- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tantaran'ny Facebook-n'ilay Mpiandraikitra Tranomboky

Sokajy: Famakiamboky, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2014)

Ny asan'ny Rising Voices manohana ny tetikasanay Xela Civic Libraries [1] dia nitondra anay tao Goatemalà mikasika antony roa tao anatin'ny roa taona lasa izay, izay nahafaly ahy ny nanaovako karazana fivoriana niaraka tamin'i Israël Quic. Nifanena tao amin'ny Campus Party Ibero-America [2] aloha ny lalanay, izay natao tany Salvador tamin'ny taona 2008, ka nahafantarako voalohany momba ny asany tao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy.

Efa ho dimy taona taty aoriana, nanomboka nanaraka ny blaogy [3] natsangany aho, bilaogin'ny tranomboky an'ny vondrom-piarahamonina Rija'tzuul Na'ooj ao San Juan La Laguna, eo amin'ny morondranon'ny farihy majika Atitlan, izay i Israël no talen'ny tranomboky. Ny blaogy nanome fahafahana mahazo ireo boky vao nivoaka momba ny fiainana andavanandron'io vondrom-piarahamonina teratany maya io, ary koa ireo asa nokarakarain'ilay tranomboky sy ireo mpiasa tao aminy. Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'reo tranomboky Riecken [4] ao Goatemalà sy ao Honduras ihany koa ilay tranomboky, anisan'ny mpikambana ao koa ireo tranomboky telo izay tohananay.

Ny asan'i Israël no namelombelona ny fiteny T'zutujil noho ny fampiasana an'ireo median'olontsotra iray tena nanintona anay, ka lasa lohahevitry ny lahatsoratra iray tao amin'ny bilaogin'ny Rising Voices, hoe ” Tranomboky Ho Teboka Fanombohana Famelombelomana ny Fiteny Tz'utujil [5]” navoaka tamin'ny taona 2012.

Raha vao reko voalohany fa ny asa an'i Isarël no ho iray tamin'ireo tantara folo nasongadin'ny Facebook  [6]tamin'ny fankalazana ny faha-folo taonany, maika be aho ny hahita hoe ahoana no nitantaran'izy ireo ny tantarany sy ny tantaran'ny vondrom-piarahamoniny ary ny fampiasany an'ireo media an'olontsotra mba hisarihana ny sain'ny andiana taranaka hoavy, mpiteny  ny T'zutujil.

http://vimeo.com/facebookstories/thelibrarian [7]