- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiovàn'ny mpitantana ny Lingua Rosiana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Miarahaba anareo Global Voices. Nanapa-kevitra ny hiato amin'ny fitantanana ny Fandikan-teny Rosiana i Ekaterina Golubina [1]. Maniry ny hifantoka amin'ny fanomanana ny diplaomany “master” sy ny asany i Katya sady mijanona ho mpandray anjara ihany .

Katya sy Filip, ireo Toniandahatsoratra CCE, tany amin'ny vovonana Nairobi. Sary avy amin'i  Rezwan, Toniandahatsoratra avy any Azia Atsimo.

Tamin'ny volana Septambra 2009 i Katya no nanatevin-daharana ny GV, ary mpikambana navitrika tato amin'ny vondrom-piarahamonintsika izy hatrizay! I Anna Shetnikova [2] ankehitriny no mitantana ny Lingua Rosiana.

Rawan Gharib (Lingua Arabo) sy Anna Shetnikova, tany amin'ny vovonana Colombo. Sary avy amin'i  Jer Clarke, tompon'andraikitra ara-teknika.

Misaotra an'i Katya be dia be noho ny ezaka nataony sy ny fotoana nomeny nandritra ny taona maro!