- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà : Fandefasana ny Zanabolana “Simon Bolivar”

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Siansa, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Taorian'ireo taona telo niomanana, nametraka zanabolana iray hipetraka aminà toerana raikitra any an-habakabaka any ny governemanta venezoeliàna. Nalefa avy any Shina, hoampiasaina aminà tetikasam-pifandraisandaviira any Venezoelà sy Amerika Latina ilay zanabolana. Hiasa mandritra ny 15 taona ny zanabolana “Simón Bolivar”, mitondra ny anaran'ilay mpanafaka ny firenena [1], ary ho ampiasaina amin'ny fifandraisana, ny fampitàna telefaona sy fahitalavitra manerana ny tanibe ilany atsimon'i Amerika, izay niankindoha [tany aloha] tamin'ireo fotodrafitrasan'i Etazonia.

Nandritra ny ora maro, nijery ny fampitàna io fandefasana io tao amin'ny fahitalavitry ny fanjakana ireo bilaogera venezoeliàna. Hitan'izy ireo ihany koa ny filoha Hugo Chávez nanararaotra ilay lanonana mba hanaovana fampielezankevitra ho an'ireo kandidà tohanany amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 23 Novambra. Toy ireo hetsika politika, dia endrika iray niteraka adihevitra koa ilay fandefasana zanabolana.

Yosmary de Rausseo [2] (esp) dia nandray ilay vaovao ofisialy sy ny lahatsarin'ilay fandefasana, ary nampanarahany ny lahatsorany ny hafatra toy izao ; «Ho ela velona ny revolisiona Bolivariana sy ny politika liampivoarana an'i Hugo Chavez.»

Ao amin'ny biloaginy, tsaroan'i Horacio de UnoConTodos (esp) fa mbola manana trosa sosialy mivangongo be ilay firenena, tsy mbola voaloa, ary io dia «zanabolana natao ho an'ireo sangany [3].» Nanaingoany ny lahatsorany ny sarinà ankzilahy kely iray mikaroka izay azo arapaka ao anaty fanariana fako.

Guillermo Amador koa manoratra momba izay fiovàna mety ho teraka avy amin'io zanabolana io, ary miandry ny mba homena anarana azy io amin'ny fomba venezoeliàna, toy ilay sambondanitra, lasa Arepa [4] (mofomamy boriboby ) 3000 ao anatin'ilay rakitsarin'ny tarika Los Amigos Invisibles [5]. Antenain'i Guillermo ilay zanabolana mba «ho ambany fitantanan'ireo izay tsara ofana fa tsy izay mpisoleleka sy «mafàna fo [6]» (esp) ao anatin'ny governemanta, mba tsy hiafàra ho toy ny fandanidaniam-poana.

Nankasitrahan'i Romulo Rodriguez, manoratra bilaogy iresahana hainahandro [7] (esp), ilay fandefasana ary nosoratany fa nisy ireo teknisiana venezoeliàna nofanina ho amin'ny fifehezana ilay zanabolana . Ho azy, firosoana mankan amin'ny tsara mba hanatsaràna ny onjam-pahitalavitra mankany aminà tokantrano maro kokoa io, eny fa na hoe an'ireo fahitalavi-panjakàna aza.

Ho fehiny, ilay mpanao hatsikana, Laureano Márques, naneho hevitra tamin'ilay fanararaotana politika nataon'ny filoha Chavez tamin'ilay lanonana siantifika [8] tamin'ny nidedahany nilaza ny ideolojiany sy ireo kandidà tohanany.

El Presidente afirmó: “¿Qué tiene que ver un satélite con el socialismo? Una empresa capitalista lanza un satélite para hacer dinero. Este es un acto de liberación e independencia (…) para construir el socialismo dentro de Venezuela y para cooperar con otros pueblos”, cosa que me parece extraordinaria.

Lástima que los chinos no piensen igual y hayan cobrado a Venezuela 241 millones de dólares, a los que se suman 165 millones por la construcción de las dos sedes terrestres de control.

Electores, el próximo 23 de noviembre, cuando estén solos con sus conciencias, recuerden que ahora, desde lo alto del espacio, el Libertador os contempla.

Hoy ny filoha : «Inona no idiran'ny zanabolana amin'izay resaka sosialisma? Mandefa zanabolana mba hazoany tombony ny orinasa kapitalista iray. Hetsika fanafahana sy fahaleovantena io (…) mba hananganana ny sosialisma ao Venezoelà sy mba hiarahana miasa amin'ny firenena hafa» ; zavatra izay hitako fa mampitolagaga.

Mahamenatra fa tsy misaina toy izany ry zareo Shinoa satria nasainy nadoa faktiora 241 tapitrisa dolara i Venezoelà, fanampin'ireo 165 tapitrisa dolara sandan'ireo foibe roa fibaikoana avy ety an-tany.

Ry mpifidy, amin'ny 23 novambra (andron'ny fifidianana), rehefa irery miaraka amin'ny sainao iny ianao, tsarovy fa ankehitriny, avy eny amin'ny habakabaka eny, mitazana anao ilay Mpanafaka.