- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Maro an'isa ny tanora. Miaina vanim-potoana vaovao isika, ary fotoananay izao.”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Enrique Franco. Saripikan'i El Churo.

Iangavian'ny Tetikasa Reframed Stories [1] ny olona hamaly ireo lohahevitra sy olana mahazo vahana amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Ireny tantara ireny dia taratry ny eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena any amin'ny fampitam-baovao. Najoro tamin'ny fampiasàna ny sehatra Media Cloud [2] ny zavon-teny, fitaovam-pandalinana lahatahiry io hanadihadiana ireo amboaran-tsehatra famoahambaovao mandritra ny vanim-potoana iray voafaritra, ahafahan'ireo mpandray anjara mandinika sy mifanakalo hevitra momba ireo tsikaritra savaranonando hijerena izay mety itazanana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao. Mailo ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa ho solon'izany, io no toerana iaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolan-dry zareo ny itazanana an-dry zareo ao amin'ny famoaham-baovao amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Enrique Franco dia mpikambana ao amin'ny Centro de juventudes de Esmeraldas [3] (Foiben'ny tanoran'i Esmeraldas), fifandaminana iray mandala ny zon'olombelona ao Esmeraldas, Ekoadaoro izay miasa miaraka amin'ny kilonga, tanora, ary ny vondrom-piarahamonina LGBTI. Iray amin'ny asany voalohany ny fandaharana mandeha isan-kerinandro ao amin'ny radio antsoina hoe La Calle Habla [4] (Tafatafa an-dalambe), toerana iray ifanakalozan-kevitra sy iadiana hevitra amin'ireo olana atrehin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Ny manaraka etoana dia dika an-tsoratra amin'ny fandraisam-peon'ny fanadihadian'i Enrique’ amin'ny zavon-tenin'ny “joven” (tanora).

Voambolana nibahan-toerana avy amin'ny lahatsoratra 8.811 nivoaka tanelaneran'ny Janoary 2017 sy Avrily 2018 hita niaraka tamin'ny fanononana ny “joven” (tanora) tao amin'ny angona Media Cloud miisa efatra avy amin'ny sehatra famoaham-baovao miteny espaniola ao Ekoadaoro. (Jereo lehibe kokoa ny sary [5])

Ahoana ny teny nanintona anao indrindra?

La palabra que yo escogí fue ‘joven’. Escogí la palabra joven porque me parece algo de impacto, ya que la juventud es mayoría, ya que estamos viviendo la nueva era y es nuestra época.

Ny ‘tanora’ no zavonteny nosafidianako. Nosafidianako ny voambolana ‘tanora’ satria manana fiantraikany izany ary ny tanora no maro an'isa. Miaina amin'ny vanim-potoana vaovao isika, ary fotoananay izao.

Araka ny zavon-teny, ahoana ny isehoan'ny tanora ao amin'ny famoaham-baovao?

Salieron muchas palabras, aquellas tenían a acusar a los jóvenes, no dar un realce y mucho menos a gratificar su aporte en la sociedad.

Una de las palabras que más me llamó la atención fue la palabra ‘falleció’. En realidad los medios enfocan las palabras que actualmente la sociedad considera que es un tabú, porque son temas muy hablados que supuestamente se consideran, actualmente, problemas. Porque en realidad acusan a la juventud como un problema, personas que no dan un aporte a la sociedad y que en realidad no sirven.

Voambolana maro no mipoitra, voambolana miampanga ny tanora, manaisotra fandrisihana ary mandà izay mety ho fankatoavana ny fandraisan-dry zareo anjara amin'ny fiarahamonina.

Iray amin'ny nanintona ny fifantohako ny voambolana “maty.” Ny marina, mifantoka amin'ny voambolana izay heverin'ny fiarahamonina ho fady ny famoaham-baovao satria ireny no lohahevitra resahana betsaka sy lazaina ho olana mitranga amin'izao fotoana izao. Ny zavamisy, miampanga ny tanora ho olana ry zareo, olona tsy mandray anjara hanabe voho ny fiarahamonina ary tsy mendrika.

Ahoana ny tokony itazanana ny tanora ao amin'ny famoaham-baovao?

Las palabras que creo yo que deberían estar serían la inclusión, el aporte de los jóvenes en la sociedad y la nueva juventud política.

Mihevitra aho fa tokony ho tazana ao amin'ny famoaham-baovao ny voambolana tahaka ny tsianavahana, fandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiarahamonina, ny politika vaovaon'ny tanora.

Inona avy ny voambolana tokony miaraka amin'ny “tanora” ao amin'ny zavon-teny?

Aporte, nueva generación, inteligencia, además también pondrían los nuevos logros.

Fandraisana anjara, taranaka vaovao, faharanitsan-tsaina, ary zavabita vaovao ihany koa.

Ity dia ao anatin'ny andiany Rising Frames narafitra tamin'ny fiarahamiasa akaiky tamin'ny fikambanana El Churo [6] ao Quito, Ekoadaoro. Nikarakara atrikasa ry zareo tao Esmeraldas tamin'ny 4 mey 2018 izay nampiray toerana ireo solontena avy amin'ny fikambanana sy vondrona samihafa mba handinika ny fomba itazanana an-dry zareo na ny lohahevitra tandrovin-dry zareo ao amin'ny angona media Ekoadaoreana ary hamorona tantara ho setrin'izany fitazanana izany.