Manorina Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Aterineto

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Ireo fitsaràna an-tendrony sy ireo fahatsapàna nifanipaka, izay mazàna nifanohitra sy tsy marina, ny fifandirana izay nampifanohitra azy ireo mikasika ny olan'ilay faritra ifandirana ao Haut-Karabakh, dia mbola mahazo vahana tokoa, na izany ao Armenia, na any Azerbaïjana. Na izany aza, manao ezaka ireo sasantsasany [amin'ny fiteny anglisy] mba hanandramana hamahana ny toe-draharaha. Ny birao misahana ny Fanabeazana sy ireo Raharaha Ara-kolontsaina ao Etazonia an'i Amerika dia nanangana tetikasa iray vaovao amin'ny tambajotra, natokana ho an'ireo tanora (DOTCOM) [amin'ny fiteny anglisy] izay ny Project Harmony [amin'ny fiteny anglisy] no hampiroborobo azy.

Ao anatin'ireo tanora 90 mandray anjara amin'ilay tetikasa, folo isaky ny firenena no hofidiana mba hanatanteraka ny fiofanana fanamafisana fahalalàna momba ny fampiasana ireo media any Vermont (Etazonia) mandritra ny fotoam-pahavaratra 2009. Ho any Armenia ireo tanora Amerikana rehefa avy eo ary any Azerbaijana kosa ny lohataona 2010 mba hiasa miaraka amin'ireo mpandray anjara any amin'ireo firenena ireo amin'ny tetikasa DOTCOM, mba ho tonga aminà asa media iray manana mpihaino marobe kokoa. Ireo tanora dia hofantenana mifanaraka amin'ny firotsahan'izy ireo tao anaty tetikasa, ny fahazoan'izy ireo mikasika ny media sy ny faniriany handray andraikitra amin'ny fomba misy fanorenana kokoa anatina fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo kolontsaina samihafa.

Ireo tanora izay tsy hanao fitsidihana dia hanohy amin'ny fandraisana anjara amin'ny tetikasa avy amin'ny alalan'ny asa fandalinana ny media sy ny fahavitrihany amin'ny maha-olom-pirenena azy ireo, amin'ny alalan'ireo sehatra fifampiresahana anaty tambajotra.

Inona no hiafaran'ny DOTCOM?

• Mpandray anjara 90 avy ao Armenia, Azerbaijana ary Etazonia no hiasa amin'ny aterineto mba hitrandraka ireo media sy ny andraikitra azon'ireo tambajotra sosialy tazonina mba hanovàna ireo fitsaràna an-tendrony  sy ireo fahatsapàna.

• Mpandray anjara 30 avy ao Armenia, Azerbaijana ary Etazonia no handray anjara amin'ireo fifanakalozana miaraka amina vahiny, mba hiaraka hiasa amin'ireo mpandray anjara hafa amin'ny tetikasa DOTCOM, mba handrisihana ho amin'ny fanovàna ao amin'ny firenen'izy ireo.

• Alefa amin'ny aterineto ireo lohahevitra voavolavola mandritra ny tetikasa, amin'ny alàlan'ny tambajotran'ny Fikambanana Tsy Miankina sy ny fikambanana misahana fampahalalam-baovao manerantany, amin'ny alalan'ny fampiasana ireo fitaovan'ny Web 2.0,  toy ny blaogy, mySpace, Flickr ary Youtube, mba hanatrarana ireo mpihaino manerantany.

• Hanana tombony amin'ny fandraisna andraikitra anatinà tetikasa mirona ho amin'ny tombontsoa iraisana ireo tanora, manakaiky ireo tanora na ireo fikambanana, ao Etazonia sy any ivelany, amin'ny fomba miharihary sy azo tsapain-tanana miaraka amin'ireo hafa mpandray anjara ao amin'ny tetikasa DOTCOM.

• Blaogy iray, tazonin'ireo mpandray anjara, sy sehatra fifampiresahana iray ety anaty tambajotra, no  hahafahan'ireo vondrona avy amin'ireo firenena samihafa mifanakalo malalaka ireo torohay sy ireo sary, ary fifanakalozan-kevitra iray, momba ireo trangan-javatra na ireo olana sosialy.

Tamin'io fotona io , ny 1 desambra 2008 no daty farany notondroina hametrahana ireo firotsahana, ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 15 na 16 taona, ary afaka nahazo fanampim-panazavana tao amin'ny tranonkala an'ny DOTCOM. Nisy koa ny vondrona iray [amin'ny teny anglisy] eo amin'ny Facebook manodidina an'io tetikasa io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.