- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: Tsy alefa intsony ny fandaharana Ry Simpson

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 18 avrily 2008)

Toa tsy dia mankasitraka loatra ny sarimiainan'i Matt Groening “Les Simpson [1]” ny governemanta venezoelana. Noraràna tsy ho azo alefa tamin'ny fantsona fahitalavitra tsy miankina ao Venezoelà, noho ny baikon'ny governemanta, ity fandaharana mitohy amerikana ity. Heverina fa nahazo fitarainana maromaro ity sampan-draharaham-panjakana ity satria nalefa tamin'ny 11 ora atoandro Ry Simpson. Hafahafa ihany raha nahazo fitarainana tao Venezoelà ity fandaharana nanana ny lazany efa ampolony taona maro ity. Saingy niteraka fahatafintohinan'ny vahoaka ity fandraràna, nambara tamin'ny fandaharana tselatra manokana, ity. Tsy noho ny fahatampohany ihany fa noho ny fanoloana ny fandaharana nisy azy ho lasa “Alerte à Malibu”.

Actitud [es] niteny hoe: [2]

Los Simpson han sido considerados muy fuertes y por ende censurados en Venezuela. El tema es que por qué tomar esta decisión después de tanto tiempo de que existe la serie tan popular.

Heverina ho mivantana loatra ry Simpson ka dia noraràna tao Venezoelà. Ny olana dia hoe nahoana no elave aty aoriana vao nandray fanapahan-kevitra toy izany amin'ity fandaharana mitohy malaza dia malaza ity.

Avy any Arzantina, amin'ny “Blogus”, fanehoan-kevitra iray masiaka kokoa [3]:

Ya está bien Chávez!, es increíble que te transformes en una ridícula y decadente caricatura de vos mismo, que todas las ideas socialistas se transformen en stalinistas, que los controles a la prensa sea casi igual a la censura empleada en regímenes dictatoriales. Ya está bien. Ya sabemos como latinoamericanos lo que pasa con los que se creen los salvadores del mundo; tarde o temprano la pagan. ¿No aprendiste la lección en el referendum que perdiste? No Chávez, Los Simpsons, no. ¿No te das cuenta que aunque el formato de familia que representan puede ser extrapolado a todas las familias occidentales, es más una crítica a la sociedad estadounidense? (…)Si vos querés que tu modelo de familia no sea el de Homer y compañía, dejá que la sociedad y los niños la comparen.

Aoka re ry Chavez ! Tsy mampino hoe lasa ilay endrika sariitatra fanesoana anao tokoa ianao, lasa hevitra stalinista ny hevitra sosialista, lasa mitovy amin'ny fanao amin'ny fanapenam-bava any amin'ny fitondrana jadona ny fanaraha-maso ny fampitam-baovao. Aoka izay ! Mahafantatra izahay, amin'ny maha-Amerikana-Latina anay, amin'izay mitranga any amin'ireo mihevi-tena ho mpamonjy izao tontolo izao; hivaly any amin-dry zareo foana ireny na ho ela na ho haingana. Tsy mbola nahazo lesona tamin'ny faharesenao tamin'ny referandaoma ihany ve ? Tsia ry Chavez, tsy Ry Simpson kosa! Tsy mbola azonao ve ra na dia azo ampifanakaikezana amin'ny endrika fianakaviana tandrefana aza ry zareo, dia natao ho fitsikerana ny fiarahamonina ao Etazonia izy io? Raha tsy tianao hitovy endrika amin'ny fianakavian'i Homer ny endrika fianakaviana maodely aminao dia avelao ny fiarahamonina sy ny ankizy hanapa-kevitra (amin'izay tiany hojerena na tsia).

Namaly ihany koa [4] ny bilaogy Noticias y entretenimiento [es]:

Que!?!?

El organismo de control televisivo del país asegura que la serie es “una mala influencia” para los menores.

Los niños venezolanos ya no podrán ver Los Simpson. El gobierno de Chávez ha obligado a retirar de la programación Televen, un canal privado de televisión, la mítica serie protagonizada por Homer, Marge, Bart, Lisa y Maggie. La serie ya tiene sustituto, los musculosos socorristas enfundados en rojos bañadores de Los vigilantes de la playa. (O si… que buena influencia!!!)

Ahoana?!?!
Nilaza tamintsika ny sampan-draharaham-panjakana manara-maso ny fampitam-baovao fa “mampiana-dratsy” ny tsy ampy taona ilay fandaharana.
Tsy ho afa-mijery an-dry Simpson intsony ny kilonga Venezoelana. Noteren'ny governemantan'i Chavez ho esorina amin'ny programan'i Televen (tambajotra tsy miankina) ry Homer, Marge, Bart, Lisa ary ry Maggie. Efa manana solony sahady ilay fandaharana: ry bokonozatra mpahay lomano mpitondra fitafy mena avy ao amin'ny Alerte à Malibu (Oh! “Mampiana-tsara” kosa an!).

Milaza [5] i Periodista digital [es]:

El presidente venezolano ha vuelto a meter mano en la tele. Ahora, por el bien de los niños. Piensa que la serie es una “mala influencia para los niños” y ha decidido que los infantes se entretengan viendo los tremendos escotes de las vigilantes de la playa; una, “menos controvertida”.

Nitsabaka tamin'ny fahitalavitra ny filoha venezoelàna, ho fiarovana ny kilonga. Mihevitra izy fa “mampiana-dratsy ny ankizy” ilay fandaharahana ka nanapa-kevitra fa ry zareo miborindandridan'ny “Alerte à Malibu” no ho fialamboliny, fandaharana iray “tsy mampiady hevitra loatra” io.