- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: Manao Fandrakofana Fifidianana Amin'ny Alàlan'ny Tambajotra Ireo Olom-pirenena

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Ny Alahady 23 Novambra 2008, nandatsa-bato i Venezoelà mba hifidianana ireo ben'ny tanàna sy ireo governora izay nandrafitra ny kisarisary politika an'ireo fari-piadidiana sy ireo monisipaly manohana, na tsia, ny Filoham-pirenena Hugo Chávez [1].. Niankina betsaka tamin'ny lazan'i Chavez ireo vokatra ary afaka manosika azy hanova indray ny lalàm-panorenana mba hirotsahana amin'ny taona 2012. [Fanavaozana ny Alatsinainy 24 Novambra 2008: nanome tombony an'ireo mpomba an'i Chavez ny fifidianana]

Tao amin'ny Twitter, nanao fandrakofana ny fifidianana ireo blaogera sy ireo venezoeliàna mpampiasa aterineto tamin'ny alalan'ireo hafatra nampidiran-dry zareo ny soratra miafina #23N (ho famantarana ny 23 Novambra). Azo jerena avy amin'io rohy io ireo hafatra isankarazany nampiasa an'io soratra miafina io [2].

Herinandro vitsivitsy lasa izay, fanentanana iray no nalefa mba hamporisihana ireo mpifidy handatsa-bato, ary mba hampiasa ireo media manokana hiresahana an'ireo fifidianana. Ity lahatsary ity dia antsoina hoe: “Fantatrareo ve fa afaka ny ho mpanaramaso akaiky ny fifidianana ianareo, amin'io 23 novambra io?” ary ity ny fandikàna ny hafany: 


Fantatrareo ve fa afaka ny ho mpanaramaso ny fifidianana ianareo amin'io 23 novambra io?
Tsy mila mangataka fanomezan-dalana amin'ny CEN ianareo (Fitsaràna Nasionaly Misahanany Fifidianana) na amina antoko politika na iza na iza. Tsy mila mameno taratasy na mangataka fankatoavana ianareo. Mila mandray andraikitra fotsiny ianareo miaraka amin'ireo tambajotran'ny namanareo, ireo mpifanolo-bodirindrina, fianakaviana ary mpiaramiasa. Ampitampitao ny vaovao  natrehanareo maso.
Ampiasao ny findainareo, ny fakantsarinareo, ny aterineto, ny blaoginareo, ary raha toa ianareo tsy manana, eto no fotoana mety hanokafana iray amin'izany, ny [mombamomba] ny Facebook-nareo.  Mifidiàna ary araho maso!

Pour voir toutes les vidéos [3], veuillez visiter le blog de Hector Palacios Rayas y Palabras [en espagnol], qui est l'un des organisateurs de la campagne visuelle, avec Karelia Espinoza d’Explikme [en espagnol] [4], Luis Carlos Díaz de Periodismo de Paz [en espagnol] [5], Naky Soto Parra de Zaperoco [en espagnol] [6], Iria Puyosa de No Suma Cero [en espagnol] [7], et Jogreg Henriquez de Circulemos [en espagnol]. [8] ……………..Mba ahitana ireo lahatsary rehetra [3], tsidiho ny blaogin'i Hector Palacios Rayas y Palabras [amin'ny fiteny espanola], izay iray amin'ireo mpikarakara ny fanentanana hita maso, miaraka amin'i Karelia Espinoza avy amin’Explikme [amin'ny fiteny espanola] [4], Luis Carlos Díaz avy amin'ny Periodismo de Paz [ [5]amin'ny fiteny espanola [4]], Naky Soto Parra avy amin'ny Zaperoco [ [6]amin'ny fiteny espanola [4]], Iria Puyosa avy amin'ny No Suma Cero [ [7]amin'ny fiteny espanola [4]], ary Jogreg Henriquez avy amin'ny Circulemos [ [8]amin'ny fiteny espanola [4]].