- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noho ny faneren'ny mpitandro ny filaminana, “miantona amin'izao fotoana izao” ny Beirut Pride 2018

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Haban-tanana zarain'ny Beirut Pride. Loharano: pejy Facebook. [1]

Roa taona misesy izao [2], nikarakara tafatafa sy lanonana [3] anoherana ny fankahalana sy fanilikilihana mifototra amin'ny fimaroana karazana (lahy/vavy) sy fironam-pilàna ara-nofo ny Beirut Pride, miara-miasa amin'ireo vondrona hafa manohana sy manandra-teny ho amin'ny zon'ny LGBTQ+.

Tamin'ny 12 mey no natomboka [4] ny Beirut Pride 2018 [Rehareha 2018 Beirota], ahitana odiambavafo mankalaza “ireo ray aman-dreny nikajy ny fianakaviany, izay tsy nanary ny zanany rehefa niseho ho pelaka, na farafaharatsiny, nitady ny fianakaviana tsy hisy hiendaka.”

Nefa tamin'ity taona ity, nosakanan'ny Fiarovana Ankapobeny ao Libanona tsy hotontosaina ny lanonana Pride iray—dia ny tantara famakianteny iray— izay nolazaina fa notontosaina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna. Nosakanana izany na dia teo aza ny fangatahan'ny [4] teathra tamin'ny Fiarovana Ankapobeny, izay nametraka ho ao anatiny lisitry ny asany amin'ny fomba ofisialy ny ‘sivana haino aman-jery [5]‘, raha nilaina nojeren'ny biraon'ny sivana ny vakiteny. Nilaza anefa ny Fiarovana Ankapobeny fa tsy natao izany.

Nokasaina hotontosaina tao amin'ny Teathra Zoukak tao Beirota ity lanonana nofoanana ity. Niditra tao amin'ny teathra ireo mpikambana ao amin'ny Fiarovana Ankapobeny sy ny sampana mpanao famotorana avy amin'ny polisy ary nanapaka ny famakiana maimaim-poana ny fandikana ho amin'ny teny Arabo ny tantara tsangana amin'ny teny Frantsay iray, ny “Ogres” nosoratan'i Yann Verburgh.

Notazonina nandritra ny alina i Hadi Damien, iray amin'ny mpikarakara ny Beirut Pride, ary taorian'ny fanerena avy amin'ny Fiarovana Ankapobeny, dia nanapa-kevitra ny Beirut Pride hampiato ny hetsika “amin'izao fotoana izao [6]“.

Nandany ny alin'ny 14 ka hatramin'ny 15 mey tao amin'ny tobin'ny polisy ao Hobeiche malaza ao Beirota i Damien, fantatra amin'ny fampijaliana tahaka ny iray notaterin'ny gazety Libaney iray mivoaka isan'andro amin'ny teny frantsay L'Orient Le Jour (OLJ) io toby io, izay nisamborana, nikitakitaina ary nampijaliana mpivady pelaka tany Hobeiche sy ireo toeram-pitazonana hafa any Libanona.

Araka ny loharanom-baovaon'ny polisy niresaka tamin'ny OLJ [7], dia notazonina i Hadi Damien noho ny didy fanenjehana avy amin'ny fampanoavana ao Libanona. Nomena safidy izy na hanao sonia fifanekena hampitsahatra ny lanonan'ny Beirut Pride na halefa eny amin'ny mpitsara ny raharaha hanadihady azy amin'ny andinin-dalàna “mifandraika amin'ny fandrisihana ho amin'ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny famotehana ny fahaiza-mitondra tena ampahibemaso amin'ny alalan'ny hetsika voarindra”.

Avy amin'ny toro-hevitry ny mpisolovava, dia nanapa-kevitra i Damien fa ny safidy tsara indrindra dia ny hanasonia ny fifanekena, ary dia navela hiala tao amin'ny tobin'ny polisy ny mpandrindra ny Beirut Pride.

Tamin'ny 15 mey ny Beirut Pride namoaka izao fanambaràna manaraka izao [6]:

تمّ إطلاق سراح هادي دميان المشروط وبيروت برايد آمنة. نعلّق في الوقت الرّاهن الفعاليّلات المُدرجة تحت عنوان بيروت برايد حتّى العشرين من أيّار ٢٠١٨. شكرًا لاهتمامكم ولتعاطفكم، ونرجو من الجميع إنتظار بيانًا مفصّلًا عند السّاعة التّاسعة مساءً وعدم إصدار تخمينات غير صحيحة تثير الرّيبة وتضلّل الرّأي العام.

