“Tondroina hisolotena zaratany ny vehivavy, ka masina ny vehivavy noho izany”

Ny Tetikasa Reframed Stories dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena. Amin'ny alalan'ny famoronana zavon-teny mampiasa ny sehatra Media Cloud izay mikaroka angona media amin'ny fotoana iray manokana, afaka mandinika sy mifanakalo hevitra ny santatry ny fijery amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao ny mpandray anjara. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Yessica Paola Izquierdo dia mpitarika Arhuacan ary ao anatin'ny Komity Mpanolotsaina Ara-Kolontsaina ao amin'ny Mamos. Izao manaraka izao dia fandikantsoratry ny lahatsary etsy ambony momba ny famakafakan'i Yessica amin'ny zavonteny amin'ny voambolana “Sierra Nevada,” andian-tendrombohitra iray ao Colombia izay fonenan'ny vondrom-piarahamonina tompotany maro.

Ireo voambolana manjaka avy amin'ny lahatsoratra nivoaka tanelanelan'ny Janoary 2017 ka hatramin'ny Avrily 2018 hita nanonona “Sierra Nevada” (tandavan-tendrombohitra any Colombia) ao anaty lahatsoratra miisa 1187 ao anatin'ny angona Media Cloud dimy amin'ny sehatra fampitam-baovao miteny espaniola. (Mijery sary lehibe kokoa)

Como mujer pienso que también se debe resaltar nuestro rol y lo que significamos y lo que representamos. Como mujer, nosotras las arhuacas, tenemos una gran importancia. La mujer es identificada como representación del territorio, es decir, lo que representa el territorio, así que las mujeres son sagradas. Las mujeres somos el equilibrio para el hombre, para dar ese impulso espiritual para que el hombre cumpla sueños.

Las mujeres indígenas somos ese querer que cumple sueños también en la casa, y de igual forma tenemos nuestro rol del tejido que es importante para nosotros, porque tejer significa pensamiento, significa territorio, significan nuestros sueños, significa nuestros pensamientos. Entonces, es muy importante también resaltar el trabajo de la mujer.

Amin'ny maha-vehivavy ahy, mihevitra aho fa tokony asongadina ny anjara toeranay, ny ilàna anay ary izay maneho anay. Manana anjara toerana goavana izahay vehivavy Arhuaco. Tondroina ho misolotena zaratany ny vehviavy, izay no izy, inona no anehoana ny zaratany, ka dia masina ny vehivavy. Vehivavy no mizànan'ny lehilahy, manome ilay fandrisihana ara-panahy ho an'ny lehilahy mba hahatontosa ny nofinofin-dry zareo.

Mba te-hahatontosa ny nofinofinay ao amin'ny fiainan-tokatranonay ihany koa ny vehivavy tompotany, ary amin'izay lalana izay ihany, manana ny anjara toeranay izahay amin'ny fanofahofana miaraka izay zava-dehibe aminay satria ny fanofahofana dia midika fisaina, midika zaratany, midika ny nofinofinay, midika ny fisainanay. Ka noho izany dia tena zava-dehibe aminay ny manasongadina ny asan'ny vehivavy.

Inona ny voambolana na teny tokony ho zavonteny idealy maneho ny vahoaka Arhuaco ao amin'ny fampitam-baovao?

  • Saberes ancestrales
  • Cosmovision arhuaco
  • Importancia del territorio
  • Autonomía política
  • Consulta previa
  • Independencia economica
  • Defensa a la Sierra Nevada
  • Fahendren-drazana
  • fijerin'ny Arhuaco izao tontolo izao
  • Mahazavadehibe ny zaratany
  • Fizakantena politika
  • Fanontaniana mialoha
  • Fahaleovantena ara-toekarena
  • Fiarovana ny Sierra Nevada

Ity dia ao anatin'ny andiana Rising Frames norafetin'i Mónica Bonilla, izay nanomana sy nanamora ny atrikasa notontosaina tamin'ny 18 May 2018 tao amin'ny Center of Internet and Society tao amin'ny Del Rosario University -ISUR- ao Bogotá, Colombia izay nitondra miaraka ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina tompotany Arhuaco sy Wayuu handray anjara amin'ity asa fomba fitantarana nomerika ity.

Nanatrika tamin'ny fandikana an-tsoratra sy ny fandikanteny, izay nahitsy hazava sy amin'ny halavany i Mónica Bonilla.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.