Mandrisika ny governemanta vaovao ao Malezia hanatanteraka fanavaozana amin'ny media

Ny filohan'ny mpanohitra Maleziana Anwar Ibrahim miarahaba ireo mpanohana azy nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2013, herintaona talohan'ny nigadrany. Noafahana izy tamin'ny 16 May 2018, andro vitsy taorian'ny fandresen'ny antoko mpanohitra. Antenaina fa handray anjara lehibe amin'ny governemanta vaovao tarihin'ny praiminisitra Mahathir Mohamad izy. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, Firdaus Latif (CC BY-NC-ND 2.0)
Nentanina ny governemanta vaovaon'i Malezia mba hanatanteraka ny fampanantenany tamin'ny fampielezan-kevi-pifidianana amin'ny fametrahana fanavaozana amin'ny fitantanana, izay ahitana ny fanafoanana ny lalàna manohintohina ny fahalalahana miteny. Na dia maro aza no midera ireo dingana sasany voalohany noraisin'ny governemanta vaovao, maro koa ireo mihevitra fa tsy maintsy apetraka ny fiovana matanjaka kokoa mba hiantohana ny fahalalaham-pitenenana.
Ny 9 May 2018, noresen'ny antoko Pakatan Harapan (PH) ny Barisan Nasional (BN) izay nanjakazaka teo amin'ny politika Maleziana nandritra ny 60 taona. Ny faharesen'ny BN dia noho ny fitakian'ny vahoaka ho an'ny fanovana fitantanana taorian'ny nahatafidiran'ny praiminisitra teo aloha Najib Razak tamin'ny tantara ratsy maromaro momba ny kolikoly. Voampanga ihany koa ny governemantan'i Najib ho nampiasa lalàna henjana hanagadrana mpitarika ny mpanohitra, hampitahotra ireo mpitsikera sy hanivana ny media.
Nandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra, namoaka fanambarana izay nitanisa ny sasantsasany amin'ny fanavaozana avy hatrany hotanterahiny ny PH raha mandresy amin'ny fifidianana izy, tahaka izany ny fametrahana filankevitry ny media ahitana ireo mpitarika ny fampahalalam-baovao sy ny fanavaozana ny lalàna henjana rehetra.
Ankehitriny, satria ny PH no lohan'ny governemanta vaovao, mampahatsiahy azy ireo vondrona fiarahamonim-pirenena isan-karazany mba hanatanterahany ny fampanantenany hanitsy ny lalàna mampahory, ny politika sy ny fandaharan'asa teo ambann'ny antokon'ny fitondrana teo aloha.
Nanamafy indray ny fandaharan'asany momba ny zon'olombelona ny Amnesty International, izay ahitana izao:
…rights to freedom of expression and association, better protections for refugees and people seeking asylum, respecting the rights of Indigenous Peoples, protecting LGBTI individuals, abolishing the death penalty and ending the persecution of human rights defenders.
… zo amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fikambanana, fiarovana tsara kokoa ho an'ireo mpitsoa-ponenana sy ireo olona mitady fialokalofana, manaja ny zon'ny mponina tompotany, miaro ny olona LGBTI, manafoana ny sazy fanamelohana ho faty ary mamarana ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona.
Nangataka tamin'ny governemanta vaovao ny Lawyers for Liberty (Mpisolovava mandala ny Fahafahana) mba hanokatra ireo tranonkala sy bilaogy nakaton'ny Vaomieran'ny Fifandraisana sy ny Media marolafy Maleziana (MCMC). Nakaton'ny MCMC ireo tranonkala ireo noho ny fitaterana ny trangan-kolikoly nataon'i Najib.
Nanatevin-daharana ireo vondrona hafa ihany koa amin'ny fitakiana ny fanafoanana avy hatrany ny lalàna izay nampiasan'ny manampahefana matetika mba hanafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpitsikera ny governemanta, toy ny Lalànan'ny Fikomiana 1948, ny Lalàna Fisorohana ny Heloka bevava 1959, ny Lalànan'ny Fisorohana ny Fampihorohoroana 2015, sy ny Lalànan'ny Fifandraisana sy ny media marolafy 1998, ary ny Lalàna vaovao Manohitra ny Vaovao Faikany 2018 lany vao haingana.