Tsy misy olona notazonina amin'izao fotoana izao, ary tsy maninona ny Beirut Pride. Miantona amin'izao fotoana izao ny lanonana nomanina eo ambany fanevan'ny Beirut Pride hatramin'ny 20 Mey 2018. Misaotra anareo noho ny fiahianareo sy ny fangorahanareo, ary mangataha amim-kitsimpo aminareo mba tsy hanao sahoan-dresakaa. Hanome fanazavana amin'ny antsipirihany izahay amin'ny alin'ny 9 alina ho fanazavana izay mitranga.

Nomelohin'ny fikambanan'ny firaisamonim-pirenena ny fanerena avy amin'ny manampahefana. Nanameloka [8] ny fampanginana hetsika mitandro ny fitoniana ny avy ao amin'ny Proud Lebanon, izay miasa “hahatontosa ny fiarovana, ny fanomezan-kasina sy ny fitovian'herijika amin'ny vondrona voatosika ho eny anjorom-bala amin'ny alalan'ny karazan-tolotra ho an'ny fiarahamonina”, ary nanampy fa:

Lebanon has always been known for respecting diversity and claims to be an inclusive country for ALL its citizens, despite their differences. Yet in the past couple of years we are witnessing a total boycott of the LGBTIQ+ movement from expressing loudly and publicly its need of co-existence in a society that should be protective, inclusive and welcoming each and every individual.

Fantatra hatrany amin'ny fanajana ny fahasamihafana i Libanona sy ny filazana fa firenena tsimialonjafy ho an'ny olom-pirenena REHETRA, na dia eo aza ny fahasamihafana. Eny fa na dia miara-mahita aza isika tao anatin'ny roa taona ny fanaovana ankivy tanteraka ny hetsika LGBTIQ+ tsy hidradradradra ampahibemaso ny fitadiavany fiarahana monina ao anaty fiaraha-monina tokony hiaro, tsimialonjafy ary mandray ny tsirairay.

Ny tolona mandeha amin'izao fotoana izao hiadiana amin'ny fankahalàna pelaka ao Libanona

Ao Libanona, voarara amin'ny filazana fa ‘tsy voajanahary’ ny firaisambatan'ny mitovy karazana (lahy sy lahy/vavy sy vavy): Raràn'ny Andininy 534 amin'ny Lalàna Ady Heloka Bevava Libaney “izay rehetra firaisam-batana mifanohitra amin'ny lalànan'ny natiora”. Tanelanelan'ny taona 2007 sy 2017 anefa, hitan'ny mpitsara efatra [9] fa tsy tokony ampiharina amin'ny firaisambatana nifaneken'olona ampy taona mitovy taovam-pananahana ny lalàna.

Fa tsy nanakana ny fihoaram-pahefana ataon'ny governemanta libaney izany. Vao haingana no nitatitra [10] ny Human Rights Watch (HRW) fa kapohina amin'ny taribin'herinaratra sy ampidirana tehim-by ankeriny ireo lehilahy pelaka sy ireo vehivavy niova fananahana. Hitan'ny HRW fa raha nahita fahombiazana ihany ireo vondrona mpikatroka libaney amin'ny “fampamenarana” ny servisin'ny polisy ao amin'ny Herim-Pilaminana Anatiny amin'ny “fandraketana ny fihoaram-pahefana sy famoahana ho fanta-bahoaka ny kaontin'ny lasibatra”, dia “tsy miraharaha loatra ny faneren'ny vahoaka” ny ao amin'ny Fiarovana Ankapobeny, “ka mahatonga ny fihoaram-pahefana ataon'ny Fiarovana Ankapobeny amin'ny olona LGBT ho sarotra toherina kokoa.”

Nofoanana ihany koa [2] ny Beirut Pride taona 2017 noho ny fandrahonana avy amin'ny Ligin'ny Miozolomana Mpampianatra (Ulemas) ao Libanona [11] (هيئة علماء المسلمين في لبنان). Niangaviana ihany koa [2] ny vondrona Kristiana Orthodoksa “hivavaka hanoherana ny fandrahonan'ny homosexualité

Ao amin'ny tranonkalany [12], ny Beirut Pride milaza ny tenany ho “sehatra fiaraha-miasa maka fijoroana tsara hanoherana ny fankahalana sy ny fanavakavahana mifototra amin'ny karazana sy ny fironana ara-nofo. […] ny Beirut Pride dia manana fijoroana manodidina ny 17 mey, Andro Iraisampirenena Hiadiana amin'ny Fankahalana Pelaka sy niova Fananahana.”