Tonizia: Mpianatra mpikatroka mitokona tsy hihinan-kanina mba ho tafaverina hianatra ao amin'ny oniversite indray

(Tsara ny manamarika fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toniziana 158 sy ny naman'izy ireo avy amin'izao tontolo izao no mitokona tsy mihinan-kanina mandritra ny tontolo andro androany (26 Martsa) ho firaisan-kina amin'ireo mpianatra dimy izay nitokona tsy nisakafo nanomboka tamin'ny 11 Febroary ao Tonizia.

Narindra tao amin'ny vondrona Facebook iray ny hetsika ho toy ny endrika saimbôlika fanohanana ny mpianatra, izay mpikambana ao amin'ny Sendikan'ny Mpianatra Toniziana (UGET), ary naaton'ny oniversite noho ny fikatrohan'izy ireo tao amin'ny tobim-pianarana.

Araka ny filazan'ny vondrona Facebook:

Des etudiants en grève de la faim depuis le 11 février pour le droit aux études. Soutenons les et faisons une grève de la faim d un jour !

L'Union Générale des Etudiants de Tunisie (UGET) est confrontée depuis plusieurs années à une politique de persécution systématique de la part du pouvoir tunisien… Les jeunes syndicalistes de l'UGET sont régulièrement harcelés, tabassés, terrorisés et torturés au cours de gardes à vue en dehors de toute légalité. La police a recours à toutes sortes de violences pour obliger les responsables syndicaux à démissionner de leurs fonctions, à trahir leurs camarades et à abandonner toute action militante.
Des policiers armés gardent les entrées et arpentent les couloirs des universités depuis de nombreuses années (plus précisément depuis que Ben Ali a été désigné premier ministre du temps de Bourguiba). Voila maintenant plus de 23 ans que ces policiers, corps étranger à tout savoir et à tout enseignement, persécutent les étudiants tunisiens pour les empêcher de coller des affiches, tenir des rassemblements ou des meetings exprimant leurs revendications.
Pourtant une telle violence n'a nullement de justification. Les jeunes syndicalistes de l'UGET ne s'engagent que dans des actions pacifiques non violentes. Ils organisent souvent ces actions pour réclamer l'amélioration de leurs conditions d'études et de vie, le développement de la qualité de leur enseignement ou l'ouverture de nouvelles perspectives post-universitaires d?embauche et de recrutement. L'UGET s'engage aussi régulièrement, à côté du reste des forces démocratiques, dans la défense des libertés politiques. Il se réclame de ceux qui soutiennent les luttes sociales justes des tunisiens. Ses militants n?épargnent jamais leurs efforts quand il s'agit de solidarité avec les causes des peuples arabes et notamment celle du peuple Palestinien. Ce sont ceux là, les torts des militants de l'UGET, aux yeux d'un pouvoir dirigé par l'arbitraire et le non respect des libertés syndicales.
Le 11 février 2009, quatre militants et responsables syndicaux de l'UGET ont entamé, dans le seul et minuscule local de l'organisation 19 Rue Naplouse à Tunis, une grève de la faim illimitée. Ils exigent le droit de poursuivre leurs études supérieures et réintégrer leur faculté après avoir été injustement exclus, suite à des conseils de discipline à cause de leur engagement et de leur activité syndicale.

Andro fitokonana tsy hihinan-kanina ho firaisankina amin'ireo mpianatra Toniziana nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka ny 10 Febroary 2009.

Niaritra famoretana hatrany nataon'ny manampahefana Toniziana ny Sendikan'ny mpianatra Toniziana (UGET), nandritra ny taona maromaro,… Matetika iharan'ny herisetra, daroka, fampihorohoroana sy fampijaliana ireo tanora sendikalista UGET, no sady tsy misy fanajana ny lalàna rehefa tazonin'ny polisy. Nampiasa herisetra isan-karazany ny polisy mba hanery ireo mpitarika sendikaly hametra-pialana, hamadika ny naman'izy ireo sy hiala amin'ny fikatrohana. Ambenan'ireo polisy mitam-piadiana ny fidirana sy ny lalantsara ao amin'ny oniversite nandritra ny taona maro (na raha ny marina kokoa hatramin'ny nanendren'i Bourguiba ny praiminisitra Ben Ali). Manenjika ireo mpianatra Toniziana nandritra ny 23 taona mahery ireo polisy, izay fantatra fa vahiny avokoa, mba hanakanana azy ireo tsy hametraka afisy, tsy hanao fivoriana sy famoriam-bahoaka hanamafisana ny fitakian'izy ireo.
Tsy misy fanamarinana anefa ny herisetra toy izany. Manao fihetsiketsehana tsy misy herisetra ireo mpianatra UGET, mba hitakiana fanatsarana ny fari-piainan'izy ireo sy ny fepetran'ny fanabeazana, na ny fanokafana faravodilanitra vaovao aorian'ny fianarana oniversite hidirana hiasa na hampiditra olona vaovao… Miray hina hatrany amin'ireo hery demaokratika ihany koa ny UGET, amin'ny fiarovana ny fahafahana ara-politika. Milaza ho manohana hatrany ny tolona ara-tsosialy toniziana ara-drariny ry zareo. Tsy mitandro hasasarana ry zareo raha vao resaka firaisankina amin'ny vahoaka Arabo, indrindra amin'ny vahoaka Palestiniana. Ireo no fahadisoan'ny UGET eo imason'ny fahefana feno tondro-molotra sy tsy manaja ny fahafahana ara-tsendikaly.
Ny 11 febroary 2009, mpitarika sendikaly efatra ao amin'ny UGET no nanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina tsy manampahataperana, tao amin'ny toerana tokana sady bitika ao amin'ny 19 Lalana Naplouse ao Tunis. Mitaky ny zony hanohy ny fianarany eny amin'ny anjerimanontolo izy ireo ary haverina hiverina any amin'ny sekoliny rehefa nesorina tsy ara-drariny, taorian'ny filankevi-pitsipi-pitondratena noho ny fidiran-dry zareo lalina amin'ny hetsika ara-tsendikaly.

Ali Bouzouzeya, Taoufik Louati, Aymen Jaabiri, Mohamed Boualleg, ary Mohamed Soudani ireo mpianatra dimy ary nitokona tsy hihinan-kanina izy ireo mba hitaky hiverina hianatra any am-pianarana.

12117555jpg-etudiantsgrevefaim1102009-jpg

Mandritra izany fotoana izany, dia ataon'ny polisy izay hanakanana ny olona te-hanohana ireo mpianatra ireo tsy hiditra ao amin'ny toerana misy ny UGET ahitana ny mpianatra mitokona tsy hihinan-kanina, araka ny hita amin'ny lahatsary etsy ambony.

Ankehitriny, tao anatin'ny 43 andro nitokonana tsy hihinan-kanina izay, miharatsy ny fahasalaman-dry zareo ary ahiana ny ainy. Efa imbetsaka ry zareo no nentina nirohotra teny amin'ny hopitaly ary nandidy azy ireo ny dokotera hampitsahatra ny fitokonana tsy hihinan-kanina. Saingy mbola mikiry amin'ny fanohizana izany ry zareo mandra-pahazoan-dry zareo alalana hiverina eny amin'ny oniversite. Na eo aza izany dia tsy mihevitra ny hiova hevitra mihitsy ny manampahefana toniziana.

Inona no hitranga manaraka? Hiandry ny fahafatesan-dry zareo ve ny governemanta vao hiditra an-tsehatra? Ny fotoana ihany no ahafahana mamaly izany fanontaniana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.