- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Ny herinandro an-tsary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 3 Jolay 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Amin'ny fahatongavan'ny hafanan'ny lohataona, nandeha feno hery ny bilaogera Maraokana miteny Anglisy, araka ny hita amin'ny isan'ireo sary navoaka tao anatin'ny herinandro. Noho izany, handehandeha manerana an'i Maraoka amin'ny alàlan'ny sary isika .

Ny fampidirana ny fanatanjahanten'ny ranomandry ao Maraoka (saingy ao amin'ny Tsenambarotra Goavana ao Rabat ihany) no tranga vaovao mahaliana iray, izay taterin'i Braveheart-does-the-Maghreb [1] eto:

Curling in Morocco [2]

Amin'ity lohahevitra ity, hoy ilay bilaogera hoe, “Mbola tsy azoko an-tsaina mihitsy izany.”

Nizara ny sarin'ny hotely kely manokana iray izay raha araka ny fijeriny dia somary toy ny haute hodgepodge ilay Maraokana Maryam ao amin'ny My Marrakesh [3]:

Soundouss Dining Room [4]

Miala avy ao an-drenivohitra mahafinaritra Rabat [5] isika ho any ho any amin'ny faritra ambanivohitra Maraokana, izay nizaran'ny mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps sy ilay bilaogera Samuel Gunter avy ao amin'ny Life Called [6] ireo sarin'ny fantsakana iray tao an-toerana:

img_1529.jpg [7]

Nizara ny sarin'ny diany tany Marrakesh [5], iray amin'ireo tanàndehibe malaza indrindra ao Maraoka ilay bilaogera Four Continents [8]- nataon'i Djemaa al Fna [9] tena niavaka , izay nangalana ity sary ity:

Hijabin by Four Continents [10]

Hoy ilay bilaogera hoe:

Having adopted Fes as my home base, I expected to dismiss touristy Marrakech as a Disney-fied sellout, check it off my “been there, done that” list and return to my (obviously superior) town. Thankfully, the reality was more fun than that – Marrakech has made its concessions to the visitors but it's still very Moroccan also, and I enjoyed spending two days lost in its medina – and could have stayed longer.

 

Rehefa nataoko ho toeram-ponenako i Fes, nieritreritra ny hanao mpizahatany ao Marrakech aho rehefa tapitra ny tapakila tao amin'ny toerana Disney, nanala izany tao anaty lisitra tokony ho “halehako, efa vita” aho ary niverina nankany amin'ny tanàndehibe-ko (mazava ho azy fa ambony kokoa). Soa ihany fa nahafinaritra kokoa noho izany ny zava-misy – Efa be fandeferana i Marrakech hahazoana mpitsidika saingy mbola tena Maraokàna ihany koa izany, ary nahafinaritra ahy ny nandany roa andro nijanona tao amin'ny medina – ary naniry ny hijanona ela kokoa aho.

Ny Riandranon'i Ouzoud no fiatoantsika farany amin'ny fitsidihana, izay tsy lavitra loatra an'i Marrakesh, ary nentin'i Rachel ao amin'ny Musings from Morocco [11] ho antsika ny sary.

Cascades from Below by Rachel Beach [12]

ducksinarow.JPG [13]