- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Alaska: Lasa toerana fivahinianana masina ny bisy 142 tao amin'ny sarimihetsika “Into the Wild”

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 24 Septambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 24 Aogositra 2009, tanora roa mpandeha dia an-tongotra lavitra, Amerikana iray 19 taona ary Shinoa iray 21 taona no very [1] tany amin'ny lalankely Stampede [2] akaikin'i Fairbanks, tany Alaska. Nitatitra ireo mpiambina izay nahatsikaritra azy ireo fa nanao akanjo tsotra fanaovana eny an-dalambe izy ireo ary tsy nisy afa-tsy tahirin-tsakafo kely niaraka taminy. Tsy vao voalohany akory izao no nahitana mpandehandeha tsy mitandrina tao amin'ity faritra dia sady tsy azo iainana ao Alaska ity.

Toy ireo olon-kafa talohan'izy ireo, nandeha hizaha ilay “Bisy Majika” izy ireo, iray tamin'ireo mpilalao roa tamin'ilay boky be mpividy indrindra  Into the Wild [3], nivoaka tamin'ny taona 1996. Ity tantara ity dia navadik'i Sean Penn ho horonantsary [4] taty aoriana, izay sady mpanatontosa ilay sarimihetsika nivoaka tamin'ny taona 2007 ihany koa.

Notantarain'i Jon Krakauer [5] tao amin'ity boky ity ny tantara marina momba an'i Christopher “Alexander Supertramp” McCandless, mpianatra iray nahavita ny fianarany, nandao ny fianakaviany sy ny namany mba hanao dia hamakivaky ny lalan'i Amerika, izay nitarika tany amin'ny tanjona nahafaty azy: Alaska. Hita maty tao anaty bisy efa potika iray izay nampiasaina ho toeram-pialofan'ny mpihaza tao an-toerana izy.

Mbola tsy fantatra ny anton'ny nahafatesany [6] hatramin'izao – moa ve izy matin'ny hanohanana , sa voapoizina, sa maty noho ny ratra? – izay nahatonga ny misterin'ny tantara.

Christopher McCandless in the front of the "Magic Bus" (photo found undevelopped in his own camera)Christopher McCandless eo anoloan'ny “Bisy Majika” (sary hita tao amin'ny fankatsariny)

Araka ny gazety Kanadiana The Star , olona miisa 100 eo ho eo [7] avy amin'ny firenena samihafa no manao ity fivahinianana masina ity isan-taona mba hanjohy ny dian'i Christopher McCandless. Lasa mariky ny fahalalahana izy amin'ny fiverenan'ny olombelona amin'ny natiora indray.

Fivahinianana masina mankany amin'ny bisy

Namaritra [8] ny zava-tsarotra hitany nandritra ny diany nankany amin'ny toerana izay nahafatesan'i Christopher McCandless ilay bilaogera sady mpanao dia lavitra Dan, ao amin'ny The road chose me (Nifidy ahy ny làlana) .

J'ai rencontré deux Autrichiens sympas, Thomas et (roulez le ‘R’) Roland sur la route Dalton [9] et j'ai mis en tout dix secondes pour les convaincre de m'accompagner jusqu'à “L'autobus”.  Nous avons pu rouler pendant environ 20 km sur la piste Stampede, puis nous avons dû laisser les véhicules et continuer à pied. Pendant la première heure et demie de marche, le lendemain matin, nous avons marché sur une piste pour les quads vraiment bien, à travers quelques petits marécages, puis nous avons traversé quelques rivières, avec de l'eau jusqu'au genou, qui nous ont recrachés au bord de la rivière Teklinika.

Nihaona tamin'ny Aostrishiana mahafinaritra roa aho, Thomas sy Roland tany amin'ny làlana Dalton [9] ary tao anatin'ny folo segondra no nandreseko lahatra azy ireo mba hiaraka amiko hatrany amin'ilay “Bisy”. Afaka nitondra fiara tamin'ny lalan'ny Stampede izahay teo amin'ny 20 km teo, ary avy eo tsy maintsy najanona ny fiara ary nanohy dia an-tongotra. Nandritra ny iray ora sy sasany voalohany nandehananay, ny ampitso maraina an'iny, dia nandeha an-tongotra tamin'ny làlana afaka handehanan'ny quads tsara izahay, nanavatsava honahona madinika, avy eo dia nandeha namakivaky ny renirano, tamin'ny rano hatreny an-dohalika, izay namoaka anay hatrany amin'ny moron-dreniranon'i Teklinika.

