Fiitarana Mahatalanjona: Atrikasa Iray Tsy Nampoizina Ho Lasa Manerantany

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2013)

Atrikasa iray teo a-toerana natao hampianarana manoratra ary naseho ho an'ny daholobe tety anaty aterineto no nisy fiantraikany tampotampoka teo (ary nahatalanjona!)

Amin'ny alàlan'ny atrkasa iray tao amin'ny tanàna nahaterahany ao Buffalo, New York, nanana drafitra ny hampianatra fomba fanoratana araham-pamoronana i Susan Marie, mpamokatra fandaharana amin'ny onjampeo no sady mpanoratra. Ho fanampiana ny mpianatra hahay mifampiresaka, nanokatra pejy ho an'ilay hetsika izy tao amin'ny Facebook. Taorian'ny fahitàna fahalinana tampoka avy amin'ireo mpandray anjara tena nandrandraina, tonga avy any lavitra be noho i Buffalo, nanapaka hevitra izy ny hanokatra atrikasa maromaro ho anà mpihaino virtoaly.

Talohan'ny nahafantarany azy io, vondrona iray manerantany ilay izy. Tao anaty imailaka nifampitafàna taminy, hoy i Susan:  “Toa nahita ahy ireo mpandray anjara iraisampirenena, kanefa, dia amin'ny alàlan'ny pejy Facebook natao ho an'ilay hetsika monja sy ny fifandraisana arak'asa amin'ny samy olona no anaovako azy.”

Nandritra ny atrikasa telo, nitatra nankany amin'ireo mpandray anjara avy any Pakistàna Però ary nanerana an'i Etazonia ilay vondrona.

Ho famarànana ny asa famokarana ny zavatra rehetra, dia hoy i Susan

Misy sehatra maro ampiasaina eto: Big Marker, tambajotra virtoaly ahafahanareo mikarakara fihaonana anaty tranonkala, manao rakipeo, lahatsary ary angondrakitra goavana azon'ny olona idirana, Think Twice Radio amin'izao fotoana izao dia mandray ireo vokatra farany avy amin'ireo rakipeo nalefan'ireo mpandray anjara tsirairay…

Tsy ela akory, iray tamin'ireo mpandray anjara i Amreen Naqash, poeta sady mpisolovava avy ao Kashmir, nandefa tamin'ny onjampeo nanerana an'i Chicago ilay tononkalony, My Name Is Kashmir, (Kashmir no anarako) novokariny nandritra ireo atrikasa. Ny tranonkalan'ilay foiben'onjampeo dia miantso ilay tafatafa ho “vokatra mivantana avy amin'ny fampiasàna amin'ny fomba madio ny teknolojia hiampitàna sisintany,  hamokarana votoaty ary hampifandraisana antsika rehetra, miaraka, amin'ny fomba tsara.”

Sue mamintina hoe:

Raha ny marina, tsy nananako hevitra mihitsy izay zavatra hitranga. Nitsofoka tao aho tamin'ny fanantenana, farafaharatsiny, fa mba hahaliana ilay izy, ary tsy nananako hevitra ny hoe atrikasa tsotra kely niisa 3 dia mety ho lasa miparitaka be manerantany toy io vitan-dry zareo io.

Azonao atao ny mihaino ny sasany amin'ireo rakipeo vokatra nandritra ilay atrikasa tety anaty aterineto.

Sarikely navoaka tamin'ny fampiasàna ny lisansa “Creative commons”, soratra MacBook an'i Håkan Dahlström.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.