Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.
Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.
Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 28 May ka hatramin'ny 3 Jona 2018.
Aiza eto amin'izao tontolo izao no ahitana ireo mpamaky ny Global Voices?
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 206 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices:
1. Etazonia
2. Arzantina
3. Brezila
4. Japana
5. Frantsa
6. Taiwan
7. Meksika
8. Espaina
9. Kolombia
10. Pero
11. Emira Arabo Mitambatra
12. Italia
13. Hong Kong
14. Bangladesh
15. Alemaina
16. Fanjakana Britanika
17. India
18. Kanada
19. Rosia
20. Oman
Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator avy ao amin'ny Random.org ary hanao topi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:
105. Kyrgyzstan
154. Andorra
26. Tanzania
117. Togo
189. Chad
Global Voices amin'ny teny anglisy
Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:
1. Mahavita mivazivazy mikasika ny fifanolanana fametahan'anarana amin'ny Gresy ny Makedoniana
2. Nahoana no maha Afrikana Tavaratra ny Afrikana ?
3. Niteraka hetsi-panoherana tany Nepal ny nanomezana anarana labiera soisa avy amin'ny anaran'ny mpanjaka farany
4. Mandrisika ny governemanta vaovao ao Malezia hanatanteraka fanavaozana amin'ny media
5. Iza ireo gadra politika ao Shina? Ilay vinavinaina ho mpiaro ny zon'olombelona , 29 taona taorian'ny Tiananmen
Global Voices Lingua
Ny Lingua dia tetikasa iray handikanteny ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ireo tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.
Arabo
- الاستفتاء الدستوري البوروندي يكشف عمق المشاكل السياسية (“Maneho ny olana ara-politika lalina ny fifanolanana tamin'ny fitsapan-kevibahoaka momba ny lalàm-panorenana tao Burundi”)
Bangla
- নেলসন ম্যান্ডেলার ১৭টি জ্ঞানগর্ভ উক্তি যা সকলের পাঠ করা উচিৎ (“Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Katalana
- La tribu amazònica dels Matsés crea una enciclopèdia de medicina tradicional (“boky rakipahalalana momba ny fitsaboana nentim-paharazana misy pejy 500 an'ny foko Amazona,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2015)
Shinoa (notsorina)
- 一名身穿「『习』特勒」T恤的中国活动人士被捕失踪 (Tsy Hita Nanjavonana Tao Amin'ny Nitazonana Azy Ilay Shinoa Mpikatroka Nanao T-Shirt ‘Xitler’)
Shinoa (nentim-paharazana)
- 以色列-這個曾是世上最乾燥的國家,現在正水流四溢 (“Israely, Iray amin'ny Firenena Makiana Indrindra Manerantany, Tondraka Rano Ankehitriny,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Tseky
- Orwellovská dystopie‘, či důvěryhodný stát? Zjistěte více o čínském systému sociálního kreditu (“‘Nofinofy Orwellian’ sa firenena azo itokisana? Fantaro ny zava-misy ao amin'ny rafitra ara-tsosialy ao Shina,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Holandey
- Wereldwijd: Ramadanwensen (“Maneran-tany: Kisarisarin'ny Ramadany” nivoaka tamin'ny taona 2010)
Farsi
- فیلمی که تجارت سکس کودکان را در ماداگاسکار افشا کرده است. (“Madagasikara : Lahatsary mampiseho fivarotana ankizy hanao firaisana ara-nofo” nivoaka tamin'ny taona 2013)
Frantsay
- Nelson Mandela : 17 citations à se remémorer pour apprécier sa sagesse (“Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Alemà
- Israel, eines der trockensten Länder der Welt, hat nun Wasser im Überfluss (“Israely, Iray amin'ny Firenena Makiana Indrindra Manerantany, Tondraka Rano Ankehitriny,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Grika
