Costa Rica: Marary Iray Mitantara Ny Fiainany Manoloanan'ny Homamiadana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2008)

Vao nahafantatra fa tratry ny homamiadana ny bilaogera iray avy ao  Costa Rica, ka nanapaka hevitra ny hizara teo amin'ny bilaogy [amin'ny espaniola] ny tantaran'ny adiny tamin'ilay aretina, ary alohan'ny hitenenany azy amin'ny fianakaviana. Toa izao no nanombohan'ny tantarany :

Como lo hago desde hace varios años, alrededor de la fecha de mi cumpleaños me hago un chequeo médico general. El viernes me confirmó el médico que en las radiografías de los pulmones apareció una mancha que definitivamente es un cáncer de pulmón. Nunca he fumado, más que en un período de rebeldía cuando tenía dieciséis años.

Toy ny nandritra ireo taona marobe, rehefa akaikin'ny tsingerintaonako, nanao fanarahamaso ny fahasalamako aho. Ny 25 Jolay 2008, niteny ny dokotera fa misy aloka eo amin'ny saritaratry (radio) ny avokavoko, izay homamiadana. Tsy mpifoka mihitsy aho, raha tsy hoe tamin'ny fotoana nialako sàkana  fony izaho 16 taona.

Mitohy miaraka amin'ny fihetsehampon'ny fianakaviany [amin'ny teny espaniola] taoriain'ny nanambarany azy ireo ny momba ny aretiny ito bilaogy ito, mitondra ny anarana Diario de Un Enfermo de Cáncer (Diarin'ny Olona iray Mararin'ny Homamiadana)

Ayer me armé de valor y les conté a mi esposa e hijos que tengo cáncer. Las acciones de la Scott Paper de seguro van a subir, de la cantidad de Kleenex que usamos.

Mi esposa es una mujer ejemplar. Valiente, a pesar de esa suavidad de carácter por la que todo el mundo la quiere. Aunque derramó algunas lágrimas, se mantuvo ecuánime y nos infundió valor a todos. Está segura de que podemos vencer al cáncer, así en plural, entre todos. No podemos darnos por vencidos. Como a mi me gusta mucho el futbol, me dice que terminó el primer tiempo 0-1, pero aún tenemos otros 45 minutos para remontar el marcador.

Omaly, nanangona ny herimpoko aho ary niteny tamin'ny vady aman-janako fa voan'ny homamiadana. Azo antoka fa hiakatra ny vidin'ny petrabolan'ny Scott Paper , raha jerena ny habetsakin'ny Kleenex nampiasainay.

Fakàn-tàhaka ny vadiko. Be herimpo, na eo aza ny halemem-panahiny izay mahatonga ny olondrehetra hitia azy. Na dia nandatsa-dranomatso kely aza izy, dia tony mandrakariva ary nampahery anay rehetra. Mihevitra izy fa afaka resenay ilay homamiadana, ohatr'izay fotsiny, manondro ny rehetra, izahay rehetra. Tsy afaka hahatsiaro ho resy izahay. Satria tena tia baolina kitra ny tenako, niteny izy fa mbola ny antsasa-potoana voalohany no nifarana tamin'ny isa 0-1, ary mbola manana 45 minitra isika hanatrarana ny isa.

Na dia vao nanomboka aza ny bilaoginy, efa nahazo andiana firariana fahasalamana, ary fanehoankevitra hafa momba ny aretiny. Mbola nanoratra lahatsoratra iray hafa ny mpanoratra an'ilay bilaogy nialoha indrindra ny fandidiana azy, nanazavany fa tokony nofaniny mafy ny vadiny tamin'ny fitantanana ny volan'ny ankohonana, raha sanatria mitranga ny loza. Ho azy, io lahatsoratra io koa no ahafahany manazava fa eo alohan'ny mety ho fahafatesany, tsy matahotra ny ho faty izy, fa matahotra an'izay mbola tsy hitany na nataony [amin'ny espaniola]:

Lo que si me preocupa es no vivir lo suficiente como para “ver el final de la película”. Mis hijos están muy chiquillos, y son lo mejor que me ha pasado en la vida. Tal vez soy egoísta, pero no quiero perderme un día de sus vidas. Quiero seguir disfrutándolos, quiero seguir riéndome con sus ocurrencias, babearme con sus talentos, en fin, quiero seguir presente en sus vidas.

Ny tsy niaina ela tsara mba “hahita ny fiafaràn'ny horonantsary” no tena mampiasa ny saiko izao. Mbola kely ny zanako, ary izy ireo no zavatra tsara indrindra nisy tamin'ny fiainako. Mety tia tena aho, fa tsy tiako ho banga na iray andro aza ny fahitako ny fiainan'izy ireo. Mbola te-hijanona hiara-tsambatra amin'izy ireo aho, mbola te-hanohy hihomehy amin'izay lazainy, hijery am-pahafinaretana ny talentany, raha fintinina, te- hijanona ao amin'ny fiainan'izy ireo aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.