- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Tsinio i Ahmed Zainal!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

[1]

Ny pejy Facebook, Omeo tsiny i Ahmed Zainal

Misy zavatra hitarainana momba an'i Bahrain? Tsy faly tamin'ny zavatra eo amin'ny fiainanao? Aza mitady lavitra. Omeo tsiny fotsiny Ahmed Zainal! Misy mihitsy bilaogy [2]vondrona  [3]Facebook natokana hanomezana tsiny ny tanora Bahrainita noho ny fahoriana sy ny fahantrana ao amin'ny firenena sy ny lavidavitra kokoa ary ny tenirohy Twitter!

Na iza na iza milaza fa ampiasaina fotsiny ho an'ny fikatrohana ao Afovoany Atsinanana ny aterineto. Ity dia vondrom-piarahamonina anaty aterineto goavam-be mankafy ny filalaovana ny fitaovana an-tserasera no sady tafaray anaty iraka iray – manome tsiny an'i Ahmed Zainal noho ny zava-drehetra sy izay rehetra ambanin'ny masoandro.

Ahoana no nanombohan'izany rehetra izany? Araka ny filazan'ny bilaogy [4], napetrak'ilay bilaogera Bahrainita Ammaro [5]:

Simple. Bahrain's Twitterers (is that a word?) decided to meet up for a geekup. Espalion Cafe, 7:30pm. Simple enough, yeah? Obviously since geeks are almost always guys and most girls are generally women who play with fluffy pencils and paint their nails pink, the geekup was a bunch of guys sitting around talking about IP addresses, hotspot sheild, rapidshare vs bittorrent, and streaming the whole thing live for the world to see via Ustream.

Tsotra. Nanapa-kevitra ny hihaona hanao  geekup. Espalion Cafe, amin'ny 7:30 hariva ireo mpisera Twitter ao Bahrain ( teny ve izany?). Tsotra fotsiny, eny? Mazava ho azy, satria saika lehilahy ireo mpankafy aterineto ary vehivavy milalao pensilihazo matevina sy mandoko hoho mavokely ny ankamaroan'ny ankizivavy, andian-jatovo mipetraka manodidina miresaka momba ny adiresy IP, ny hotspot sheild, ny rapidshare vs bittorrent ny geekup, ary mandefa ny zavatra rehetra mba ho hitan'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny Ustream.

 

Tao amin'ny Twitter, nitohy ny resadresaka, miaraka tamin'ireo mpandefa sioka manameloka an'i Zainal amin'ny zavatra samihafa. Manazava i Ammaro:

And there it started… But accidentally, through just blaming Zainal, a whole family of people was involved in the blame, and suddenly…

Ary tao no nanombohan'izany … Saingy tsy nampoizina, tamin'ny fanamelohana an'i Zainal, fianakaviana iray manontolo no tafiditra tamin'ny fanomezan-tsiny, ary tampoka …

Hoy izy nanohy:

And so it took off… Within a couple of hours, it seemed everyone was blaming Ahmed Zainal, and with that, a load of stress and troubles was taken off their minds…

Ary dia nesorina izany … Tao anatin'ny ora roa, toa nanameloka an'i Ahmed Zainal ny rehetra, ary noho izany, niala tao an-tsain'izy ireo ny tambesatry ny rari-tsaina sy ny korontana …

Amin'ny lahatsoratra manaraka, mitanisa [6] “#BlameAhmedZainal tsara indrindra raisina kisendrasendra sasany” i Ammaro. Anisan'izy ireo ny:

@ammar456: Dinosaurs died like 100 milion years ago #BlameAhmedZainal
@Lamya: Loool RT: @omar9944 CNN reports that George Bush #BlameAhmedZainal for 9/11
@ahmed2250: Twitter is distracting today because of all the #BlameAhmedZainal and for that I really #BlameAhmedZainal
@baderkamal: Global Warming = #BlameAhmedZainal

@ ammar456: Maty tamin'ny 100 tapitrisa taona lasa ny dinôzaoro #BlameAhmedZainal
@Lamya: Loool RT: @ omar9944 Nitatitra ny CNN fa #BlameAhmedZainal noho ny 9/11 i George Bush
@ ahmed2250: Manelingelina ny Twitter ankehitriny noho ny #BlameAhmedZainal rehetra ary noho izany dia tena #BlameAhmedZainal aho
@baderkamal: Fiakaran'ny mari-pàna manerantany = #BlameAhmedZainal

Tao amin'ny Facebook, Yacoub Al-Slaise naka dingana lavidavitra – ary namoaka ity [7] lahatsary ity. Tsindrio eo raha te hihomehy ianao!

