- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiovàn'ny mpitantana ny Lingua Myanmar

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Miarahaba anareo rehetra. Nanapa-kevitra ny hiato amin'ny maha-Mpitantana ny Fandikan-teny Myanmar [1] i Thant Sin [2], satria tsy ahafahany mitantana ny tranonkala ny asany amin'izao fotoana izao kanefa mbola mijanona ho toniandahatsoratra izy.

Nanatevin-daharana ny GV ho mpanoratra i Thant tamin'ny volana Desambra 2012, nanatevin-daharana ny Lingua Myanmar izy fotoana fohy taorian'ny taona 2015 ho mpitantana ny fandikan-teny. Tena tombony lehibe hoan'ny ekipa izy! Mandrisika anareo izahay mba hizara ny taratasy fisoratana anarana raha mahafantatra olona liana amin'ny fanatevenan-daharana ny ekipan'ny mpandika teny [3] ianareo!