- 17 σοφές φράσεις του Νέλσον Μαντέλα που όλοι πρέπει να διαβάσουν (“Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Hindi
- जापान: समुच्चय आंधी जानकारी पर ओपन स्ट्रीट मैप (मुक्त सड़क नक्शे) (Japana; Mampiantrano vaovao momba ny rambondanitra ny OpenStreetMap,” nivoaka tamin'ny taona 2013)
Indoneziana
- Apakah Taiwan Sebuah Negara, Pulau Merdeka, Wilayah yang Memisahkan Diri, atau Sebuah Provinsi di Tiongkok? (“Firenena ve i Taiwan, sa nosy mizakatena, sa zaratany na faritanin'i Shina misintaka?” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Italiana
- America Latina: la piaga del lavoro minorile (“Amerika Latina: Ny olana momba ny fampiasana ankizy – fizarana voalohany,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2009)
Japoney
- 誰もが知るべきネルソン・マンデラの17の知恵 (“Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Kiorda
- عێراقیەکان داوا لە حکومەت دەکەن یارمەتی ماڵی ھەتیوانی لەسەر ھونەر دامەزراو بدەن (“Antson'ny Irakiana ho an'ny Governemanta Hanampy Trano Fitaizana Zaza Kamboty Iray Mifototra amin'ny Zavakanto,” nivoaka tamin'ny 2017)
Makedoniana
- Малезија: Која е вистината за палмовото масло? (“Malezia; inona no tena olan'ny menaka voanio?” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2010)
Malagasy
- Dôsie Tafaporitsaka Mampiseho Fa Sary Miboridana No Takalon'ny Vola Indramin'ny Tovovavy Ao Shina (Nivoaka tamin'ny taona 2016)
Nepali
- बिटकोइन, ट्यूलिप र नाइजेरियन सेयर बजारमा के समानता छ (Inona no itovian'ny Bitcoin, ny firohotana tamin'ny voninkazo Tulipe ary ny tsenambola Nizeriana”)
Poloney
- Prawa Kobiet w Pakistanie (Ny Zon'ny vehivavy any Pakistana,” nivoaka tamin'ny taona 2010)
Portiogey
- Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fiarovana ny fomban-drazana “Sarony ny vatana” mampifandray ireo fomban-drazana ara-pivavahana isan-karazany any Brezila,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Punjabi
- ਕੁਝ ਇਰਾਕੀ ਲੋਕਾਂ ਨੇ ‘ਵਿਅਰਥ’ ਚੋਣਾਂ ਦਾ ਬਾਈਕਾਟ ਕੀਤਾ, ਤਾਂ ਦੂਸਰਿਆਂ ਨੇ ਪਾਰਲੀਮੈਂਟ ਨੂੰ ਬਦਲ ਦੇਣ ਲਈ ਵੋਟ ਪਾਈ (Fifidianana Any Iràka : Ny Sasany Manao Ankivy Ny Fifidianana ‘Tsy Misy Dikany’, Ny Hafa Mifidy Hanozongozonana Ny Parlemanta)
Romaniana
- 14 filme interzise în Iran din 2007 (Ireo sarimihetsika miisa 14 izay norarana tao Iran nanomboka tamin'ny taona 2007,” nivoaka tamin'ny taona 2015)
Rosiana
- 10 африканских блюд, которые каждый должен попробовать (Ireo sakafo miisa 10 avy any Afrika Atsimon'i Sahara tian'ny olona handramana,” nivoaka tamin'ny taona 2014)
Serba
- Malezija: Uputstva roditeljima o tome kako prepoznati homoseksualce i lezbejke (“Malezia: Torohevitry ny ray aman-dreny amin'ny fomba hamantarana ny pelaka sy ny sarin-dahy,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2012)
Espaniola
- La mascota del Mundial de Fútbol Rusia 2018 tiene un nombre gracioso que nadie entiende (Manana Anarana Mahatsikaiky Ny Sarim-Biby Famantarana Ny Mondialy 2018 Ao Rosia Ary Tsy Azonao Akory Aza Izany,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
Swahili
- Hekima 17 za Nelson Mandela Zinazofaa Kusomwa na Kila Mmoja (“Tenim-pahendrena 17 Avy Amin'i Nelson Mandela Tsara Vakian'ny Rehetra,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013)
Urdu
- افغانستان کی ان دیکھی تصاویر (“Mizara Saripika Mbola tsy Hitanao Mihitsy Mikasika An'i Afganistana,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2012)