Namoaka ity [8] lahatsary ity tao amin'ny YouTube ihany koa i Ammaro, izay ilazany amin'izao tontolo izao izay tokony homena tsiny noho ny ratsy rehetra!

Nampiasa fahalalahana amin’ity [9] sariitatra ity ihany koa i Redbelt, izay manameloka an'i Ahmed Zainal:

[10]

Ny fanomezan-tsinin'i Redbelt amin'iAhmed Zainal

Nihaona tamin'i Ahmed Zainal ny Global Voices Online mba hahitana bebe kokoa:

F. Iza moa i Ahmed Zainal? Ary inona no ataonao?

I'm a Bahraini living in Bahrain. I work as a PR specialist at Bahrain Telecommunications Company (Batelco). I'm also an electronic music artist and a social media addict.

Bahrainita monina ao Bahrain aho. Miasa ho manam-pahaizana momba ny seraseram-bahoaka ao amin'ny Orinasan'ny Fifandraisan-davitra Bahrain (Batelco). Mpanakanto mozika elektronika ihany koa aho ary mpankafy media sosialy.

F. Ahoana no fahitanao ny #BlameAhmedZainal? Inona no vokatr'izany teo aminao?

Let's just say I'm glad it died down lol! But in all seriousness I'm glad to have been a part of a meme that got a lot of people on twitter trying to trend. I always wanted to start one, but never thought I'd be in the centre of one! The funniest part was reading the results of a Google search on the hashtag… so many blames… -_-‘

Andeha lazaina fotsiny hoe, faly aho fa maty izany, tpt! Saingy am-pahatsorana, faly aho fa tafiditra ao anatin'ny sary-sy-soratra nahazo olona maro tao amin'ny twitter, miezaka ny halaza [hironana ao amin'ny twitter]. Te-hanomboka iray foana aho, saingy tsy nieritreritra mihitsy hoe ho eo afovoan'ny iray aho! Ny ampahany mahafinaritra indrindra dia ny mamaky ny valin'ny fikarohana ao amin'ny Google momba ny tenirohy … maro tokoa ny tsiny … -_- ‘

F. Inona ny asanao an-tserasera?

I tweet a lot. A LOT. Follow @ahmedzainal [11] to see what I mean! I showcase my music on virb [12] and Facebook [13]. I'm online most of the time (be it on a computer or smartphone) and it has become an essential part of my daily routine.

Misioka betsaka aho. BETSAKA. Araho ny @ahmedzainal [11] mba hahitana ny tiako lazaina! Asehoko ao amin'ny virb [12] sy Facebook [13] ny mozikako. Ao amin'ny aterineto aho amin'ny ankamaroan'ny fotoana (na eo amin'ny ordinatera na smartfinday) ary lasa ampahany manan-danja amin'ny andavanandroko izany.

F. Ahoana no fiantraikan'ny tambajotra amin'ny fiainanao?

Not a day goes by without the urge to tell the world something; anything! Twitter and other social media tools have enabled us to do that. The world has become so much smaller.

Tsy misy andro iray tsy haniriana hilazana zavatra amin'izao tontolo izao; na inona na inona! Nahafahantsika nanao izany ny Twitter sy ny fitaovana media sosialy hafa. Lasa kely kokoa izao tontolo izao.

Tontolo madinika tokoa! Saingy tadidio, raha toa ka simban'ny orana ny fikasanao hanao barbecue, raha tsy mandeha ny fiaranao indray andro any ary efa tara ianao handeha hiasa, raha masiaka aminao ny lehibenao na raha miady ny sakanao – ny tokony ataonao dia ny #BlameAhmedZainal.