Tafahaona nanao meet-up tao Lyon ny mpikambana folo tamin'ny Global Voices frantsay-faneno, na ireo mpandika lahatsoratra izany na ireo mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratra, tamin'ny 26 sy 27 mey 2018. Fotoana izany nanaovana tamberina ireo antony nampivondrona anay tamin'ny Global Voices, izay nanosika anay handika lahatsoratra sy hanoratra, hizara hoentimiasa sy fitaovana. Ahoana ny handaminana tsara kokoa ny fotoana sy ny asa, nahoana no manoratra sy mandray anjara…
Niara-nifaly izahay tamin'ny vokatry ny referandaoma tany Irlandy tamin'ny resaka fanalan-jaza. Nanavao ny fahatezeranay amin'izay manjò ny ny mpialokaloka eo amin'ny vavahadin'i Eoropa izahay, sy ny ao anatiny, nilaza ireo hetsika misy izay nandraisana anjara. Notsiahivinay ny adihevitra lehibe amin'ny teny frantsay fanoratana tsimialonjafy, izay fiantraikany eo amin'ny resaka fandikan-teny sy fanoratana, ary eo amin'ny zon'ny vehivavy ihany koa. Nifanontany zavatra betsaka tokoa izahay. Nahitana valiny ny sasany tamin'izany.
Nataonay ihany koa
- nanoratra haïkus, nanoritra sarintava
- nihinana araka ny fomba senegaly sy gena (gineana)
- nanandrana saosisy maina sy labiera – avy ao an-toerana
- nihaino ny hiran'ny mpanohana rugby, hiakan'ny mpanohana foot
- niara-nahandro
- nisitraka ny hafanan'ny asara sy nidify ny orana sy herika
Notsarovanay lalina ihany koa ireo izay tsy tafaraka taminay, ireo frantsay-faneno sy ireo hafa rehetra. Ny fahatsapana fa ao anatin'ity fianakaviana ifampizarana, marevaka, tsy voatery hitovy hevitra ary misokatra 24 ora amin'ny 24 eo amin'ny hasin'ora isan-karazany ary ny fanoitra voalohany tao amin'ny rehetra hanohy hanolo-tena ao amin'ny Global Voices.
Indro sary vitsivitsy tamin'ny fotoana niarahanay, sy ny lisitry ny hira izay namelovelo tao aminay ka tianay hozaraina aminareo.
Ary ankasitrahana hatrany i Élise tamin'izao fanombohan'andraikitra tsara dia tsara izao, miampy ilay fikarakarana tonga lafatra!
Ary mba hamalifaliana ny sofinareo amin'ny herinandro maromaro hoavy, indro ny playlist [lisitra] natambatr'i Suzanne tamim-pitiavana tamin'ny fanangonana ireo hira tian-kozarain'ireo mpiondana izany tafavory tao Lyon: