- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kamerona: Fanehoankevitra Tamin'ilay Fifidianana An'i Obama

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Kamerona, Fifidianana, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Raha afaka nizara lahatsoratra mavitribitrika tsy hay intsony hoe fahafiry mikasika ny voka-pifidianana amerikana, naleon'ny vondrona blaogy 20mai.net [1] ao Kamerona nivoaka teny an-dalambe ary naka an-dahatsary ny fandraisan'ny tanora Kameroney sasantsasany ilay fandresen'i Obama. Tao anatin'ity lahatsary eto ambany ity, hitantsika fa anaram-pianakaviana bantou [2] izany hoe Obama izany ary hain'ireo Kameroney ny mandanjalanja ny fireharehany sy ny fanantenany amin'ny maha-Afrikana azy rehefa imasom-bahoaka.

Niteraka fanehoankevitra maro ity lahatsary [3] ity. Rehefa tsy mihodina ny fakàna lahatsary, miverina maka ny azy ny fihetseham-po, tao anatin'ity bemiray ahitàna fanehoankevitry ny mpamaky ity:

maneho hevitra i jts [4]:

Tsikaritro ankoatra ny zavatra hafa fa tsy mijanona amin'ilay fahatsiarovana afrikana mikasika izany ireo  media iraisam-pirenena ary tsy misy tamin'ireo hita be indrindra eny anivon'ireo afrikana no nihevitra fa hevitra mety ny fandefasan'ny televiziona iraka manokana manana firazanana mainty mba handrakotra ilay fifidianana amerikana.

austine mckyielle :

Afaka mitsiky am-pilaminana tsara i martin luther any an-danitra any, ho ela velona Amerika, hitahy an'i Amerika anie Andriamanitra

cent76 :

Eny, mahavita isika
Na any kamerona aza dia mety hihetsika izany!

jean luc :

Ry namako mampalahelo, dia mihevitra ianareo fa hiraharaha an'i Afrika i Obama, mieritreritra ianareo fa fitsanganan-ko velon'ilay kapitalista mamirapiratra manohitra ny kaominisma ary mpanavakava-bolo-koditra izy, ry namana afrikàna, raiso an-tanana ny tenanao ary roahy ireo devoly be ao aminao, roahy ireo filoha tsy azo itokiana sy mpandrefona ny farahidiny…raha tokony hisy fitroarana, anareo no mihetsika fa tsy an'ny vahiny na dia mainty aza izy…ny tenany no tena eritreretin'i Obama…manana nofinofy aho fa tsy i Obama.

Samantha :

Amin'ny maha-Kameroney vavy ahy, mipetraka ao Etazonia ary efa nandalo tao Eoropa, afaka milaza aminareo aho fa:
-Obama ALOHA dia Amerikana! tsy hanaiky ny ho ampitahaina amin'ny Afrikana mihitsy ny amerikana mainty satria ny amerikana mainty dia voalohany indrindra aloha dia amerikana satria mieritreritra sy mitondra tena toy ny amerikana izy. Ary ry anadahiko Afrikana, teneniko aminao androany fa raha toa ka tonga amin'izany toerana izany ireo amerikana mainty ireo ankehitriny, dia satria NIADY IZY IREO! ary tsy manaiky ny hilefitra toy ny nataon'ireo anadahiko Afrikana maro ao Eoropa.

PEP JEAN :

Farany dia mifehy an'izao tontolo izao ihany ny mainty. Henatra goavambe ho an'ireo filoha Afrikana antitra sy arafesina ananantsika. Ireo izay nitondra ny fotsy ho toy ny Andriamanitra foana, nanamarina ny mifanohitra amin'izany i Obama.

Shalimar 444 :

Voalohany, nandresy i BARACK Obama satria tsy nanana fototarazo kameroney izy! ADN-n'ny kolikoly.

Ludovic :

4 taona lasa izay, tsy fantatr'izao tontolo izao i Obama, nandrasa ny anarany tamin'ireo mpanao gazety, ankehitriny lasa filohan'ny firenena matanjaka indrindra erantany izy. Ity fifidianana ity, ity fiakarana haingana dia haingana ity dia manaitra antsika zanak'i Afrika, satria na eo aza ny fijaliana sy ny tsy fananana asa iainantsika, mila mitazona ity ”fahasahiana manantena” ity toa an'i Barack isika.