Azon'ny Rafitra Ara-pitsaràna Atao ny Manaraka Akaiky, ny Mampihena ny Loza Mety Hitranga, ny Miantoka fa Hahazo Rariny ireo Niharam-boina

Angatahan'ny Tetikasa Reframed Stories ny olona mba hamaly ireo lohahevitra sy olana mibahan-toerana mitranga anatin'ny fitantaràna ny vaovao momba ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Ireny tantara ireny dia fitaratry ny zavatra eritreretin'ireo olona izay matetika no ny hafa no misolo tena azy ireo eny anaty fampahalalambaovao. Nisy vondron-teny noforonina tamin'ny fampiasàna ny Media Cloud platform, fitaovana iray fandalinana angondrakitra  mandalina ireo lahatahiry avy aminà  famoahambaovao mandritra ny vanim-potoana iray voafaritra, ahafahan'ireo mpandray anjara manadihady sy miresaka ny fomba fijeriny voalohany momba izay mety hisoloana tena azy ireo eny anaty media. Tsy mahamaika ilay tetikasa ny hanao fanambaràna maimaika momba ny angondrakitra, fa ho solony, ireo dia ho teboka fanombohana habaka iray hisian'ny adihevitra momba ny hahafahan'izy ireo mandrafitra ny ho fahatazànana azy manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Maria Julia Valdivia dia avy amin'ny #NiUnaMenosBolivia, fikambanana sivily iray ahitàna ireo mpirotsaka an-tsitrapo manome taridàlana sy fanarahamaso amin'ireo tranganà herisetra manjo ny vehivavy manerana ny firenena. Ity manaraka ity ny fanehoankevitr'i Maria Julia momba ny zavonteny ho an'ny teny hoe “feminicidio” (famonoana vehivavy).

Teny mibahan-toerana ao anatin'ireolahatsoratra 1.540 navoaka teo anelanelan'ny May 2017 sy May 2018 manondro ny “feminicidio” tanaty lahatahiry 2 an'ny Media Cloud , filazambaovao amin'ny fiteny espaniola ao Bolivia. (raha hanalehibe kokoa ny sary)

Después de un análisis exhaustivo [de la nube de palabras], llegamos a la conclusión de que éstas son las palabras que deberían utilizarse con mayor frecuencia en los medios de comunicación, ya sea escritos, televisivos y la radio también. Normalmente no son estos los parámetros que se utilizan en la perspectiva de género y violencia. Yo considero que ante el compromiso de la sociedad civil y una atención inmediata se puede identificar una tentativa de feminicidio gracias a las políticas públicas, la voluntad estatal y los presupuestos asignados para seguridad. La ley y los jueces podrían hacer un seguimiento, minimizar los riesgos y garantizar a la víctima un acceso a la justicia, la protección y con la celeridad que corresponde una condena, además el compromiso para garantizar la superación de este acto machista y patriarcal.

Taorian'ny fikarohana lalina [ireo zavonteny], dia heverinay fa ireto no teny izay tokony ho niasa matetika indrindra teny anaty fampahalalambaovao, na an-tsoratra io, na an-tsary ary na tany amin'ny onjampeo. Amin'ny ankapobeny dia tsy ireo no singa nampiasaina tamin'ny fijery ny lahy sy ny vavy ary ny herisetra. Inoako fa noho ny fandavantena sy ny fironantsaina tsy nihambahamba avy amin'ny fiarahamonina sivily, noho ny fisian'ny politikam-panjakana, ny finiavan'ny fanjakàna, ary ny tahirimbola natokana ho an'ny resaka fiarovana dia azo tiliana ny andrana ho famonoana vehivavy. Azon'ny rafitra ara-pitsaràna atao ny manaraka akaiky, ny mampihena ny loza mety hitranga, ny miantoka fa hahazo rariny ireo niharam-boina, ny fiarovana, ary miaraka amin'ny hafainganana mifandraika amin'ny fanamelohana, hatramin'ny fanolorantena hiantoka ny fisorohana io fihetsika maneho fanomezandanja tafahoatra sy fanjakazakàn'ny lehilahy io.

Ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra Rising Frames novolavolaina ho ampahany anatin'ny atrikasa nokarakarain'i Raisa Valda Ampuero avy ao amin'ny Warmi.Red sy Fabiola Chambi. Nanampy tamin'ny fanatontosana atrikasa natao ny 30 May 2018 tao Cochabamba, Bolivia izy ireo, izay namondrona hiaraka taminà toerana iray ny solontenan'ny vondrona sy vondrom-piarahamonina vitsivitsy mba handinika ny fomba hahatazànana azy ireo , na ny olana mampiasa loha azy, eny anaty fampahalalambaovao ao Bolivia ary hamorona tantara ho setrin'izany fahatazànana izany..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.