- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Afaka manampy manentana momba ny tolonay amin'ny maha-firenena sy vahoaka Mapuche ny fifandraisana”

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny Tetikasa Reframed Stories  [1]dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena. Amin'ny alalan'ny famoronana zavon-teny mampiasa ny sehatra Media Cloud  [2]izay mikaroka angona media amin'ny fotoana iray manokana, afaka mandinika sy mifanakalo hevitra ny santatry ny fijery amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao ny mpandray anjara. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Alen Colipan Cid dia mpikambana ao amin'ny Witxalen, [3] fikambanan'ny tanora tompotany manandrateny amin'ny olana momba ny zaratany sy  zon'ny tompotany ao atsimon'i Shily. Ity manaraka ity dia dika antsoratry ny lahatsary amin'ny famakafakan'i Alen momba ny zavon-tenin'ny voambolana“Mapuches [4],” olona tompotany ao atsimon'i Shily sy Arzantina.

Ireo teny manjaka avy amin'ny lahatsoratra miisa 1985 navoaka teo anelanelan'ny volana Mey 2017 sy Mey 2018 ary nahitana ny teny “Mapuches [4]” tao anatin'ny angon'ny Media Cloud tamin'ny fampahalalam-baovao amin'ny teny Espaniola tao Shily. (jereo akaiky kokoa ny sary [5]

Hoy día nos tocó trabajar con una nube que bueno a mí me tocó ‘Mapuche, que a mi parecer, las palabras que señalan no son las principales. Porque se ve como ‘comuneros’, ‘huelga de hambre’, ‘gobierno’, ‘político’, ‘conflicto’, ‘ley’, ‘terrorismo’, ‘operación’, ‘chilenos’, ‘acusados’ y yo creo que lo principal como pueblo son otros elementos que nosotros tenemos ‘conocimiento’, tenemos ‘cultura’,’Newen’ es decir ‘territorio’, ‘espiritual’, ‘espiritualidad’, ‘cosmovisión’, ‘sociedad’, tenemos ‘autonomía’, ‘idioma’ somos una nación, entonces la idea es que en la nube puedan señalar lo que somos como mapuches y lo que queremos que sepan los otros de nosotros en los medios. Que no se tergiverse la idea de que somos sino que lo que nosotros queremos que vean de nosotros.

Androany izahay iasa amin'ny zavon-teny manondro ny “Mapuches.” Raha ny hevitro, tsy ny teny mipoitra no tena zava-dehibe satria afaka mahita ny voambolana ‘comuneros (mponin'ny fiarahamonina),’ ‘fitokonana tsy hihinan-kanina,’ ‘governemanta,’ ‘ara-politika,’ ‘ady,’ ‘lalàna’ ‘fampihorohoroana,’ ‘hetsika,’ ‘Shiliana,’ sy ny ‘voampanga’ isika. Mino aho fa ny tena voambolana manondro ny vahoaka [Mapuche] dia singa hafa tahaka ny ‘kolontsaina,’ ‘Newen’,’ na tany, ‘ara-panahy,’ ‘ny fanahy,’ ‘fijery izao tontolo izao,’ ‘fiarahamonina,’ ary koa ‘fizakantena,’ sy ny ‘fiteny’ satria firenena izahay. Koa mino aho fa ny hevitra amin'ny zavon-teny dia izy azony aseho ny dikan'izany hoe Mapuche ary inona no tianay ho fantatry ny hafa momba anay amin'ny alalan'ny haino aman-jery. Izay mahay anay tsy navilana dika, fa inona no tianay ho hitan'ny hafa aminay.

Esta es una buena instancia para poder demostrar lo que queremos que sepan de nosotros como un pueblo y para poder mostrar las demandas que tenemos como Nación, en este momento. Ya que este medio de comunicación puede servir para poder visibilizar nuestra causa y nuestras legítimas luchas como pueblo nación mapuche.

Fotoana tsara izao mba hanehoana ny tianay ho fantatry ny hafa momba anay amin'ny maha Vahoaka ary hampiseho ny fitakian'ny Firenenay amin'izao fotoana. Ity fomba fifandraisana ity no ahafahana manampy fanairana momba ny tanjonay sy ny tolona ara-drariny ataonay amin'ny maha Firenena sy vahoaka Mapuche.

Ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra Rising Frames novolavolaina tao anatin'ny hetsika nokarakarain'i Fernando Carías [6]. Nanampy izy tamin'ny fikarakarana atrikasa natao ny 26 Mey 2018 tao Osorno, Shily izay nitondra hiaraka ireo solontena avy amin'ny fikambanana sy vondrona samihafa mba handinika ny lohahevitra lehibe amin'izy ireo sy ny tokony atao mba ho voasolotena amin'ny haino aman-jery Shiliana izy ireo ary hamorona tantara ho setrin'izany.

Nanatrika tamin'ny fandikana an-tsoratra sy ny dikanteny izay nahitsy hazava kokoa sy noho ny halavan'ny lahatsoratra i Mónica Bonilla.