- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitombo ny fanoherana ny tolo-kevitra varotra vangin'elefanta nalefan'i Tanzania sy Zambia any amin'ny CITES

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Tanzania, Zambia, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Broken elephant tusk found in Hwange National Park in Zimbabwe, by Terry Feuerborn [1]

Elefanta simba hita ato amin'ny Valam-pirenena Hwange ao Zimbaboe, avy amin'i Terry Feuerborn

Mitombo ny fanoherana ny tolo-kevitr'i Zambia sy Tanzania mba hahazo fahazoan-dalana avy amin'ny CITES [2], Fifanekena momba ny Varotra Iraisam-pirenena amin'ireo Karazam-biby sy Zava-maniry Tandidomin-doza, mba hivarotra ny ambin'ny vangin'elefanta tehirizin'ny governemanta.

Kenya no tena manohitra mafy ny fivarotana vangin'elefanta, ka tsy mahagaga raha avy amin'ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana ao amin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpanohitra. Fanampin'izany, nanavao ny ezak'izy ireo mba hametraka fampiatoana (moratoara) 20 taona amin'ny fivarotana vangin'elefanta i Kenya taorian'ity soso-kevitra ity ihany izay nitarika ny fampiatoana nandritra ny 9 taona monja taorian'ny famarotana ambina vangin'elefanta ho an'izay sahy mividy ambony indrindra nataon'ireo firenena Atsimon'i Afrika. Namoaka ny tantara ny haino aman-jery Kenya. Manana lahatsary ao amin'ny YouTube mitondra ny lohateny hoe Wildlife Worries [3] ny NTV Kenya.

 

Namoaka ny votoatin'ireo tolo-kevitra nomen'i Zambia sy Tanzania sy ny tolo-kevitra manohitra avy amin'i Kenya ny blaogy Baraza. Manazava ao amin'ny Baraza i Maina [4].

On the one hand is the anti-trade range states consisting of Congo, Ghana, Kenya, Liberia, Mali and Sierra Leone. On the other hand, each with it’s own proposal is Zambia and Tanzania, who want to be allowed to sell their ivory stockpiles come the March 13-25 Doha  meeting – the 15th CITES  Conference of Parties (CoP15). Both sides have sent their proposals to the CITES secretariat and the secretariat has generously posted the proposals on their website.

Etsy andaniny no misy ireo firenena manohitra ny varotra: Congo, Ghana, Kenya, Liberia, Mali ary Sierra Leone. Etsy ankilany, ny sosokevitra tsirairay avy dia i Zambia sy i Tanzania, izay te-hahazo alalana hivarotra ny tahiry vangin'elefantan'izy ireo mandritra ny fivoriana any Doha 13-25 Martsa- Fihaonambe faha-15 an'ny CITES (CoP15). Samy nandefa ny tolo-kevitr'izy ireo any amin'ny sekreteran'ny CITES ny roa tonta ary nandefa am-pahatsorana ny tolo-kevitra tao amin'ny tranonkalany ny CITES

Tamin'ny lahatsoratra bilaogy isan-karazany tao amin'ny Baraza [5], nanoratra momba ny fanapahan-kevitry ny UK [Fanjakana Mitambatra] hanohitra ireo tolo-kevitra roa ireo i Paula.

The UK has said no to ivory sales. Environment Secretary Hilary Benn said last night: “At the CITES meeting in March, the UK will vote against the proposals from Tanzania and Zambia to sell ivory stocks, and we would urge other countries to vote against such a sale.

Nitsipaka ny fivarotana vangin'elefanta i UK. Nanambara ny Sekretera momba ny tontolo iainana Hilary Benn omaly alina fa: “Amin'ny fivorian'ny CITES amin'ny Martsa, tsy hifidy ny tolo-kevitra avy amin'i Tanzania sy Zambia hivarotra tahiry vangin'elefanta i UK, ary handrisika ireo firenena hafa izahay mba hanohitra izany fivarotana izany.

Manoratra ao amin'ny Ban Ivory (Raràna ny vangin'elefanta) [6]  – bilaogy iray vaovao ao amin'ny WildlifeDirect izay natokana ho an'ny fanentanana hanoherana ny fivarotana vangin'elefanta i Paula- manontany hoe “ Sarobidy kokoa noho ny nifin'izy ireo ve ny elefanta [7]“? Manontany izy hoe: “Akora voalohany sarobidy fotsiny ve ny elefanta, ny vangin'elefanta, sa mendrika fikarakarana manokana ny elefanta?”

Manasongadina i Paula fa na dia azon'ny Afrikana antenaina aza ny fanohanan'ny avy any ivelany, tsy maintsy manomboka amin'ny Afrikana ny ady hiarovana ny elefanta. Hoy izy:

At the end of the day the protest against the trade in ivory will have to be led by Africans if the rest of the world is to take any notice which makes Kenya’s campaign so powerful. But as long as the Chinese and other Asians markets continue to provide markets for ivory trinkets and refuse to implement domestic enforcement, a renewed ban on trade in ivory will fail and we will continue to lose elephants.

Raha lazaina daholo, tsy maintsy hotarihan'ny Afrikana ny hetsi-panoherana fivarotana vangin'elefanta raha tian'izy ireo hanamarika izany izao tontolo izao izay mahatonga ny fampielezan-kevitr'i Kenya ho mahery vaika. Saingy raha mbola manohy manolotra tsena ho an'ny vangin'elefanta ny tsena Sinoa sy Aziatika hafa ary mandà tsy hampihatra ny lalàna mandràra ny fivarotana, dia tsy hahomby ny fandraràna vaovao ny fivarotana vangin'elefanta ary hamoy elefanta hatrany isika.

Mitarika fiarahamonim-pirenena Kenyana amin'ny hetsi-panoherana ny fanavaozana ny varotra vangin'elefanta ny vondrona iray fantatra amin'ny anarana hoe Kenya Elephant Forum ary namokatra fikarohana momba ny lohahevitra. Harvey Croze, mibilaogy ao amin'ny pejy Amboseli Trust for Elephants [8] nilaza hoe:

ATE is against the trade. We have been working with like-minded NGOs and individuals under the aegis of the Kenya Elephant Forum (KEF) to provide strategic information to a body of sympathetic African elephant range states called the African Elephant Coalition (AEC).

Ny ATE dia manohitra ny varotra. Niara-niasa tamin'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ny olon-tsotra mitovy hevitra izahay teo ambany fitarihan'ny Kenya Elephant Forum (KEF) mba hamoaka fampahalalam-baovao mafonja ho an'ny vondrona firenena Afrikanina, African Elephant Coalition  [9](AEC) izay manohana ny adinay.

Ao amin'ity lahatsoratra bilaogy ity, nampiditra rohy misy ny Fikarohan'ny KEF izay azonao vakiana mba hahatakarana ny olana momba ny vangin'elefanta sy ny fiantraikan'ny tolo-kevitra Tanzania/Zambia i Harvey.