- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolon'ny blaogy Siriana Tao anatin'ny Herinandro

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Mba hanombohana miaraka amin'ny lohahevitra somary mafampàna, politika izany, miaraka amin'i Ammar Abdulhamid [1]  mametraka ILAY fanontaniana… Ohatry ny Ahoana Marina ny Fandriampahaleman'ny Fitondrana Assads? [2]

Ho an'ny maro mpandinika ny raharaha Siriana, indrindra taorian'ilay tatitra nosoratan'i Brammertz tamin'ny fomba manjavozavo ary araka ilay fifamatorana mihalehibe miaraka amin'Iràna, toa voaaro kokoa noho ny tamin'ny volana maromaro teo aloha ny fitondrana Assads ankehitriny, na teo aza ny tsikera iraisam-pirenena momba ny politikany. Na mandaitra eto ny paikady Assads na ny vintany no mbola mitàna, tsy dia tena misy dikany loatra izany, mitovy foana ny vokany farany, toa tsy afaka kitihana mihitsy ireo Assads.

Sa ve afaka?

Fivoriam-pifamarafaràna iray mikasika ilay Mpanaramaso an'i Siria [3] an'i Tony Badran momba  ilay onjam-pandrahonana sy fampiakarana fitsarana farany indrindra an'ireo Siriana mpanohitra… [4]

Tamin'ny Talata, ilay mpanoratra voatazona, Ali Abdallah, sy ny zanany lahy Muhammad, dia nantsoina hiatrika fitsarana miaramila izay niampangana azy ireo ho nanao fanalambaràka manampahefana tao amin'ny fanjakana. (UPI, 6/20/06)

Miantso ny hiarovana ireo Arabo sy Siriana liberaly [5] i Nassim Yazji avy ao amin'ny Politikan'ny faritra Afovoany-Atsinanana [6].

Ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny dia fepetra goavana sy mahomby amin'ny fanovàna ao Afovoany Atsinanana, ho toy ny fanoherana ny tsy refesimandidy. Arakaraky ny fisian'ny fahalalahana maneho hevitra, no hihenan'ny jadona ataon'ny rafitra politika ary mifamadika amin'izany. Tena fototra ilaina amin'ny fivoarana ara-politika sy fampandrosoana ao Afovoany-Atsinanana ny fahalalahana mieritreritra sy maneho hevitra.

Tsy dia mihataka lavitra amin'ny politika, manana lahatsoratra mikasika ny antsoin'ny mpanoratra hoe Toekaren'ny Kolikoly [7] ny Syrian Economy [8]

Tena miharihary amin'ny fomba mahataitra ary efa misy hatramin'izay ny kolikoly ao anatin'ny fiarahamonina Siriana. Malaza amin'ny tsy fahombiazany amin'ny famahàna ny olana ny fampielezankevitry ny fanjakana hiadiana amin'ny kolikoly. Tsy maintsy manontany tena ianao raha toa ka efa tena ratsy hatrany am-bohoka ireo Siriana, raha toa ka voafaritry ny halehiben'ny kolikoly atolotra azy ny hasin'ny tenany, ary raha toa ka misy zavatra azo atao mba hampianarana ny Siriana ho lasa olona mahitsy.

Manana petadrindrina mahaliana momba ny tantaran'ny Tartous [9] i Abu Fares [10]

Ireo Romana, Arabo, Bizantina, Fatimida, Mpiady Masina, Ottomana ary ireo Frantsay dia nilalao yoyo niaraka tamin'ny Tartous nandritra ny taonjato maro ary nifandimby tànana izany, nanatri-maso sy nandray ny kolontsaina maro isan-karazany, tsy mivadika amin'ny lovany toy ny tanàna amoron-dranomasina.

Ary i Amr avy amin'ny Across Syria & Inside Homs [11], dia manana valinteny mazava ho an'ilay fanontaniana, Iza ny Arabo? [12]

Ny teny hoe Arabo, tamin'ny fotoanan'ny Baiboly, dia natao hanondroana ireo foko tao amin'ny tany efitra Siriana sy Arabo. Tamin'izany fotoana izany, ilay antsoina loatra ankehitriny hoe ”Tontolo Arabo”, dia nonenan'ireto olona manaraka ireto…

Farany, manana lahatsoratra mahafinaritra mikasika ny iraka totonsaina mba hitadiavana ny hoe inona ny “Sheikh Yabraq” [13] i Brian Anthony avy ao amin'ny In The Axis [14]

Sheikh Yabraq no lasa Ouagadougou-ako. Sheikh Yabraq no solonanaran'i Hussein ibn Hamdan al-Khuseibi, iray amin'ireo mpanao maritrano fototra tamin'ny fivavahana Alaoita miafina sy tsy takatry ny saina, mpivadika ara-pinoana tena tiako be. Mahaliana ahy ny solonanarany; manolotra zavatra toy ny hoe, ”Izy izay manazava.” Voalaza fa toerana any Aleppo no misy ny tempoliny, toeran'ilay fiankohonan'ny mpanjaka Hamdanid taloha izay nankafizin'i Khuseibi ny fiahiany.