Ny Amboarampeo Virtoaly: Teknolojia, fiaraha-miasa ary mozika

(Marihina fa tamin'ny 27 Martsa 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

music texture by karenthephotog CC-By

solfezin-kira avy amin'i karenthephotog CC-By

Ilay mpamoron-kira Eric Whitacre , rehefa nahita ny lahatsary Youtube nampiseho ny tanora mpihira soprano iray mihira ny hira hoe “Sleep” dia nanontany tena hoe: nahoana moa raha miantso olona izy, na aiza na aiza misy azy ireo eto amin'izao tontolo izao, mba handrakitra ireo andiany hafa ny amin'ny amboarampeo a capella (tsy miaraka amin'ny mozika)? Nataony izany ary ho hitanao manaraka eto ny vokatra samihafa tamin'ity andrana goavana tamin'ny fiaraha-miasa antserasera izay niarahany tamin'ny Amboarampeo Virtoaly ity.

Tsy ny dingan'ny famerenana farany tamin'ny tetikasa ihany no nohazavainy tao amin'ny How We Did It fa ny  andrana mialoha tamin'ny fanatontosana ny amboarampeo virtoaly ihany koa. Sambany izy no nangataka ireo mpihira mba hividy ny feo mozika manokana ary nihira niaraka tamin'ny a capella (tsy misy fitaovana miaraka aminy). Scott Haines, izay vao indray mandeha no nihaona taminy , dia nanolo-tena ny hanao fanitsiana ilay lahatsary. Indro ny vokatra:

https://youtube.com/watch?v=Z1h3Tf26TcA

Faly tamin'ny vokatra, nanapa-kevitra ny hamerina izany indray izy, saingy vao maika nahavita mihoatra ny traikefan'ny amboarampeo tamin'ity indray mitoraka ity:

So this time, I made my own conductor track, filming it in complete silence, hearing the music only in my head. Then I watched the video and played in the piano accompaniment part to my conductor track… Then I offered the sheet music as a free download. As singers began posting their individual tracks, I called for ‘auditions’ for the soprano solo.

Tamin'ity indray mitoraka ity, nanao ny feonkirako manokana aho, nandrakitra izany tao anaty fahanginana tanteraka, nihaino ny mozika tao an-dohako ihany. Avy eo, nojereko ny lahatsary ary nitendry piano niaraka tamin'ilay feonkirako manokana … Ary nomeko maimaim-poana ny taratasin-kirako (solfezy). Raha nanomboka namoaka ny feonkirany manokana ireo mpihira dia nanao ‘fiantsoana’ ho an'izay hihira soprano olo-tokana.

Mampiseho ny torolàlana nalefan'i  Eric Whitacre ho an'ny mpandray anjara rehetra ity horonantsary manaraka ity. Tafiditra tao anatin'izany ny torohevitra momba ny fomba hanatanterahana ilay seho, ny fanazavana momba ny fandraketam-peo mavitrika sy ny mozika izay itarihany ny amboarampeo:

Ho an'ny amboarampeo virtoaly, olona miisa 128 no nisolo tena ny firenena miisa 12 samihafa, anisan'izany i Arzantina, Nouvelle Zélande, Filipina, Singapaoro ary Espaina, nandefa hira miisa 243 izy ireo izay nandrafitra ny hiran'ny amboarampeo Lux Aurumque ary mbola i Scott Haines ihany no nanampy tamin'ny famokarana izany.

Izao no nosoratan'i Mr. Whitacre momba ny vokatra farany:

When I saw the finished video for the first time I actually teared up. The intimacy of all the faces, the sound of the singing, the obvious poetic symbolism about our shared humanity and our need to connect; all of it completely overwhelmed me. And it must be said that a lot of the credit for it’s beauty should go to Scottie Haines, who spent untold hours editing and polishing the video. (BTW, Scottie and I have never met only met once in the ‘real world’, unlike 99% of the Virtual Choir, whom I’ve never ‘met’).

Tena talanjona aho rehefa nahita ny horonantsary vita farany. Ny fifandraisan'ireo tarehy rehetra, ny feon'ilay hira, ny poezia saimbôlika miharihary momba ny maha-olombelona ifampizarana ary ny filantsika hiserasera; tena nahatretrika ahy tanteraka izany rehetra izany. Ary tsy maintsy miteny aho fa tokony ho an'i Scottie Haines ny andraikitra nahavitana azy, izay nandany ora maro tamin'ny fanitsiana sy ny fanatsarana ny lahatsary. (Izany eo ihany, indray mandeha ihany izaho sy i Scottie no nihaona tao amin'ny ‘tontolo tena izy’, raha oharina amin'ny 99% tamin'ny Amboarampeo Virtoaly, izay tsy mbola ‘nihaona’ tamiko hatrizay).

Antenaina fa mbola hihamatanjaka hatrany ny Amboarampeo Virtoaly!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.