار 404″ احتجاجا على عمليّات الحجب غير القانوني، لم يتضمّـن أيّ تعليل؟

Ny Fitsarana Distrika Fahatelo ao Tonizia, izay tarihin'ny mpitsara Ruwaida Al Gharbi, dia nanaisotra ny raharaha hanenjehana ny ATI [3]  noho ny fanakanana ny tranokalan'ny tambajotra sosialy Facebook.

Tsy nahitana fanazavana ny didim-pitsarana laharana faha-68787 tamin'ny 25 Novambra 2008, izay napetrako ho fanoherana ny sivana tsy ara-dalàna.

Navoaka ity didim-pitsarana ity taorian'ny fitsarana [4] nahemotra in-telo. Nangatahana ihany koa ny mpitory mba handoa ny lany rehetra tamin'ny raharaham-pitsarana.

Na dia teo aza izany disadisa izany, nandresy tamin'ny firaisan'izy ireo manohitra ny sivana  [5]sy ny andro nasionaly ho an'ny fahalalahana mibilaogy  [4]ireo mpisera Facebook sy bilaogera Toniziana .