- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Mbola voahilikilika ny vondrom-piarahamonina misy ahy…”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny Tetikasa Reframed Stories  [1]dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena. Noforonina ny sehatra Media Cloud,  [2]fitaovana fanadihadiana lahatahiry izay manadihady angona fampahalalam-baovao amin'ny fotoana iray manokana, ka ahafahan'ny mpandray anjara mandinika sy mifanakalo hevitra momba ny fijery voalohany amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Devy Andreina Grijalva dia mpikambana ao amin'ny Wambra Radio [3], radiom-piarahamonina iray ao Quito, Ekoadaoro ary manondro tena ho mpikamban'ny vondrom-piarahamonina “sexo-genéricas”. Izao manaraka izao dia dika an-tsoratra amin'ny lahatsary famakafakan'ny Devy amin'ny zavontenin'ny voambolana, “transexual [4]” (trans).

Ireo tena manjaka avy amin'ny lahatsoratra nivoaka tanelanelan'ny Janoary 2017 sy Avrily 2018 nanonona ny “transexual” (lahatsoratra 143) tao amin'ny angona Media Cloud roa ao amin'ny sehatra fampitam-baovao miteny espaniola ao Ekoadaoro. (Jereo sary lehibe kokoa [5])

Inona ny voambolana ao amin'ny zavonteny nahasarika anao indrindra?

Se sigue encontrando palabras como ‘discriminación’, ‘violencia’ también palabras a favor como ‘lucha’ como ‘prejuicios’ y también existen unas palabras que a mí me llaman mucho la atención y es como ‘convertirse’ o ‘se convirtió’ o ‘se llamaba’ aludiendo que lo trans es una transformación.

Mbola mahita isika ny voambolana tahaka ny ‘fanavakavahana,’ ‘herisetra,’ sy ny voambolana mirona toy ny ‘tolona’ sy ‘fitsarana an-tendrony.’ Misy ihany koa ny voambolana sasany nanintona ny fifantohako tahaka ny ‘ampiofoana’ na ‘niofo’ na ‘nantsoina’ izay milaza sompirana fa misy ny fiovana.

Araka ny zavonteny, ahoana ny isoloantenan'ny fiarahamonina trans [niova fananahana] ao amin'ny fampitam-baovao?

No encontramos palabras a nivel de políticas públicas como ‘educación’, ‘salud’, ‘trabajo’, y mucho menos al enfatizar un ‘buen vivir,’ un ‘beneficio’, un ‘logro’ o una ‘vida plena’ de las transexuales. Eso no se encuentra en las palabras que se mapearon en [la nube de palabras].

Tsy mahita isika teny eo amin'ny ambaratongan'ny politikam-bahoaka tahaka ny ‘fanabeazana’, ‘fahasalamana’, ‘asa’, ary mbola vitsy kokoa rehefa manoritra ny ‘fiainana tsara,’ ‘tombontsoa’, ‘fahatontosana’ na ‘fiainana ampoka’ avy amin'ny trans. Tsy mety hita ao amin'ny voambolana nampidirina ao [amin'ny zavonteny] izany.

Ahoana ary ny tokony isoloantena ny fiarahamonina trans ao amin'ny fampitam-baovao?

Realmente yo considero que mi comunidad sigue siendo estigmatizada y no le ven o no le dan ningún punto positive, simplemente son cosas negativas en cuanto a violencia, en cuanto a discriminación, en cuanto a faltas y realmente la mirada de los medios no se centra en profundizar o sacar a la luz ejemplos vivenciales o vivos de personas trans que están en la sociedad.

Mieritreritra mihitsy aho fa mbola voahilikilika ny vondrom-piarahamonina misy ahy ary tsy mahita anay amin'ny lafiny tsara ry zareo. Izay miiba ihany no aseho eo amin'ny resaka herisetra, fanavakavahana na fahadisoana. Tsy mifantoka amin'ny fandalinana [fahatakarana] na mitondra ohatra velona amin'ny olona trans eo anivon'ny fiarahamonina ny fampitam-baovao.

Inona ny voambolana tokony hananan'ny ‘trans’?

Yo considero que, la visibilidad tanto del activismo y de la comunicación es tan importante y la única forma que se puede topar más narrativas y presencia en medios de comunicación en las personas trans, realmente es exponiendo ya las vidas de cada una, porque cada una tiene vidas distintas y eso es lo que se debería de llegar a la sociedad, presentar las personas trans con ejemplos simples, con visiones simples también de cómo se puede trabajar y existir en la sociedad.

Mihevitra aho fa zava-dehibe tokoa ny fahitana na ny fikatrohana na ny fifandraisana ka ny fomba tokana ahitantsika fitantarana sy fizian'ny olona trans dia ny fampisehoana ny fiainan'ny tsirairay. Samy manana ny fiainany tsy mitovy ny tsirairay. Izany no tokony hovitaina ao amin'ny fiarahamonina, manolotra ho hita ny olona trans amin'ny ohatra tsotra, fijery tsotra, sy ny fomba iasana sy izian'ny olona iray ao amin'ny fiarahamonina.

Ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra Rising Frames novolavolaina tamin'ny fiarahamiasa akaiky amin'ny fikambanana El Churo [6] ao Quito, Ekoadaoro. Nikarakara atrikasa natao ny 21 aprily 2018 izy ireo namory hiaraka ao amin'ny toerana iray ireo solontena avy amin'ny vondrona sy fikambanana samihafa mba hanadihady ny fomba isehoan-dry zareo na ny lohahevitra tandrovin-dry zareo ao amin'ny angona media Ekoadaoreana ary hamorona tantara ho setrin'izany fisehoana izany.

Nanatrika tamin'ny fandikana an-tsoratra sy ny fandikanteny, izay nahitsy hazava kokoa sy ho fohy kokoa i Mónica Bonilla.