- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Misy fahalalàn-drazana ao amin'ny vondrom-piarahamonina tompotany ao Sarayaku”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny Tetikasa Reframed Stories  [1]dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena. Noforonina ny zavon-teny amin'ny fampiasana ny sehatra Media Cloud,  [2]fitaovana fanadihadiana tahiry izay manadihady ny angona media amin'ny fotoana iray manokana, ahafahan'ny mpandray anjara mandinika sy mifanakalo hevitra ny santatry ny fijery amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Wiliam San Nicolás dia mpikambana ao amin'ny Vahoaka Kichwa avy ao Sarayaku [3] miorina ao amin'ny faritra amazoniana ao Ekoadaoro, ary nanao tolona lavitr'ezaka maro teo amin'ny sehatry ny firenena sy iraisampirenena hampitsaharana ireo tetikasam-pitrandrahana ao amin'ny zaratanin-dry zareo. Ity manaraka ity dia dika an-tsoratra tamin'ny fanehoan-kevitr'i William tamin'ny lahatsary amin'ny ny zavon-teny manondro ny voambolana “Sarayaku“. Ao anatin'ny zavonteny, ny tsy fisian'ny voambolana “educación” (fanabeazana) no nahasarika ny fifantohan'i Wiliam.

Teny manjaka ao anatin'ny lahatsoratra miisa 97 nivoaka teo anelanelan'ny Janoary 2017 sy Avrily 2018 manonona “Sarayaku” ao anatin'ny angona Media Cloud telo ao amin'ireo seha-mpampitam-baovao miteny espaniola ao Ekoadaoro. (raha hijery sary lehibe kokoa [4])

Me sorprende que en estas nubes de palabras solo hay conocimientos científicos, mientras que en el pueblo originario sarayaku hay el conocimiento ancestral que viene desde muchos años y que esos conocimientos se han ido perdiendo en la educación. Yo quiero que en estas nubes de palabras aparezca estos conocimiento ancestral.

Gaga aho fa fahalalàna siantifika ihany no ao amin'ny zavonteny satria misy fahalalàn-drazana ao amin'ny vondrom-piarahamonina tompotany Sarayaku izay niverina taona maro lasa izay. Na izany aza, andalam-pahaverezana izany fahalalàna izany, indrindra eo amin'ny fanabeazana. Tiako ho hita ao amin'ny zavonteny ny fahalaIan-drazana.

Ao anatin'ny andiany Rising Frames narafitra ho ao amin'ny atrikasa nokarakarain'ny Departemantan'ny Fifandraisana ao Sarayaku [5] tamin'ny 17 Mey 2018 izay nitondra ho ao amin'ny toerana iray ireo mpikambana tanora ao amin'ny vondrom-piarahamonina handinihana ny fomba isehoan-dry zareo na ny lohahevitra tandrovin-dry zareo ao amin'ny angona media Ekoadaoreana ary hamorona tantara ho setrin'izany fisehoana izany. Efa nandray anjara tamin'ny tetikasa Reframed Stories i José Santí, iray amin'ny mpandrindra ny atrikasa ary nanoratra ny fitantarany manokana [6] [mg] momba ny fisoloantena an'i Sarayaku.