Madagasikara: Manome Aina Indray Ny Nofinofy Amerikana i Obama

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia nivoaka tamin'ny novambra 2008

Tsy isalasalàna fa tena lavitra an'i Etazonia i Madagasikara saingy maha-romotra ao koa ny tazom-pifidianana. Saintsainin'ireo blaogera malagasy sasantsasany ny antony anarahan'izy ireo am-pahalinana ny fifidianana amerikana ary ny hoe midika inona ho azy ireo ny filoha Obama.

Nandefa lahatsoratra iray i Jentilisa mikasika ny fahataitairana ateraky ny “nofinofy amerikana”. Ohatra, mitanisa fandaharana malaza iray amin'ny fahitalavitra ao Madagasikara izy, izay ny saina amerikana no manokatra azy sy ny ampahany manaraka: tambanivohitra malagasy iray tao anaty birao fandatsaham-bato nanontany raha toa izy ka afaka mifidy ho an'i Obama. Manontany tena izy momba izay mety hiteraka hafanam-po mitovy amin'izany ho an'ny saina sy ny firenena malagasy :

Partout aux Etats-Unis, vous verrez des citoyens portant leur drapeau avec fierté, mais qu'en est-il de notre propre drapeau, cher lecteur ? Que faudrait-il pour que vous le chérissiez à ce point ?

reharehan'ny Amerikana ery ny sainany, fa ny sainam-pirenenao mpamaky io moa mba ankafizinao va? Sa tahaka ny ahoana no atao mba hitiavanao azy?

Manampy izy hoe:

Amerikana foana ny Amerikana na iza mitondra eo na iza! Mirehareha amin'ny maha-izy azy izy. Manandratra ny kolontsainy, miaro ny tombotsoany amin'ny fomba rehetra, fa ny anao kosa manao ahoana? Toa manao fitan-droa… sadasada ihany fa sady te-ho mpitarika na olona mpitantana ambony eto Madagasikara no mizaka ny zom-pirenena heverina fa miaro ny tombotsoany manokana.

Rehefa lasa ofisialy ireo vokatra, naneho hevitra ireo malagasy marobe mpampiasa Facebook. Manaiky i Alain Rasendra hoe:

Nampitomany ahy i Grant Park. io ilay Amerika no tiantsika rehetra, miaraka amin'ny filohany mpanambatra sady mpanentana olona. Tehaka ho an'ireo Amerikana rehetra manome an'io wind of change (rivo-panovàna) ho an'ny rehetra io.

Manamarika i Sandy Rarivoson hoe:

dia teraka eto ny vanim-potoanan'ireo safiotra

Ampanetren-tena no nilazan’ i Thierry Andriamirado fa tsy sahala amin'izay ny tranga any Madagasikara

Raha tsy diso ny fihevitro, any Madagasikara, tsy afaka mirotsaka amin'ireo fifidianana ho filoham-pirenena ireo safiotra, araka ny Lalampanorenana mihatra… ie mba milamina ny saiko fara-faharatsiny, tsy hirotsaka ao anatin'izany ireo zanako.

Mamintina izay fahitan'izy ireo ny fifidianana an'i Obama ireo malagasy hafa mpampiasa aterineto :
Manoratra eo amin'ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook i Hasina Noel:

Io no manaporofo amin'izao tontolo izao fa i Etazonia dia iray hatrany ao anatin'ireo firenena tena mahatalanjona eto amin'izao tontolo izao. Mety tsy ho tanteraka mihitsy io any aminà firenena hafa na iza na iza.

Manampy i Lalaina Ramarivelo hoe:

Manantena aho fa ho hafa ny fijerin'izao tontolo izao ny firazananay, izahay mainty hoditra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.