Hatreto, dia nankasitrahan'ny ankamaroan'ny vahoaka ny valinteny voalohan'ny governemanta vaovao.
Voalohany, niasa tamin'ny famotsorana an'i Anwar Ibrahim, lehiben'ny mpanohitra teo aloha, izay nosamborina tany amin'ny hopitaly noho ny fiampangana azy ara-politika tamin'ny kolikoly sy ny sodomia.
Nanangana Komity ho an'ny Fanavaozana ara-panjakana ihany koa ny governemanta tarihin'ny PH mba hanaiky ny tolo-kevitra momba ny fanavaozana ny asa birao.
Nosokafana ireo tranonkalam-baovao sasany tamin'ny 17 May, toy ny Sarawak Report sy Medium.
Nesorina tamin'ny 14 Mey ihany koa ny fandraràna fivezivezena ho an'ilay mpanao sariitatra ara-politika sady mpikatroka, Zunar, mpitsikera mafy an'i Najib.
Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Atitany vaovao fa handinika haingana ny lalàna mampiadihevitra tahaka ny Lalànan'ny Fikomiana ny governemanta.
New Home Minister Muhyiddin Yassin says his ministry will review laws such as the Sedition Act in consultation with activists etc, look at border security, defend the sovereignty of Sabah and Sarawak, resolve stateless Indian issues, talk to UNHCR about Rohingya issues. pic.twitter.com/yOtp1fCyAo
— Sumisha Naidu (@SumishaCNA) May 22, 2018
Nilaza ny minisitry ny atitany vaovao Muhyiddin Yassin fa handinika ny lalàna tahaka ny Lalànan'ny Fikomiana miaraka amin'ny faka-kevitry ny mpikatroka, sns ny minisitera, hijery ny fiarovana sisintany, hiaro ny fiandrianan'i Sabah sy Sarawak, hamaha ny olan'ny Indianina tsy manan-tanindrazana, ary hiresaka amin'ny UNHCR momba ny olana Rohingya.
Saingy nanaitra ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena (CSOs) ny fanambarana iray nataon'ny praiminisitra Mahathir Mohamad fa hanova ny lalàna manohitra ny vaovao faikany ny governemanta amin'ny famoahana famaritana mazava momba izay atao hoe vaovao faikany satria nampanantena ny PH tany am-boalohany fa hanafoana ny lalàna.
Nanazava ny antony tokony hanafoanana ny lalàna manontolo ny Sarawak Report:
Journalists and citizens must be allowed speak freely and even be allowed to get it wrong, if they can show their intentions were to inform about something they genuinely had good reason to believe and are willing to correct and amend if found mistaken (as opposed to intended and malicious lies). These are the principles that have now evolved after much pain and argument in most modern democracies and Malaysia would do well to join them.
Tsy maintsy havela haneho hevitra malalaka ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena ary koa avela handiso mihitsy aza, raha afaka mampiseho izy ireo fa ny fikasany dia ny hampahafantarana zavatra izay tena ninoany marina ary avela hanitsy sy hanova raha misy diso (mifanohitra amin'ny lainga natao sy misy fikasan-dratsy). Ireo no fitsipika mivoatra ankehitriny taorian'ny fahoriana sy hevitra marobe teo amin'ny demaokrasia maoderina kokoa ary tsara i Malezia raha manatevin-daharana azy ireo.
Fikambanam-piraisamonina 20 eo ho eo no nanasonia fanambaràna maneho fahadisoam-panantenana noho ny “hafatra mifangaro avy amin'ny fitondrana fiaraha-mitantana amin'ny fanafoanana ny lalàna vaovao manohitra ny vaovao faikany.” Nanolotra safidy hafa izy ireo:
We believe that the more effective solution to any disinformation and misinformation is the enactment of a Freedom of Information Act at the federal level.
