- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Ambonin'izany rehetra izany ny misahana ny olana ao anatin'ny mahaolona”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny Tetikasa Reframed Stories [1] dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena ao amin'ny media. Noforonina ny zavon-teny amin'ny fampiasana ny sehatra Media Cloud [2], fitaovana fanadihadiana tahiry izay manadihady ny angona media amin'ny fotoana iray manokana, ahafahan'ny mpandray anjara mandinika sy mifanakalo hevitra ny santatry ny fijery amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Natalia Montoya dia mpikambana ao amin'ny Colectivo G [3], izay “manangana, mitantana, ary mampiditra tetikasa ara-tsosialy; indirndra fa eo amin'ny kianjan'ny miralenta (lahy/vavy) amin'ny fomba fiditra zon'olombelona” ary miorina ao Cochabamba, Bolivia. Izao manaraka izao dia avy amin'ny famakafakan'i Natalia amin'ny voambolana “feminicidio” (fandripaham-behivavy).

Teny manjaka avy amin'ny lahatsoratra miisa 1540 nivoaka tanelanelan'ny volana mey 2017 sy mey 2018 manonona ny “feminicidio” ao amin'ny angona Media Cloud miisa roa ao amin'ny seha-pampitam-baovao miteny espaniola ao Bolivia. (Jereo lehibe kokoa [4])

La realidad actual que nos muestran esta nube sobre feminicidios nos reflejan por un lado una falta de sensibilización respecto a la temática, ausencia estatal a momento de crear políticas públicas que garanticen verdaderamente los derechos a la no violencia hacia las mujeres; y por otro lado la ineficacia de nuestro sistema legal.

¿Qué quisiéramos encontrar?

¿Qué deberían reflejar los medios respecto a este tema?

Que se está utilizando todos los mecanismos a nuestro alcance para hacer justicia. Que el Estado toma acción y genera políticas públicas que precautelan los derechos de las mujeres y niñas, además de políticas de educación encargadas de romper con las estructuras patriarcales y machistas vigentes. Por último que como miembros de la sociedad civil asumimos el compromiso de combatir la violencia, de sensibilizarnos con las víctimas (directas e indirectas) y sobretodo de tratar la temática con humanidad.

Ny zavamisy amin'izao fotoana izao asehon'ny zavonteny manondro ny fandriapaham-behivavy no mitaratra ny tsy fisian'ny fanairana momba ny lohahevitra, tsy fahitana ny Fanjakana rehefa mamorona politikam-panjakana izay miantoka tokoa ny zo tsy hanaovana heristra ny vehivavy, sy ny tsy fahombiazan'ny rafitra ara-pitsarana.

Inona no tianay ho hita?

Inona no tokony eritreretin'ny fampitam-baovao amin'ity raharaha ity?

Fa manao ny tsiapipaika rehetra eo ampelantanantsika isika hahatanteraka ny fitsarana. Fa tokony handray andraikitra ny Fanjakana ary hanangana politikam-panjakana hiaro ny zon'ny vehivavy sy ny zazavavy, sy hanagana politika ara-panabeazana hametraka andraikitra amin'ny fanesorana ny rafitra rehetra tarihin-dray sy manavakavaka ny vehivavy. Farany, amin'ny maha-mpikambana amin'ny firaisamonim-pirenena, dia zakainay ny adidy hiady amin'ny herisetra, mba ho mora fo isika amin'ny lasibatra (mivantana na ankolaka) ary ambonin'izany rehetra izany dia hikarakara ny olana ao anatin'ny mahaolombelona.

Izy ity dia ao anatin'ny andiany Rising Frames norafetina ho ao anatin'ny hetsika nokarakarain'i Raisa Valda Ampuero avy ao amin'ny Warmi.Red [5] sy i Fabiola Chambi. Nanampy ry zareo tamin'ny fikarakarana atrikasa notontosaina tamin'ny 30 May 2018 tao Cochabamba, Bolivia ary namoriana solontena avy amin'ny fikambanana sy vondrona samihafa mba handinihana ny fomba hanehoana azy ireo na ny lohahevitra raharahian-dry zareo ao amin'ny angona media ao Bolivia sy ny fananganana tantara ho setrin'izany.