Tsy Fahaiza-Mitàntana Sa Tsindry Politika No Nandroahana Ilay Tonian-Dahatsoratry ny Bangkok Post, Umesh Pandey ?

Bangkok Post. Sary avy amin'i supercake, mpisera amin'ny Flickr  (CC BY-NC 2.0)

tamin'ny 14 May 2018, nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny i Umesh Pandey, fa tsy tonian-dahatsoratry ny Bangkok Post intsony, ilay gazety amin'ny teny anglisy lehibe indrindra  mpiseho isanandro any Thailandy.

Nolazainy fa noho ny nandàvany ny fangatahan'ny mpitantana ilay gazety hampitsahatra ny fomba fijeriny ny governemanta tohanan'ny tafika no nahatonga izany.

Saingy nolazain'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Bangkok Post tamin'ny haino aman-jery fa nomena andraikitra hafa ao anatin'ny orinasa fotsiny ihany i Pandey sady nesorina tsy ho tonian-dahatsoratra noho ny tsy fahaizany mitantana.

Pandey: “aleoko very toerana toy izay hanondrika ny lohako”

Umesh Pandey. Loharano: Facebook

Voalaza fa nasain'ny teo amin'ny fitantanana nanitsy ny tantara momba ny fiantraikan'ny vokatry ny fifidianana maleziana amin'ny politika Thai izay tsy maintsy avoakan'ny gazety  i Pandey.

Resin'ny antoko mpanohitra maleziana ny antoko eo amin'ny fitondrana izay nitondra ny firenena nanomboka tamin'ny taona 1950. Mandritra izany fotoana izany, ny governemanta any Thailandy amin'izao fotoana izao dia tohanan'ny tafika izay vao nahazo fitondrana tamin'ny 2014.

Fa tahaka ny antoko matanjaka tany Maleziana teo aloha, dia tsy ilaozana karazana kolikoly maro ny Junta any Thailandy. Tokony hanao fifidianana solombavam-bahoaka i Thailandy amin'ny 2019.

Na teo aza ny ‘ fiangavian'ny’ mpitantana, dia nolazain'i Pandey fa nanapa-kevitra ny hamoaka ilay tantara izy :

…rehefa nangatahana ny ‘hilefitra’ aho dia tsy nilefitra ary hentitra aho tamin'ny famelàna ireo handray ny fanapahan-kevitra fa aleoko very toerana toy izay hanondrika ny lohako. Nilatsaka tamiko ihany ny famaky nony farany, 60 andro talohan'ny fiafaran'ny fifanarahana 2 taona nataoko.

Ny pejy voalohany tamin'ny 11 May voasoratra ao amin'ity bitsika manaraka ity dia nolazaina hoe ny ” ilay tete farany” nahatonga ny fanesorana an'i Pandey tsy ho tonian-dahatsoratra, hoy izy :

Angamba ity pejy voalohany tao amin'ny Bangkok Post tamin'ny zoma ity no ilay tete farany izay hamoizan'i Umesh Pandey ny asany amin'ny maha-tonian-dahatsoratra azy.

Tsapa hevitry ny KL ‘lesona iray’ ho an'ny NCPO

Filankevi-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana no dikan'ny NCPO, ilay anaran'ny governemanta tohanan'ny tafika any Thailandy.

“Tsy mbola nisy nitsabaka mihitsy ny fahaleovantenan'ny gazety  Bangkok Post ”

Tamin'ny 16 May, dia namoaka fanambaràna ny Bangkok Post, nilazany fa nesorina noho ny antony hafa ny tonian-dahatsorany taloha :

Vokatry ny anton-javatra maro ary tsy misy ifandraisany amin'ny fizakantenanay amin'ny maha-mpanao gazety anay, na ny votoaty izay novokarinay tamim-pireharehana efa ho 72 taona izao, ny famindràna toerana ilay tonian-dahatsoratray teo aloha.

Nanome antoka ny mpamaky ihany koa  izy fa mbola hanohy hiaro ny fahamendrehany sy ny fahaleovantenan'ny gazety :

Te-hanome toky ireo mpamaky azy sy ny vahoaka ny amin'ny fahaleovantenan'ny gazetintsika ny Bangkok Post sady manamafy fa ny votoatintsika, na avoaka an-gazety izany na amin'ny sehatra hafa, dia tsy mbola nitsabahan'ny governemanta na ireo lehibenà orinasa an-tsehatra mihitsy.

Amin'ny fotoana rehetra dia miezaka araka izay tratry ny herinay izahay hitazonana ny fahamendrehanay, na dia amin'izao fotoan-tsarotra lalovan'i Thailand izao aza, nefa  tsy mbola lefy mihitsy ny fahaleovantenan'ity gazety ity ary izany no zavatra izay tsy hiova mihitsy.

Notaterina ihany koa fa nampangain'ny sasany amin'ireo mpiasan'ny gazety ho ratsy fitantànana sy nanitsakitsaka ny etika  i Pandey. Etsy ankilany , i Pandey dia nilaza fa tsy misy ny porofo natolotra ary ireo mpanenjka azy dia henjehina ho manala baràka.

Mandritra izany fotoana izany, taratry ny toe-draharaha sarotra iainan'ny haino aman-jery fehezin'ny governemanta izay tsy mbola mamerina ny fahefan'ny sivily no fahitan'ny sasany ny fanalàna an'i Pandey.

sariitatry ny anio ho fanohanana an'i @Umeshbkk @atiyapost @PravitR @suranand @JeromeTaylor @georgebkk @JeromeTaylor pic.twitter.com/0Xl3ZDC1A3

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.