Rehefa niakatra ny moron'ny renirano, dia nahita toerana hamakiana ilay renirano ry zareo. “Tena natahotra mafy aho rehefa nanasa-pe ny rano ary nanomboka nihanatanjaka ny riaka”, hoy i Dan nanoratra . Farany, tonga tany amin'ny “Fairbanks Bus 142″ ry zareo:

Quand le bus n° 142 est apparu, au bord du sentier, comme s'il surgissait de nulle part, j'ai presque sursauté […] mais d'une certaine façon, je n'étais pas encore prêt à être là. Je suis resté au bord de la clairière un moment, puis à nouveau à l'entrée, en essayant de tout enregistrer. Même si je n'étais jamais venu avant, tout était familier, grâce aux descriptions du livre, du film et aussi aux photos que j'avais vues sur Internet.

Je pensais que le Magic Bus serait un endroit calme, mélancolique, où passer du temps. J'ai été plutôt surpris de constater que c'était le contraire.

Raha niseho tery amin'ny sisin-dàlana ny bisy laharana faha 142, toy ny hoe nivoaka avy tany amin'ny toerana tsy fantatra izy, ka somary taitra aho […] saingy tamin'ny lafiny iray, tsy mbola vonona aho ny ho any. Nijanona teo amin'ny toerana malalaka aho aloha, ary avy eo teo am-baravarana indray, sady nanandrana nitazana ny zava-drehetra. Na dia mbola tsy tany aza aho hatramin'izay dia efa nahazatra ny nahita ny zava-drehetra, noho ny filazalazana tao anaty boky, ny horonantsary ary ireo sary izay hitako tamin'ny Aterineto.

Nieritreritra aho fa toerana mangina, mampalahelo mba hakana aina ilay Bisy Majika. Gaga aho raha nahita fa ny mifanohitra amin'izany no izy.

Bisy voazimbazimba 

Misy ny mpitsidika sasany no tsy manaja ity ‘môzôle’ ity. Niresaka momba izany tao amin'ny bilaoginy The Edventures ilay bilaogera Ed Plumb ao Fairbanks, any Alaska. Nanoratra  [10] izy momba ny fitsidihany faharoa tany amin'ny Bisy Majika hoe :

Donc, nous sommes arrivés au bus et nous l'avons trouvé complètement sans dessus dessous. Quelques fenêtres avaient été défoncées, il y avait du verre brisé partout  et la plupart des choses dans le bus avaient été renversées. Des ordures jonchaient tout le périmètre et également le bosquet d'épicéas à côté.

Dia tonga tany amin'ilay bisy izahay ary hitanay fa nikorontana tanteraka izany. Pepo ny varavarankely sasany, feno vakim-pitaratra teny rehetra teny ary nianjera avokoa ny ankamaroan'ny zavatra tao anatin'ilay bisy. Niparitaka ny fako ary nisy kirihitrala ihany koa teo akaikiny .

Tsy ny mpanao dia lavitra tsy matahotra na ny mpanimba zavatra ihany no voasarik'ilay bisy. Nampisehon'ilay mpanao sary hosodoko sady bilaogera Heather Horton tao amin'ny tranonkalany [11] ny iray tamin'ireo sary hosodokony izay nalaina avy tamin'ny aingam-panahin'ny fitsidihany ny Bisy Majika :

"Fairbanks Bus 142", courtesy of Heather Horton [11]“Fairbanks Bus 142″, tabilao natao niaraka tamin'ny fahazoan-dalana avy amin'i Heather Horton

Je pensais à Chris McCandless quand j'ai travaillé sur cette toile, comme lorsque je me suis trouvée dans le bus. Heureusement, j'avais pris beaucoup de photos préparatoires, ce qui refait rejaillir les émotions et les souvenirs. Je pensais au 113 jours qu'il a passé dans le bus, à quoi il pouvait penser, aux fenêtres par lesquelles il regardait, à ce qu'il voyait en lui tout autant qu'à travers les carreaux des vitres. Ce tableau consacré au lieu où il a vécu la dernière et fatidique étape de son odyssée est le début de mon propre voyage.

Nieritreritra an'i Chris McCandless aho rehefa niasa tamin'ity sary hosodoko ity, toy ny hoe tao anatin'ilay bisy aho. Soa ihany, fa naka sary be dia be aho niomanako, izay namelona sy nampahatsiahy indray ireo fihetseham-po sy ny fahatsiarovana. Nieritreritra ireo 113 andro izay nipetrahany tao anatin'ilay bisy aho, ny zavatra noeritreretiny, rehefa nijery ny varavarankely, ny zavatra hitany tao aminy, toy ny rehefa mijery ny fitaratry ny varavarankely. Natokana ho an'ny toerana izay niainany ny dingana farany tamin'ny diany ratsy fiafara ity sary hosodoko ity .

Indrisy anefa, nanomboka nampandany vola be ny vondrom-piarahamonina tao an-toerana ny asa famonjena vokatry ireo dingana marobe ireo . Noho izany, nanomboka noresahana tany Alaska ny momba ny famindrana ilay “Bisy Majika” indray andro any [7]  mankany amin'ny toerana iray izay tsy manasaro-dalana ireo mpitsidika.