Madagasikara: mbola mijoro ny bilaogera na dia teo aza ny andiana toe-javatra mampalahelo….

(Marihina fa tamin'ny 23 Febroary 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Arahabaina ny rehetra,

Ity no lahatsoratro voalohany tao amin'ny Global Voices. Tsara vintana aho ary tena faly fa afaka mizara aminareo ny fomba fijerin'ny tontolon'ny bilaogy malagasy. Indrisy anefa fa nampalahelo ny vaovao avy taty  Madagasikara. Ny fiantraikany ratsy tamin'ny andiana rivodoza farany teto Madagasikara no lohahevitra lehibe momba ny adihevitra tamin'ny tranonkalan'ny Malagasy  :

cyclones hjk (Natolotr'i Harinjaka)
“Ireo andiana tranga mampalahelo”

Hoy i Harinjaka nanoratra :

“Deux cent quarante deux millions huit cent soixante deux milles et trois cent cinquante trois Dollars US (242.862.353 USD) c’est l’argent qu’il faut à l’état malgache pour réparer les dégâts du Cyclone pour cette saison 2006-2007 selon ce communique officiel que j’ai lu aujourd’hui sur le site du ministère des Affaires Etrangère Malgache.
En effet, suite au passage de cyclones successifs depuis le mois de décembre 2006 au mois de janvier 2007, plusieurs régions de Madagascar se trouvent dans un état dramatique…”

Telo ambiny dimampolo sy telonjato sy roarivo sy enina alina sy valo hetsy sy roa ambiny efapolo sy roanjato lavitrisa dolara (242.862.353 $). Io no vola nilain'ny governemanta Malagasy mba hanarenana ny fahasimbana rehetra avy amin'ny rivodoza tamin'ny taona  2006-07 araka ny tatitra ofisialy tamin'io andro io avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy. Izany hoe, taorian'ny rivodoza nifanesy izay nandalo teo anelanelan'ny 06 Desambra ka hatramin'ny 07 Janoary, dia maro ireo faritra teto Madagasikara no rava…

Ankoatra izay, nanontany i Harinjaka raha mbola misy ny fisalasalana fa tsy misy ifandraisany amin'ny fiakaran'ny hafanana manerantany ity fanafihana tampoka avy amin'ny “Ramatoa Natiora” tao amin'ny “Nosy Mena” ity. Nanamafy ny vokatry ny rivodoza ihany koa i Aiky ary nanontany tena raha mbola hisy ny rivodoza ratsy kokoa ho avy . Raha hisy ny rivodoza iray hafa dia nilaza izy hoe:

“les écoles fermeront comme d'habitude, le cours du riz flambera, le prix des ppn augmentera temporairement, les produits risqueront de disparaître du marché, les spéculateurs gagneront du terrain.”

Hikatona toy ny mahazatra ny sekoly, hiakatra ny vidin'ny vary toy ny vidin'ny vokatra hafa tena ilaina, mety tsy hisy intsony ny vokatra hafa ary hahazo tombony ny mpijirika.

Indrisy anefa fa tsy ireo ihany no vaovao mampalahelo avy teto Madagasikara tao anatin'ny volana vitsivitsy lasa : ny hain-tany tany amin'ny faritra atsimo (maneso eto ny tondra-drano tany amin'ny faritra atsinanana sy afovoan-tany tao amin'ny firenena) , ny fandripahana ala mitohy araka ny asehon'i Tattum  sy ny tanànakely may iray manontolo araka ny nitatitra nataon'i Tomavana (Mg).

“Mbola eto, mbola mamahana bilaogy”

Na izany aza,  tsy mila fangorahana ireo bilaogera Malagasy. Ny fikirizana no teny ilaina. Noho izany, nanamafy ny fisiany izy ireo tamin'ny alàlan'ny fankalazana ny tantarany , namerina nijery  ireo toetra nampiavaka ny mari-panondroana azy ireo (ao amin'ny Malagasy Miray) ary namoaka hevitra vitsivitsy  izay mety hanampy an'i Madagasikara hiala amin'ny olana ara-toekarena amin'izao fotoana (vakio ny ” shadow gasy “).

Nankafy ny tombontsoan'ny famahanana bilaogy mihitsy aza izy ireo rehefa misy ny olo-malaza mba haneho hevitra ….

Koa, “Veloma” vetivety ary manantena ny hihaona aminareo tsy ho ela,

Lova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.