Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Rosia: Ny haben'ny fandraisana andraikitra

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mamaritra ny penina fandokony amin'ny zavamisy maro ambaratonga ao Rosia i Marat Gelman mpisera LJ galerist , Rosiana mpivarotra zavakanto, ary voalaza fa mpanolotsaina miafina an'i “Victor Yanukovych” tamin'ny taona 2004:

I've been invited to [the state-owned Radio Mayak] today, their evening show, at 9 PM. A girl with a pass came down to the entrance and called to me. The guard told her (as if I didn't exist): I'm not letting him through. He's drunk. I saw him stagger. (I've got my iPod in my ear, and I must have been doing a little dance while I waited). And he just wouldn't yield up. I said, OK, fine, no questions, I've got other things to do. The girl's eyes popped. The show was about to get canceled. “Marat Aleksandrovich,” she asks, “have you been drinking?”

I could barely keep myself from laughing. Went out for a cigarette while she was pressuring the guard with the help of her bosses. I could've left, by the way, had the moral right to do so. And then let them decide “who caused the cancellation of the show.”

When some customs official at [Moscow's Sheremetyevo Airport] decided that [the work] of [Blue Noses, “the pranksters of the Russian art scene] was disagreeable to the senses of those who love Putin, his bosses were also far away and the paintings were [not allowed out of the country]. Then [the Western media wrote that Putin's regime had initiated and exercised censorship].

My point is that the idiot customs official has as much to do with Putin's regime as this office building guard has to do with [Mayak Radio]. But it's necessary for the bosses to be around.

Nanasa ahy ho ao amin'ny fandaharan'izy ireo hariva, amin'ny 9 ora alina, [ny Radio Mayak an'ny fanjakana]. Nisy ankizivavy iray manankaratra hiditra sy mivoaka nankeo amin'ny vavahady ary niantso ahy. Nilaza azy ny mpiambina (toy ny hoe tsy misy aho): Tsy avelako hiditra izy. Mamo izy. Hitako nivembena izy. (Nataoko teo an-tsofiko ny iPod, ary tsy maintsy nanao dihy kely aho raha niandry). Ary tsy nety mihitsy izy. Ka hoy aho, Eny, tsara, tsy mila fanontaniana betsaka, manana zavatra hafa atao aho. Nivandravandra ny mason'ilay tovovavy. Efa vonona hofoanana ny fandaharana. “Marat Aleksandrovich,” hoy izy nanontany, “nisotro toaka ve ianao?”

Tsy tanako intsony ny fihomehezako. Nivoaka nifoka sigara aho no sady nanery ny mpiambina niaraka tamin'ny fanampian'ireo lehibeny izy. Afaka niala aho, na izany aza, nanan-jo ara-moraly hanao izany aho. Ary avelao izy ireo no hanapa-kevitra “iza no nahatonga ny fanafoanana ny fandaharana”.

Raha nanapa-kevitra ny manampahefan'ny habantseranana tao amin'ny [Seranam-piaramanidina Sheremetyevo] fa mahatsiravina eo imason'ireo izay tia an'i Potinina [ny asan’] ny [Blue Noses, “ireo mpamazivazy ny sehatra zavakanto Rosiana], lavitra ihany koa ireo lehibeny ary [tsy avela mivoaka ny firenene] ny sary hosodoko. Avy eo [nanoratra ny media Tandrefana fa nanomboka sy nanao sivana ny fitondrana Potinina].

Ny hevitro dia hoe manao zavatra betsaka amin'ny fitondran'i Potinina ireo mpiasan'ny habantseranana adala ireo tahaka ity mpiambina ny tranoben'ny birao ity manao zavatra betsaka amin'ny  [Mayak Radio]. Saingy ilaina ho an'ireo lehibe ny mandalondalo mijery akaiky tsindraindray.

Mpamaky vitsivitsy no tsy niombon-kevitra tamin'i Gelman, mazava ho azy:

viktop:

They do have something to do with it, both of them. Bosses determine the behavior of their employees. And so, under a different regime, both guys would have had a somewhat different understanding of their responsibilities.

***

shlagbaum:

Yes, it's funny. Everything's still there. A guard (aka as a [hotel guard], aka as “an old lady sitting by the entrance”) remain kings in our reality and turn this reality into [sovok], and sovok has a really strong base at some level exactly because it relies on the feelings that motivate such a “guard” – to get satisfaction from exercising authority without any personal financial gain. Spirituality, in a way 🙂 […]

***

bel_ok:

When no one is punished for the death of a submarine crew and the country's president smiles in response, and when later no one is punished again for using grenades and tanks at a school [in Beslan, in Sept. 2004], this is when the guards and customs officials begin to understand that there is no one to punish them for anything that they do, that everything will be forgiven and forgotten. […]

viktop:

Manana zavatra tokony hatao amin'izany izy ireo, ny roa tonta. Ireo lehibe no mamaritra ny fitondran-tenan'ireo mpiasa. Ary noho izany, teo ambanin'ny fitondrana hafa, samy nanana fahatakarana samihafa tamin'ny andraikitr'izy ireo ny roa tonta.

***

shlagbaum:

Eny, mampihomehy izany. Mbola eo foana ny zava-drehetra. Ny mpiambina (fantatra amin'ny maha-[mpiambina hotely], antsoina hoe “vehivavy antitra iray mipetraka eo am-baravaram-pidirana”) dia mijanona ho mpanjaka eo amin'ny zava-misy iainantsika ary mamadika ity zava-misy ity ho [sovok], ary ny sovok dia manana fototra matanjaka tokoa amin'ny ambaratonga sasany satria miankina amin'ny fahatsapana mampavitrika “mpiambina” toy izany – mba hahazoana fahafaham-po amin'ny fampiharana fahefana tsy mahazo tombony ara-bola manokana. Ara-panahy, amin'ny fomba iray 🙂 […]

***

bel_ok:

Raha tsy misy olona voasazy noho ny fahafatesan'ny ekipa ambanin-dranomasina ary mitsiky ny filoham-pirenena ho setrin'izany, ary rehefa tsy misy intsony ny sazy ampiharina amin'ny fampiasana grenady sy fiara mifono vy any an-tsekoly  [tany Beslan, tamin'ny Sept. 2004], izany no fotoana nanombohan'ireo mpiambina sy mpiasan'ny ladoany mahatakatra fa tsy misy olona hanasazy azy ireo amin'ny zavatra rehetra ataony, fa ny zavatra rehetra dia ho voavela sy ho adinoina. […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.