- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailandy: Mpandeha an'arivony voakasiky ny fitokonan'ny fiaran-dalamby

Sokajy: Thailandy, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny 27 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpandeha maherin'ny 200.000 no voakasika tamin'ny fitokonana nanerana ny firenena nandritra ny roa andro, izay notarihin'ny mpiasan'ny Lalambim-pirenena tao Thailandy (SRT). Nanao hetsi-panoherana manohitra ny fanapahan-kevitry ny minisitera [1] ireo mpiasa ireo, izay inoan'izy ireo fa hitarika ho any amin'ny fanaovana ny orinasan'ny lalamby ho tsy miankina amin'ny fanjakana. Nofoanana [2] ny fitokonana ny Talata (23/6) tamin'ny hariva, taorian'ny nanomezan'ny manampahefana toky ireo tompon'andraikitry ny sendikan'ny mpiasa fa tsy hisy ny fanaovana tsy miankina ny orinasa noho ny fandaharan'asan'ny fanavaozana ny lalamby.

Nihevitra  ny bilaogy Personal Thailand fa tonga ny fotoana hanatanterahana ny fanavaozana [3] sasantsasany ao amin'ny rafitry ny lalamby Thailandey:

Voilà, le personnel de la société de chemin de fer est en grève parce qu'il refuse les réformes proposées par le gouvernement, ou en tout cas, les responsables syndicaux les plus puissants refusent ces réformes…Comprenez-moi bien, je ne veux pas voir la société privatisée ou même vendue mais voyons, acceptez la création de nouvelles lignes, la vente de propriété foncière et cessez d'appeler à la grève dès que vous n'obtenez pas ce que vous souhaitez.

Mitokona ny mpiasa ao amin'ny orinasan-dalamby satria mandà ny fanavaozana natolotry ny governemanta izy ireo, na hoe nandà izany fanavaozana izany ireo manampahefana sendikaly matanjaka indrindra… Aza disoana aho fa tsy tiako ny mahita ny orinasa havadika ho tsy miankina na koa hoe ny fivarotana izany fa hiangaviako aloha ny fananganana ny zotra lalamby vaovao, ny fivarotana ny tany ary atsaharo ny fiantsoana fitokonana raha vao tsy mahazo izay ilainareo ianareo.

Noho ity fitokonana ity , mpandeha [4] an'arivony no voatery nandeha bisy. Anisan'ny niharan'ny olana i Yi Chin [5]:

Les Thais sont en grève autant qu'ils veulent. Nous avions projeté de prendre le train au départ de Bangkok, pour aller à Kanchanaburi [6], afin de visiter le Chemin de Fer de la Mort (Death Railway). Malheureusement, le personnel de la gare est en grève pour obtenir des augmentations de salaire. Nous avons donc dû prendre le bus.

Mitokona araka izay tiany ireo Thailandey. Nikasa ny handray fiaran-dalamby miala ao Bangkok mankany Kanchanaburi [6] izahay hitsidika ny Lalambin'ny Fahafatesana (Death Railway). Indrisy fa mitokona ny mpiasan'ny gara mba hahazoan'izy ireo fisondrota-karama. Noho izany, tsy maintsy naka bisy izahay.

State Railway of Thailand. From the Flickr page of Ian Fuller [7]

Fiaran-dalambim-pirenen'i Thailandy. Avy amin'ny pejy Flickr an'i Ian Fuller

Nandinika [8] momba ny lafy ratsy sy ny lafy tsaran'ny famadihana ho tsy miankina amin'ny fanjakana ny orinasan'ny lalamby ho an'i Thailandy i My Thai Friend:

Alors la privatisation de la SRT sera-t-elle bénéfique pour, la Thaïlande et les transports publics? D'un côté, le service deviendra peut-être plus propre et plus efficace, mais de l'autre, les tarifs vont forcément augmenter. Cette conséquence sera gênante pour les Thaïs les moins aisés qui comptent sur le système actuel pour voyager pas cher et pour certains, gratuitement à travers le pays.

Moa ve ny fanaovana tsy miankina ny SRT hitondra tombontsoa ho an'i Thailandy sy ny fitateram-bahoaka? Etsy an-kilany, mety ho lasa madio sy mahomby kokoa ny tolotra, fa etsy andaniny kosa anefa, tsy maintsy hiakatra ny vidin'ny tapakila. Hitondra fahasahiranana ho an'ireo Thailandey tsy dia manam-bola loatra izay miantehitra amin'ny rafitra misy ankehitriny mba handehanana amin'ny vidiny mora izany sy ho an'ny sasany, izay mandeha maimaim-poana manerana ny firenena.

Nampiseho ny fanadihadiana natao fa tsy faly [9] tamin'ity fitokonana ity ny ankamaroan'ny Thailandey. Ity misy topi-maso momba ireo fanehoan-kevitra momba ny fitokonana tao Bangkok tao amin'ny Twitter :

da_mike [10]:  Il faudrait un vrai CHANGEMENT à la SRT. Je ne suis pas d'accord avec les syndicats cette fois-ci.
siampearl [11]: Une grève. Apparemment, cette agence gouvernementale ne fait pas de bénéfice depuis 10 ans mais les employés veulent des augmentations, logique non, mes impôts…oui, pas de problème évidemment.
jakeneedham [12]: Il y a une grève des trains dans tout le pays, aujourd'hui, complète avec la colère des travailleurs contre la rhétorique de leurs chefs, ça fait penser aux Etats-Unis des années 1950.
obruch [13]: Dans tout le pays, la grève laisse les trains à l'arrêt. De nombreux passagers restent à quai. La Thaïlande fait pourtant de gros efforts pour relancer le tourisme…
da_mike [14]: Ce sont les passagers qui devraient se plaindre des syndicats des chemins de fer. La grève n'est pas un mal en soi mais les passagers devraient être avertis à l'avance.

da_mike [10] : Mila tena fanovana marina ny SRT. Tsy niombon-kevitra tamin'ireo sendikà aho tamin'ity indray mitoraka ity.
siampearl [11]: Fitokonana. Toa, tsy nahazo tombony nandritra ny 10 taona ity sampandraharaham-panjakana ity kanefa mila fisondrota-karama ny mpiasa, mazava ho azy, ny hetrako… eny, tsy misy olana mazava ho azy.
jakeneedham [12]: Misy fitokonan'ny fiaran-dalamby manerana ny firenena, androany, miampy ny fahatezeran'ny mpiasa manohitra ny kabarin'ny lehibeny, mampahatsiahy an'i Etazonia tamin'ny taona 1950 izany.
obruch [13]: Manerana ny firenena, namela ireo fiaran-dalamby teny amin'ny fiantsonana ny fitokonana. Betsaka ny mpandeha nilaha-maina. Miezaka mafy anefa i Thailandy mba hampiroboroboana ny fizahantany …
da_mike [14]: Ireo mpandeha no tokony hitaraina momba ny sendikan'ny lalamby.  Tsy ratsy ny fitokonana, saingy tokony hampandrenesina mialoha ny mpandeha.