Rosia: Bilaogera maty tany an-tendrombohitr'i Elbrus

(Marihina fa tamin'ny 19 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Aleksandr AntonovAleksandr Antonov (aka mpisera LJ caesar_rb)
1979-2006

Lahatsoratra faly dia faly ny lahatsoratra farany navoakan'i Aleksandra Antonov tao amin'i LJ : handeha haka rivotra mandritra ny roa herinandro izy mba hizaha ny Tendrombohitr'i Elbrus. Toy izao no nosoratany tamin'ny 30 Aprily 2006, amin'ny maha mpisera LJ caesar_rb azy:

I'm going to Elbrus!

So, my dear comrades, I'm leaving LJ for the next two weeks today. Beer, vodka and women Mountains and fresh air await me. And yesterday we had banya [sauna] and shashlyk [barbeque], there was a family holiday in the evening, which lasted till 3 am. And I forgot to go to bed because at 3:40 I took an elektrichka [commuter train] to the capital 🙂

Bye bye to you all 🙂

I hope no one is going to un-friend me 😉

Ho any Elbrus aho!

Noho izany, ry namako isany, avelako mandritra ny roa herinandro aloha ny LJ. labiera, vodka sy ny vehivavy Miandry ahy ny tendrombohitra sy rivotra madio. Omaly, nanao banya [sauna] sy shashlyk [kitonotono] izahay, nisy ny fetim-panakaviana ny hariva, izay naharitra hatramin'ny 3 ora maraina. Ary adinoko ny nandeha natory satria naka elektrichka [fiarandalamby] mankany an-drenivohitra aho  tamin'ny 3:40 ora 🙂

Veloma ianareo rehetra.

Mino aho fa tsy misy olona hanala ahy tsy ho namany.

Ny 12 Mey 2006, nisy olona namoaka fanehoan-kevitra tamin'ity lahatsoratra ity, niaraka tamin'ny rohy mankany amin'ny tantara tao amin'ny gazety mpanala azy Rosiana momba ny vondrona mpihanika tendrombohitra roa (Rosiana sy Okrainiana) izay nanjavona tao Elbrus; nanonona ny anaran'i Aleksandr sy ny zandriny lahy, Nikolay (ilay hany sisa velona) ilay tantara.

Voalohany,  nisy ny tsi-finoana; ary avy eo nisy ny fahakiviana nifangaro fanantenana. Farany, nanomboka tonga ny teny fampiononana .

Efa nahatratra 285 ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsoratr'i Aleksandr farany: pejy miisa folo.

Ireto ambany ireto ny fifanakalozana niavaka izay nitranga tamin'ny 16 sy 17 May, namarana ny teny fampiononana:

ya_anka: He hasn't conquered the mountain peak… :'(

chealsea: He has.

ya_anka: But didn't come back.

chealsea: […] I still can't believe.

 

[…]

skvoznik: You can't conquer a mountain peak. The elements can either let you in or not. When you're standing at 4,000 meters and there are only mountains and the sky around, you are nothing but a tiny spot: one slight push and you cease to exist. No alpinist would say that he has “conquered” the Mountain…

chealsea: Very correct words…

volk: They were at the peak at 8 pm. No one can understand how that could happen. You start out towards the peak at night, and by 10 am you are there, and then you go down, and by 5 pm you are at the cableway […].

 

ya_anka : Tsy nahazo ny tampon'ny tendrombohitra izy …: ‘(

chealsea: Nahazo izy.

ya_anka : Kanefa tsy niverina intsony.

chealsea: […] Tsy mbola mampino ahy hatramin'izao .

[…]

skvoznik: Tsy afaka mizaha ny tampon'ny tendrombohitra ianao. Tsy mamela anao hanao izany na manao izany ny tontolo. Rehefa mijoro eny amin'ny 4.000 metatra ianao ary tsy misy afa-tsy tendrombohitra sy lanitra manodidina anao, dia tsinontsinona ianao fa zara raha toy ny teboka kely: raha vao voatosika kely fotsiny ianao dia vita ny aminao. Tsy misy mpihanika tendrombohitra afaka milaza fa “vitany ny nihanika” ny Tendrombohitra …

chealsea: Teny marina ireo teny ireo…

volk: Teny an-tampon-tendrombohitra izy ireo tamin'ny 8 ora hariva. Tsy misy mahalala ny mety ho zava-nitranga. Raha amin'ny alina ianao no manomboka mankany an-tampon-tendrombohitra dia tonga any amin'ny 10 maraina, ary midina ianao avy eo, ary amin'ny 5 ora hariva ianao dia eny amin'ny toerana misy ny télépherique […].

Indro ny ampahany tamin'ny lahatsoratra samihafa avy amin'ny mpisera LJ volk (Andrei Travin), ilay mpihanika tendrombohitra efa za-draharaha izay nandray anjara tamin'ny “fikarakarana ny dia antserasera” ho any amin'ny tendron'i Elbrus tamin'ny fahavaratry ny taona 2005:

Death vs Internet

On May 9, nine people died and two more disappeared on their way down from the peak of Elbrus. Sixty rescuers, including volunteers, took part in the search, and so far, some 389 journalists have written about it. […] They weren't writing this much about our expedition, even though the appearance of the Internet at Russia's highest point seems to be pretty newsworthy. But people are more interested in corpses.

[…]

Approximately 30 people die every year in the mountains of Russia; of them, ten or so die on Elbrus. This time Elbrus has gathered its annual norm in one serving. […]

Ny fahafatesana miady amin'ny Aterineto

Ny 9 Mey, olona sivy no maty ary roa hafa nanjavona teny an-dàlana ho any amin'ny tendron'i Elbrus. Mpamonjy miisa enimpolo , anisan'izany ireo mpirotsaka an-tsitrapo, no nandray anjara tamin'ny fikarohana, ary hatramin'izao, mpanao gazety miisa 389 no nanoratra momba izany. […] Tsy nanoratra betsaka momba ny fikarakarana ny dianay ry zareo, na dia toa mendrika ho an'ny fampitam-baovao aza ny fisian'ny Aterineto ao amin'ny taha ambony indrindra ao Rosia. Saingy  liana kokoa amin'ny faty ny olona.

[…]

Olona 30 eo ho eo no maty isan-taona any amin'ireo tendrombohitr'i Rosia; tamin'izy ireo, folo teo ho eo no maty tany Elbrus. Tamin'ity indray mitoraka ity, nanangona ny mahazatra azy isan-taona tamin'ny asa iray i Elbrus . […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.