- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Etazonia, Shily, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2008)

Tamin'ny 1985, nisy mpikambana iray avy amin'ny kaongresy amerikàna, antsoina hoe John McCain nandeha nankany Shily ary nihaona tamin'ilay mpanao jadona Augusto Pinochet [1], ankoatra ireo hafa mpikambana ao amin'ny governemanta Shiliàna. Ilay mpanao gazety, John Dinges, no namboraka ity fihaonana adinodino ity, navoakany tao amin'ny bilaogy CIPER [esp] [2], sy tao amin'ny Huffington Post, izay nanoratany, momba an'i John McCain [3] hoe “[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'i Pinochet, iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Ampahatsiahivin'ilay shiliàna bilaogera,  Juan Guillermo Tejeda, ny fizotr'ilay fihaonana tamin'ny 1985 [esp] [4]:

El senador estuvo media hora con nuestro monstruito, y además conversó con el almirante Merino, cuyo humor sádico conocimos tan bien… El encuentro, organizado por el entonces embajador de Chile Hernán Felipe Errázuriz, no apareció en los medios y el senador se abstuvo de realizar declaraciones.

Nihaona nandritry ny telopolo minitra tamin'ilay olon-doza kelinay ingahy senatera, ary nihana koa tamin'ny amiraly Merino, izay diso haintsika tsara ny fitiavany mampijaly olona….Ilay fihaonana, nokarakarain'i Hernán Felipe Errázuriz, masoivoho tamin'izany fotoana izany, dia tsy nanaovana tatitra tamin'ny mpanao gazety ary ingahy senatera tsy nanao fanambaràna na kely aza.

Avoitran'i John Dinges ny zavatra nanodidina io fihaonana io, [5] ao amin'ny bilaogy shiliàna Ivontoerana ho an'ny torohay sy fanadihadiana an-gazetyCenter of Journalistic Information and Investigation (CIPER amin'ny teny espaniôla)

Al momento del encuentro, realizado la tarde del 30 de diciembre, el Departamento de Justicia de Estados Unidos intentaba obtener de las autoridades chilenas la extradición de tres hombres cercanos a Pinochet –el ex jefe de la DINA, Manuel Contreras, y los ex oficiales DINA Pedro Espinoza y Armando Fernández Larios- por un acto de terrorismo ocurrido en Washington DC. Un juicio en Washington determinó su procesamiento por el asesinato en 1976 del ex embajador y ex canciller Orlando Letelier y de la norteamericana Ronny Moffit, quien viajaba con él. La bomba puesta en su auto y que estalló en Sheridan Circle, fue descrita en esa época por la prensa internacional como el más flagrante acto de terrorismo internacional perpetrado en suelo estadounidense por una fuerza extranjera.

En esos mismos días en Chile, la oposición buscaba desesperadamente el apoyo de líderes democráticos de todo el mundo en su intento por presionar a Pinochet a poner fin a la dictadura que ya cumplía 12 años y permitir el retorno a la democracia. Otros congresistas visitaron Chile después de la vista de McCain e hicieron declaraciones públicas contra la dictadura y en apoyo del retorno a la democracia, convirtiéndose en el blanco de violentas demostraciones pinochetistas.

Fony nisy io fihaonana io, ny faran'ny tolakandron'ny 30 Desambra, ny Departemantan'ny Fitsaràna Amerikàna dia naniry ny hahazo ny fandroahana ireo mpiaramiasa akaiky amin'i Pinochet  – ilay lehibe fahiny nitantana ny DINA (sampam-pitsikilovana) Pedro Espinoza ary Armando Fernández Larios – noho ny asa fampihorohoroana tany Washington DC. Nandritra ny fitsaràna, tany  Washington, voampanga izy ireo ho namono ilay masoivohon'i Etazonia teo aloha, ary ilay teratany amerikàna Ronny Moffit, niara-dia tamin'i Letelier, tamin'ny 1976. Nofaritana ho asa fampihorohoroana iraisampirenena feno habibiana nitranga tao amin'ny faritry ny tany amerikàna, nataonà hery vahiny, ny fipoahan'ny fiara nitondra azy ireo tamin'izany fotoana izany.

Tamin'ny fotoana nanaovana ilay fihaonan'i Pinochet sy McCain, teo ampikatsahana fatratra ny fanohanan'ireo filoham-panjakana demaokraty ny vondron'ny mpanohitra tao Shily, mba hanao tsindry amin'i Pinochet, hanery azy hamerina ny demaokrasia, ary hahatongavana amin'ny fifarànana am-pilaminan'ny fitondràna jadona izay efa naharitra roa ambinifolo taona sahady. Nanao fanambaràna ampahibemaso nanohitra ny jadona ireo olom-boafidy amerikana hafa tonga nitsidika tany Shily, ary nangataka ny hiverenan'ny demaokrasia. Lasa lasibatry ny fihetsiketsehana feno herisetra nataon'ireo mpomba an'i Pinochet  izy ireo.

Ao amin'ny bilaoginy Chile From Within, (Shily jerena avy ao anatiny), atolotr'ilay shiliàna-amerikàna, Tomás Dinges, ireo rohy maro mankany aminà lahatsoratra nosoratan'ilay “kintan'ny arsiva sady rainy” ary mameno ireo torohay, amin'ny famoahana ihany koa ny valintenin'ny mpitantana ny fampielezankevitr'i McCain [6] [ang] izay navoaka tao amin'ny bilaogy Naked Politics an'ny gazety mpiseho isanandro Miami Herald.

Marobe ireo bilaogy shiliàna sy amerikàna tatsimo namerina namokatra ireo lahatsoratr'i John Dinges mba hanelezana ireo vaovao ireo.