Mamazivazy ny toro-hevitry ny filoha momba ny fitsitsiana noho ny fiakaram-bidin'ny herinaratra ny Arzantina

“Raha tsy manana gazy na herinaratra ianao, dia afaka mampianatra anao ny fomba fandrehetana afo aho. Maka hazo kely fotsiny ianao dia akombony ao ny tananao.” – Sary sy soratra niparitaka be tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenirohy #MacriTips avy amin'ilay mpisera @MarceRoulier

Hatramin'ny 27 May, nameno ny tranonkala tamin'ny vazivazy sy sary sy soratra ireo mpampiasa Twitter Arzantina ho setrin'ny tolo-kevitra vao haingana avy amin'ny Filoha Mauricio Macri momba ny fomba hiatrehan'ny Arzantiniana amin'ny fitomboan'ny faktioran'ny herinaratra sy ny gazy.

Nolazaina nandritra ny kabary ho an'ny firenena ny “toro-hevitr'i” Macri izay nanamarinany ny fanapahan-keviny hihazona ny fiakaram-bidy ao amin'ny renivohitra sy ny faritra manodidina – ireo faritra be mponina indrindra ao Arzantina – izay niakatra 58% ny faktioran'ny gazy ary 67% ny herinaratra.

Nilaza izy fa azon'ireo Arzantina ampiasaina ny jiro LED mitsitsy, ferana ny fampiasan'izy ireo fatana mandeha gazy sy ny mandro vetivety mba hitsitsiana vola kokoa. Nalaza kokoa noho ny kabariny ireo soso-kevitra ireo ary hampidirina amin'ny hetsika fanentanana, araka ny filazan'ny filoha.

Niteraka vazivazy mahavariana marobe ny soso-kevitr'i Macri, ka mahatonga ny tenirohy #MacriTips ho lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter Arzantina.

“Raha manangona ny ambiny kely tamin'ny savony ny tsirairay ary manambatra azy ireo, afaka mitsitsy savony isam-bolana ianao” #MacriTips

Afaka mampiasa ny lafiny roa amin'ny taratasy fifirana ianao #MacriTips

Afaka mividy taolana hanaovana ron-kena mangotraka ianao sy ny mpiray vodirindrina telo aminao ary avy eo mifandimby mampiasa izany

Sary: Raha ataonao ivelany ny akanjo manifinao, dia afaka manao izany mandritra ny herinandro ianao. Mitsitsia azafady!

Raha mandalo ao McDonald ianao, dia mandehana ao amin'ny efitra fandroana ary mitondrà servieta mody. Afaka mitsitsy ianao any an-trano sy nividy Carilinas [marika malaza amin'ny lamba fidiovana].

Rehefa manasa salady ianao no sady mandro, dia tsy vitany hoe mitsitsy fotoana, fa mitsitsy rano ihany koa  #MacriTips.

Miaraka amin'ny charmander, afaka mitsitsy hatramin'ny 37% ny gazy ianao! #MacriTips

Ny fiafaran'ny vanim-potoana iray

Zava-dehibe ny manamarika fa efa ho 20 taona izay ny Arzantiniana no nividy ireo tolotra sy entana fototra ilaina andavan'andro amin'ny vidiny ambany kokoa noho ny vidiny tena izy, izany dia noho ny rafitra fanampiana ara-bola.

Tamin'ny Janoary 2016, fotoana fohy taorian'ny fakàna fahefana, nametraka ny fiakaran'ny faktioran'ny herinaratra voalohany tamin'ny fomba ofisialy i Macri rehefa nampiato ny fanampiana ara-bola, saingy nihazona ny sasany tamin'ireo tolotra ho maimaim-poana ho an'ny fianakaviana sahirana. Fiakarana hafa ny fitateram-bahoaka sy ny etona natoraly, ary mbola niakatra indray ny faktioran'ny herinaratra sy ny gazy tamin'ny Desambra 2017.   

Ho valin'izany, tamin'ny Martsa 2018, nampahafantatra volavolan-dalàna hampidina ny vidin'ny herinaratra, ny rano sy ny etona voajanahary tamin'ny vidiny tamin'ny Novambra 2017 ireo solontenan'ny antoko mpanohitra. Manolotra fandraràna amin'ny fiakaram-bidy vaovao rehetra mandritra ny taona sy izay fanapahana tolotra noho tsy fisian'ny fandoavam-bola ny volavolan-dalàna.

Nilaza ny filoha Macri fa ho “mandratra” ny volavolan-dalàna ary “hampino antsika izany fa misy ny vahaolana mahagaga, fa azontsika ampidininina daholo ny taha rehetra.”

Nony farany, nankatoavin'ny Senà ny volavolan-dalàna, saingy notsipahan'ny filoha.

Mandritra izany, manohy manao vazivazy sy mizara sary sy soratra ny Arzantina, fialam-boly avy amin'ny tebiteby tsy azo ihodivirana ho an'izay mety ho toetry ny tetibolan'ny tokantranon'izy ireo.

Raha manakalo boky mahazatra amin'ny boky natao hoan'ny jamba ianao, dia tsy mila hazavana rehefa mamaky izany anaty aizina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.