- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nogadraina ireo mpikatroka Rosiana manohitra ny kolikoly noho ny “fitarihana fitroarana” tamin'ny alalan'ny siokan'izy ireo

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava

Polisy misahana ny rotaka manakaiky ny mpanao fihetsiketeshana tamin'ny 5 Mey 2018, tao Moskoa // DonSimon [1], CC0

Nampiasain'ny manampahefana ho porofon'ny fitarihana korontana faobe ny sioka, ary indraindray ny “retweets” tamin'ny votoaty hafa an'ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly izay nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanokanana faninefany an'i Vladimir Putin ho filoha .

Ny 5 May, nanatontosa famoriam-bahoaka manerana an'i Rosia teo ambanin'ny teny filamatra mahazatra hoe “Tsy tzar ho antsika izy”  ny Fikambanana mpanohitra ny kolikoly (FBK), fikambanan'ny mpanohitra lohandohany ao Rosia. Niharan'ny fanoherana feno herisetra avy amin'ny polisy sy vondrona matoky ny filoha ny fihetsiketsehana.

Tany Moskoa, notafihan'ny [2] lehilahy nanao fanamiana Cossack (izay ampiasain'ny governemanta matetika ho vondrona milisy mba  hanorisorenana [3]  mpanohitra no sady misoroka ny fanomezan-tsiny mivantana ny polisy), ary koa ny polisy mahazatra sy ny polisy misahana ny rotaka ny famoriam-bahoaka tao amin'ny kianja Pushkinskaya. Olona am-polony no naratra, ka anisan'izany ireo mpanao gazety 25 farafahakeliny, ary maherin'ny 1 600 no notazonina.

Mpandray anjara am-polony maro no notsaraina noho ny “fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana” na noho ny “fanoherana ny polisy.” Voasazy 30 andro an-dranomaizina i Alexey Navalny, mpitarika ny FBK, izay nosamborina tao amin'ny famoriam-bahoaka tao Moskoa noho ny “fanitsakitsahana matetika ny filaminam-bahoaka”.

Fisamborana marobe no natao taorian'ny 5 May. Nandritra ny herinandro manaraka, mpikarakara ny FBK sy mpikatroka 28 no nosamborina mangingina, voampanga ho nitarika korontana mifototra tamin'ny siokan'izy ireo na ny fizarana ny siokan'izy ireo, araka ny filazan'ny mpisolovavan'ny fikambanana, Ivan Zhdanov, izay nosamborina [4] ihany koa ny 24 May. Raha voasazy handoa onitra fotsiny sy noafahana ny sasany, ny sasany kosa voasazy higadra 30 andro, sazy faran'izany lava noho ny fahadisoana eo ambanin'ny lalàna Rosiana.

Leonid Volkov, mpitantana ny fampielezan-kevitr'i Navalny hatry ny ela, niteny hoe:

Notazonina fotsiny tao ivelan'ny biraonay i Ivan Zhdanov. Miatrika ny andininy faha 20.2 [“Manitsakitsaka ny dingana napetraka ho an'ny fandaminana na fitarihana fivoriana, famoriam-bahoaka, fihetsiketsehana, diabe na fijoroana tsy mihetsika” ao amin'ny fehezan-dalàna fanitsakitsahana ny fitantananan-draharaha Rosiana] izy (saingy sambany taminy izany, ka 10 andro no azony fa tsy 30 andro), avy eo nisy ny “fikarakarana famoriam-bahoaka tamin'ny alalan'ny retweet.” Toa tahaka ny nanagadra ny rehetra izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity

Nosamborina tao akaikin'ny tranony i Elena Malakhovskaya, mpanolotra vaovao ao amin'ny Navalny LIVE, fantsona Youtuben'ny FBK noho ny fitantarana ny fihetsiketsehana 5 Mey tao amin'ny fantsona — na noho ny “fikarakarana famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana,” araka ny filazan'ny polisy.

Notazonina tao akaikin'ny tranony ilay mpanolotra vaovao @elmalakhovskaya

Tamin'ny ankamaroan'ny tranga hafa, ny siokan'izy ireo na ny “retweets” no porofo nanenjehana ireo mpikatroka ny FBK. Ohatra, Kira Yarmysh, manampahefan'ny gazetin'i Navalny, voasazy 25 andro an-tranomaizina noho ity hafatra manaraka ity:

Tsy nifidy ireo eo amin'ny fahefana izahay. Ny fivoahana sy ny fanaovana fihetsiketsehana amin'ny 5 Mey dia midika filazana amin'ny tenanao sy ireo manodidina anao fa: Tsy manaiky ny zava-mitranga aho. Satria nesorina taminay ny zonay hifidy, ny fomba tokana hanehoanay ny feonay mba ho re dia ity:

Nanisy rohy tamin'ny lahatsary Youtube ny siokan'i Yarmysh tao amin'ny fantson'i Navalny izay mampiroborobo ny famoriam-bahoaka 5 Mey. Efa nisy nijery in-3 tapitrisa mahery sahady ny lahatsary tamin'ny fotoana nanoratana.

Nogadraina 30 andro ihany koa ilay mpanolotra fandaharana hafa ao amin'ny Navalny LIVE, Ruslan Shavetdinov noho ny fizarana sioka ahitana hafatra mitovy – na dia iray tamin'ireo an'arivony maro nizara izany fotsiny aza izy.

Milaza ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa ao anatin'ireo fironana ahitana fanagadrana Rosiana maro dia maro noho ny hetsika antserasera io. Nilaza ny Agora, orinasan'ny lalàna pro-bono izay manome fanampiana ara-pitsarana ho an'ireo voampanga amin'ny raharaha tahaka izao fa mitombo be ny isan'ny fanenjehana noho ny famoahana votoaty na koa fampitàna fizarana votoaty ao amin'ny media sosialy ao Rosia Araka ny hita amin'ny tatitra [11] farany nataon'izy ireo, Rosiana mpisera aterineto iray no naiditra am-ponja isaky ny 8 andro tamin'ny taona 2017.