- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafahoatra ny fisamboran'i Kazakhstan an'ireo mpanohana an'ilay mpanefoefo Ablyazov

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka

Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'i Vadim Boreiko [1]

“Araka ny mahazatra, maro kokoa noho ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy teo amin'ny sehatra ,” mpanao gazety monina any amin'ny faritra nilaza tamin'ny Global Voices mikasika ny iray amin'ireo andrin'ny fahalalaham-pitenenana manerana an'i Kazakhtan saingy nakaton'ny manampahefana avy hatrany.

“Toe-draharaha mampalahelo izany,”hoy ilay mpanao gazety, izay naniry tsy hitonona anarana.

Tamin'ny 10 Mey, nisy ny famoriam-bahoaka natao tany amin'ireo tanàna maro tao Kazakhstan niaraka tamin'ny sora-baventy mivaky hoe “Atsaharo ny fampijaliana!” ary “Avotsory ireo gadra politika!” Nosamborina sy nogadraina saika avy hatrany ny ankamaroan'ireo mpanao hetsi-panoherana.

Human Rights Watch nitatitra hoe [2]:

Kazakh police yesterday detained dozens of people in cities across the country who were protesting the use of torture and politically motivated imprisonment.

People appear to have rallied in response to a call by opposition movement Democratic Choice of Kazakhstan (DVK), which a Kazakhstan court in March declared “extremist” and banned [3]a move seen by some simply as a means to repress the opposition group [4].

Nitàna olona am-polony amin'ireo olona nanao fihetsiketsehana manohitra ny fampijaliana sy ny fanagadrana ara-politika amin'ireo tanàna nanerana ny firenena ny polisy Kazakh omaly.

Toa nanao famoriam-bahoaka ny olona ho setrin'ny antso nataon'ny hetsiky ny mpanohitra Safidy Demokratikan'i Kazakhstan (DVK), izay nambaran'ny fitsarana Kazakhstan tamin'ny volana marsa fa “mahery fihetsika” ary voaràra, hetsika izay hitan'ny sasany fa fitaovana hanasaziana ny vondrona mpanohitra fotsiny [3].

Sarotra kokoa ho an'ny olon-tsotra Kazakh ny mahazo vaovao momba ny hetsi-panoherana.

Tsy niraharaha tanteraka ny fihetsiketsehana ny haino aman-jerim-pirenena, anisan'izany ny haino aman-jery tsy miankina milaza ny tenany fa tsy miankina.

Rehefa nohadihadian'ny tolotra Kazakh, Radio Free Europe / Radio Liberty (RFE / RL), nilaza ny ankamaroan'ny mpanao lalàna ao amin'ny parlemanta ao amin'ny firenena Aziatika Afovoany fa tsy nandre fisian'ny hetsi-panoherana.

Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'i Vadim Boreiko [1]

Nokarakarain'ny Safidy Demokratikan'i Kazakhstan ny famoriam-bahoaka mba hifanojo amin'ny fitsidihan'ny parlemanta Eoropeana ao Kazakhstan [5] mba hiresaka momba ny fahatanterahan'ny Fifanaraham-piaraha-miasa sy fiombonan'antoka (PCA).

Ny iray amin'ireo fepetra lehibe amin'ny fifanekena ny zon'olombelona sy ny fahalalahana miteny.

Rehefa nanomboka ny hetsi-panoherana, tonga teo amin'ny sehatra ny polisy ary nanomboka nitaritarika mpanao fihetsiketsehana ho eny amin'ny fiara fitateram-bahoaka, niezaka nanohitra ireo mpanao fihetsiketsehana. Tahaka izay nitranga talohan'ny hetsi-panoherana Kazakh, nosamborina tamim-pahadisoana ireo sendra mandalo.

Taorian'ny fisamborana, nentina tany amin'ny biraon'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana. Voaheloka handoa onitra ny sasany ary nogadraina hatramin'ny 10 andro ny hafa.

Tsy dia mahazatra any Kazakhstan ny hetsi-bahoaka ary mitaky fahazoan-dàlana avy amin'ny manampahefana, izay zara raha manome alalana.

Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'i Vadim Boreiko [1]

Tadiavin'izy ireo eto izy ireo, tadiavin'izy ireo atsy izy ireo

Ny lehilahy ao ambadiky ny DVK dia i Mukhtar Ablyazov, oligarka (olom-bitsy manjaka) gadra nandositra voampanga ho nandositra ny firenena ary nitondra vola miliara dolara maro niaraka taminy izay famantsiam-bola nangalarina taorian'ny fanafihana banky iray ao an-toerana tamin'ny taona 2009.

Ity no fahavalon'ilay mpanao didy jadona nitondra ela tao Kazakhtan, Nursultan Nazarbayev..

Tsy nahitam-bokatra hatramin'izao ny ezak'i Kazakhstan hitondra an'i Ablyazov hody any Kazakhstan mba hiatrika fitsaràna. Nosakanan’ ny  [6]fahefana sivily ambony indrindra ao Frantsa ny fampodiana azy tamin'ny herintaona, milaza fa noho ny antony ara-politika ny fiampangana azy ho nanao fanodinkodinam-bola.

Ireo mpanohana azy ankehitriny no tafihan'ny governemanta didy jadona sahiran-tsaina. Tamin'ny volana martsa tamin'ity taona ity, narangarangan'ny [3] fitsarana Kazakh ho “ekstremista” ny DVK, manome fahefana ho an'ny manampahefana mba hanenjika izay olona rehetra manana  fifandraisana (na dia kely aza) amin'ny vondrona.

Tranga iray fanta-daza ny momba ilay tovolahy mpandraharaha iray nogadraina ary voalaza fa voadaroka tany am-ponja  [7]noho ny fiampangàna fa nanao famotsiam-bola ho an'i Ablyazov izy. Nilaza ny reniny fa tsy manana fifandraisana amin'i Ablyazov velively ny zanany lahy, fa mampiasa azy mba hanery ny anabaviny, izay niara-niasa tamin'i Ablyazov nandritra ny taona maro ny manampahefana mba hiverina any Kazakhstan ary hijoro vavolombelona hamely ity oligarka ity.

Marefo ny fifandraisaina eo amin'i Ablyazov sy ireo olom-pirenena tsotra ao Kazakhstan izay nosamborin'ny polisy tao an-drenivohitry ny tananan'i Astana nandritra ny fetim-pirenena Nowruz raha nitondra balaonina manga [8]. Toa ny antony mahatonga ny fanafihana goavana dia satria ny manga no lokon'ny vondrona mpanohitra DVK, izay midika fa azo raisina toy ny fampielezan-kevitra ilay balaonina.

Misy ny loza fa tendron'ny iceberg fotsiny izany. Efa ela ireo mpisera tambajotra sosialy no nitatitra olana [9] amin'ny fampiasana Facebook, YouTube sy Telegram isaky ny manomboka miditra an-tserasera i Ablyazov. Raha nanomboka namoaka votoaty maromaro tao anaty aterineto izy, dia nihabetsaka kokoa ny sakana – izay nolavin'ny fanjakana.

Misy ihany koa ireo famantarana mampiahiahy fa miomana hampiasa ny heriny amin'ireo firenena hafa ny governemanta mba hanery azy ireo hiara-hiasa amin'ny fisamborana ny mpiara dia amin'i Ablyazov. Ny herinandro lasa teo, nitatitra ny haino aman-jery tao Kyrgyzstan mpifanolo-bodirindrina fa nisambotra [10] mpanohana akaiky an'ilay mpanohitra ny manampahefana Kyrgyz ary hampody azy tsy ho ela any Kazakhstan. Izany dia na dia eo aza ny zava-misy fa ankoatra an'i Kazakhstan, tsy mbola nisy firenena nanambara hatramin'izao fa “hetsika fampihorohoroana” ny DVK.

Roa ny lasibatra hita miharihary amin'ity dingana vaovao amin'ny fifandonana eo amin'i Ablyazov sy i Astana ity: ny fahalalaham-pitenenana sy fahalalahana hivory. Samy iantohan'ny lalàmpanorenana Kazakh ireo roa ireo, saingy indrisy fa tsy raharahian'ny manampahefana izany.