“Misy faritra (ao Esmeraldas) ao anatin'ny ady, fa tsy ny faritany manontolo”

Ny Tetikasa Reframed Stories dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena. Noforonina ny zavon-teny amin'ny fampiasana ny sehatra Media Cloud, fitaovana fanadihadiana tahiry izay manadihady ny angona media amin'ny fotoana iray manokana, ahafahan'ny mpandray anjara mandinika sy mifanakalo hevitra ny santatry ny fijery amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Sacur Quiñones Medranda dia mpikambana ao amin'ny Centro de juventudes de Esmeraldas (Foiben'ny Tanora ao Esmeraldas), fikambanan'ny zon'olombelona ao Esmeraldas, Ekoadoro izay miara-miasa amin'ny ankizy, ny tanora sy ny vondrom-piarahamonina LGBTI. Iray amin'ireo asany voalohany indrindra ny fandaharana isan-kerinandro amin'ny radio La Calle Habla (Ny Resaka an-Dalana), toeran'ny adihevitra sy resadresaka momba ny olana atrehin'ny fiarahamonin-dry zareo. Ity manaraka ity dia dika an-tsoratra tamin'ny resadresaka niarahana tamin'i Sacur raha nanadihady ny zavon-teny manondro ny voambolana “Esmeraldas sy Derechos (Zo) izy.” Esmeraldas dia tanàna niharan'ny horohorontany sy ny ady manamorona ny sisintany ifampizarany amin'i Kolombia.

Ireo voambolana nanjaka tamin'ny lahatsoratra 116 navoaka teo anelanelan'ny volana Janoary 2017 sy Aprily 2018 ary nanonona ny voambolana “Esmeraldas” + “Derechos” (zo) tao anatin'ny angon'ny Media Cloud an'ireo fampahalalam-baovao miteny Espaniola ao Ekoadoro. (raha hijery sary akaiky view larger image)

Inona no zavon-teny nahasarika indrindra ny sainao?

La nube que escogí en este taller se llama Esmeraldas + Derechos. Bueno una gran galería de palabras, pero me impactó una que menciona atentado, porque da una imagen algo conflictiva en extremo de lo que es la provincia.

Debería haber más palabras, porque Esmeraldas no es conflicto. Cierta área de este territorio se encuentra en eso pero no es la realidad de toda la provincia, entonces considero de que debería enfocar más en lo versátil y positivo que existe acá en nuestra tierra.

Ny zavon-teny nosafidiako dia Esmeralda + Zo. Maro ireo voambolana, saingy ny iray izay nanohina ahy indrindra dia ny teny hoe ‘fanafihana’ satria manome sary faratampon'ny ady ao amin'ny faritany izany.

Tokony hisy teny maro misolo tena satria tsy tia ady i Esmeraldas. Eny, misy faritra sasany misy fifandonana, saingy tsy ny faritra manontolo izany. Heveriko fa tokony hifantoka bebe kokoa amin'ny lafiny maro samihafa sy tsara misy ao amin'ny taninay izany.

Ahoana no tokony hisehoan'ny tanànan'i “Esmeraldas” sy ireo “zo” ao anatin'ny fampitam-baovao?

Diversidad, crecimiento, derecho, pluralidad, versatilidad, amor, paz, unidad y muchas que encuadran en la identidad de nuestro pueblo.

Ny fahasamihafana, ny fitomboana, ny zo, ny fahamaroana, ny fiovaovan-kevitra, ny fandriampahalemana sy ny teny hafa mifanaraka amin'ny mari-panondroana ny tanànanay.

Inona avy ny teny tokony hananan'ny zavon-teny ho an'ny ‘zo’ sy ‘Esmeraldas'?

Riqueza, no está presente ahí pero considero que debería estar allí, porque es un lugar rico en todo ambiente, entonces considero es que hay que darle realce a ese a ese detalle de Esmeraldas, una provincia muy rica.

Tsy voasolotena ny harena, saingy mino aho fa tokony ho voasolotena izy satria toerana manankarena i [Esmeraldas] amin'ny lafiny rehetra amin'ny teny, heveriko fa tokony hasongadina izany.

Ao anatin'ny andiana Rising Frames novolavolaina tao anatin'ny fiarahamiasa akaiky amin'ny fikambanana El Churo ao Quito, Ekoadoro izy ity. Nikarakara atrikasa tao Esmeraldas, Ekoadoro izy ireo tamin'ny 4 Mey 2018, izay namory hiaraka ao amin'ny toerana iray ireo solontena avy amin'ny vondrona sy fikambanana samihafa mba hanadihady ny fomba isehoan-dry zareo na ny lohahevitra tandrovin-dry zareo ao amin'ny angona media Ekoadaoreana ary hamorona tantara ho setrin'izany fisehoana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.