Mino izahay fa ny vahaolana mahomby indrindra manoloana ny vaovao lainga sy ny vaovao diso dia ny fametrahana Lalàna momba ny Fahalalahana amin'ny vaovao eo amin'ny sehatra federaly.
Nampahatsiahy ny PH ihany koa izy ireo fa tsy ampy ny fanavaozana ara-dalàna raha hamaha ny nataon'ny BN tamin'ny asa birao Maleziana:
…legislative reform must go hand-in-hand with the restructuring of national institutions to ensure accountability, independence, and respect for human rights. Moreover, the new government must meaningfully engage civil society in a program of reform that is inclusive and participatory.
… Ny fanavaozana momba ny lalàna dia tsy maintsy miaraka amin'ny fandrafetana indray ny andrim-panjakana nasionaly mba hiantohana ny fandraisana andraikitra, ny fahaleovantena sy ny fanajana ny zon'olombelona. Ankoatra izany, ny governemanta vaovao dia tsy maintsy mampandray anjara ny fiarahamonim-pirenena sivily amin'ny fandaharan'asa fanavaozana izay iarahana sy ifarimbonana.
Nitsikera ny polisy noho ny fisamborana lehilahy iray izay “nanevateva” ny praiminisitra Mahathir tao amin'ny Facebook ihany koa ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Nilaza ny polisy fa namaly fotsiny ny fitarainana momba ilay ahiahiana:
Nanamafy ilay politisianina menavazana Lim Kit Siang fa tokony hiova ao amin'i Malezia “vaovao” ity fitondran-tenan'ny polisy ity:
In the New Malaysia, police response must not depend of “who” lodges police reports, but “what” was in the police report, and actions where civil remedy is available should not be criminalised just because the subject-matter involves the Prime Minister or any Minister for that matter.
Ao amin'ny Malezia vaovao, tsy tokony hiankina amin'ny “iza” no nametraka ny fitarainana ny valintenin'ny polisy, fa “inona” no ao anatin'ny tatitry ny polisy, ary ny hetsika misy ny vahaolana sivily dia tsy tokony holazaina ho heloka bevava satria mahatafiditra ny praiminisitra na ny minisitra misahana ny raharaha.
Nilaza i Mahathir fa tsy miombon-kevitra amin'ny hetsika nataon'ireo polisy ihany koa izy ary nilaza fa hanao laharam-pahamehana ny fandinihana ny lalàna manjavozavo izay manameloka ny tsikera tsotra atao amin'ireo manampahefam-panjakana ny parlemanta.
Nankasitrahan'ny Foibe ho an'ny Asa Fanaovan-gazety Tsy miankina ny fanambaràn'i Mahathir momba ity tranga ity ary nitaky ny fampiatoana ny fampiasana ny lalàna manasazy izay mbola misy fiantraikany eo amin'ny fiarahamonina. Namintina ny fanamby napetrak'ireo mpiaro ny fahalalahana miteny ho an'ny governemanta vaovao ihany koa ny vondrona:
It is critical at this juncture for the Pakatan Harapan coalition government to commit to defending a vibrant space for public discussion as the nation is headed towards transformation, to enable greater public participation in this process. This include clearly and unequivocally defending the right to freedom of expression, whether offline or online.
Amin'izany, tena zava-dehibe ny firotsahan'ny governemanta fiaraha-mitantana Pakatan Harapan amin'ny fiarovana ny sehatra midadasika hisian'ny fifanakalozan-kevirta ampahibemaso amin'izao fitodihan'ny firenena mankany amin'ny fiofoana izao, sy hamelàna fandraisana anjaran'ny vahoaka betsaka kokoa ao amin'izany dingana izany. Anisan'izany ny fiarovana mazava tsara ny zo momba ny fahalalaham-pitenenana, na ivelan-tserasera izany na antserasera.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...